2022
Ho anao ny drafitr’ Andriamanitra
Janoary/Febroary 2022


Ho an’ny ray aman-dreny

Ho anao ny drafi-tr’ Andriamanitra

Ry ray aman-dreny malala,

Rehefa mandalina ireo sary sy ireo tandindona ary ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy ao anatin’izany drafitra izany.

Ireo lahatsoratra ao anatin’ity laharana navoaka ho an’ity volana ity dia afaka manome anareo hevitra mba hampianarana ny ankizy zavatra avy ao amin’ny Testamenta Taloha sy mikasika ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika.

Manana drafitra masina ho an’ireo zanany ny Ray any An-danitra

Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra? Ampiasao ny “Ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara” ao amin’ny pejy 10 mba hampianarana ny zanakareo ny maha-zava-dehibe ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Afaka miaraka manao lisitra iray ianareo izay ahitana ireo fitahiana sy tombontsoa ananantsika eto an-tany noho ny fahatongavantsika eto an-tany.

Aorian’ny famakiana ny lahatsoratry ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny pejy 6, dia asio fifampiresahan’ny fianakaviana mikasika an’ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainanareo avy amin’ny fahalalana fa manana drafitra hamonjena ny zanany Andriamanitra.

Fandalinana ny Testamenta Taloha

Ampivelaro ny fandalinanao ny Testamenta Taloha amin’ny alalan’ny famakiana ireo lahatsoratra ao amin’ny pejy 20 sy pejy 26. Inona no zavatra ianaranao izay manampy anao hahatakatra ny Testamenta Taloha? Resaho ombam-bavaka miaraka amin’ny fianakavianao ireo tanjona napetrakao ho an’ny fandalinanao ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity taona ity.

Ireo hevi-baovao ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Jereo ao amin’ny pejy 30 ny fanazavana miaraka amin’ny sary ny momba ny Fahariana sy ny tahirin-kevitra hafa mba hanohanana ny fandalinanao ny Avia, hanaraka Ahy .

Hamoaka printy