2022
Manana ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ato!
Janoary/Febroary 2022


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Manana ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ato!

Rehefa nihazona ny Bokin’i Môrmôna teny an-tanako aho dia nahatsapa fa nanjavona ny enta-mavesatro tao anatin’ilay hafanana nentin’ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Sary
hand holding a copy of the Book of Mormon

Sary nalain’i Jacob A. Brown

Indray sabotsy tany afovoan’ny vanim-potoan’ny ririnina, dia nanararaotra ilay andro nisy masoandro nefa nangatsiaka izaho sy ny vadiko mba hamantarana tsara kokoa ny toerana nanodidina anay. Nifindra tany an’arivorivon-kilaometra niala ny fonenanay tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Etazonia izahay mba hanohizana ny fianarana sy hahafahana miasa.

Nanapa-kevitra izahay ny handeha an-tongotra nankany amin’ny oniversite iray akaiky anay izay mbola tsy notsidihinay. Hitanay tamin’ny fotoana nilana azy ilay tranomboky lehibe an’ilay oniversite. Tia mamaky boky izahay ary ny vadiko izay mpianatra efa manana mari-pahaizana licence dia liana amin’ireo loharanom-pitaovana mety ho hitany ho an’ny fianarany. Noho izy mandalina ny tantaran’ny fivavahana dia notetezinay nojerena ireo andiam-boky tao amin’ny faritra ahitana ny momba ny fivavahana tao amin’ilay tranomboky. Rehefa notopazanay maso ny sasany tamin’ireo lohateny mahaliana dia nisy boky kely izay niloko manga toa efa fahita nisarika ny masoko.

“Manana ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ato!” Hoy aho nibitsibitsika tamim-pifaliana.

Nalaiko teo amin’ilay talantalana ilay boky. Tahadika taloha ilay izy ary nanontany tena aho hoe hafiriana no naha-teo azy. Ny tena nisarika ny saiko dia ilay taratasy kely napetaka tao anatin’ilay fonony eo anoloana.

Io taratasy natsofoka io dia nahitana fijoroana ho vavolombelona fohy nataon’ny mpivady iray avy ao Blackfoot, Idaho, Etazonia. Nohazavain’izy ireo tao anatin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ny hoe inona ny Bokin’i Môrmôna ary nahoana no manan-danja izany. Nizara fijoroana ho vavolombelona fohy nefa mafonja momba ilay boky izy ireo ary nanasa ny mpamaky hivavaka mba hahafantarana raha marina izany na tsia.

Tsotra ny tenin’izy ireo saingy tonga dia nipaka tany am-poko ny hafatra nozarain’izy ireo. Angamba ny fijoroana ho vavolombelona nozarain’ireo mpivady ireo dia natao hovakian’ireo izay avy amin’ny antokom-pinoana hafa. Nomen’izy ireo ho an’olona fantatr’izy ireo angamba io tahadikan’ny boky io. Iza moa no mahafantatra hoe impiry nifindrafindra tanana io boky io na hatraiza ny halavan’ny lalana nodiavin’izy io vao tonga tao amin’ny tranombokin’ilay oniversite?

Fenon’ny Fanahy ny foko rehefa nihazona ilay boky teny an-tanako aho. Tsapako tao anatin’ny fotoana fohy ho nanjavona ny enta-mavesatro tao anatin’ilay hafanana nentin’ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Io andro iray tao amin’ny tranomboky io dia mampahatsiahy ahy foana ireo fitahiana azoko amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny maha-manan-danja ny fizarana izany. Mety mianjera eny amin’ny “tany marivo ambony vatolampy” na eny amin’ny “tany tsara” ny fijoroantsika ho vavolombelona (jereo ny Matio 13:3–9), saingy zava-dehibe ny hizarantsika izany. Andriamanitra dia hanao izay hizarana izany amin’ny fotoana maha-mety izany sy any amin’ny toerana maha-mety izany ary any amin’ny olona tokony hiantefan’izany.

Hamoaka printy