Manohy mandeha eo amin’ny lalan’ny fahasambarana
Afaka mitaiza zanaka marin-toetra sy manam-panantenana na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao isika raha toa izy ireo ka manana fototra mafy orina ao amin’ny Mpamonjy.
Taona maro lasa izay dia nasaina nanatanteraka asa fanompoana tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana an’i Crozier Kimball dadabenay ny sasany tamin’ireo zatovo zanaky ny iray tampo amin’ny reniko. Nampanantenaina izy ireo fa ny valisoa dia mofomamy tena tsara namboarin’i Bebe Clara1 .
Rehefa vita ny asan’izy ireo dia nandeha nankany an-dakozia izy ireo mba haka ny valisoan’izy ireo. Nobahanan’i Dadabe anefa ny varavarana niditra tany an-dakozia. Nitantara i Kathy Galloway zanaky ny iray tampo amin’ny reniko, izay teo amin’ny 14 taona teo tamin’izany fotoana izany hoe, nipetraka teo amin’ny seza fitendrena pianô izy ary nanasa ireo zanaky ny iray tampo amin’ny reniko mba hipetraka amin’ny tany. Nisaorany izy ireo noho ny asa mafy nataon’izy ireo ary avy eo dia nilaza izy fa manana zavatra manan-danja hozaraina mialoha ny hihinanan’izy ireo ny mofomamin’izy ireo.
“Hisy fotoana eo amin’ny fiainanareo izay hilainareo ny mahafantatra ny zavatra izay hozaraiko aminareo sy mandray andraikitra eo anatrehan’izany,” hoy izy.
Nanazava izy fa niatrika fanamby ara-batana tena mafy ny raibeny Heber C. Kimball (1801–68) sy ireo razambe mpisava lalana hafa. Vetivety dia nianatra ireo mpisava lalana fa mba hahatafavoahana velona dia tsy maintsy miara-miasa sy mifankatia ary mifanompo izy ireo.
“Izany no lova lehibe indrindra navelan’izy ireo ho anareo!” hoy izy sady nanomboka nikoriana nanaraka ny takolany ny ranomaso.
“Ao anatin’ilay antsoko mba ho patriarika sy ho raibenareo, rehefa mandinika ny zavatra hitranga amin’ny ho avy aho, … dia onena anareo ny foko,” hoy izy. “Hiatrika fanamby ara-pihetsehampo sy ara-panahy ianareo izay tsy ho azon’ny ankamaroan’ireo razambenareo mpisava lalana velively.”
Raha tsy manaja ilay lova lehibe ahitana ny fitiavana sy ny asa fanompoana izay napetrak’ireo mpisava lalana ny taranaka vao misondrotra, hoy izy nanampy, “dia maro aminareo no tsy hahomby satria tsy ho tafavoaka velona amin’ny alalan’ny tenanareo manokana fotsiny ianareo.”
Tao anatin’ny fifandraisana am-panahy avy eo no nilazan’i Dadabe Kimball teo am-pamaranana hoe: “Mila antsika samy isika isika. Ankoatra ny fifampizarantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara, dia adidintsika ny mifankatia, mifanompo, mifampahery, mifampikarakara sy mifanampy ary mifanohana, … indrindra eo anivon’ny fianakaviantsika. Aoka ianareo hahatsiaro fa amin’ny andro farany, ny tena hahatafavoahanareo velona dia miankina amin’ny fahavononanareo hiara-hiasa sy hifankatia ary hifanompo. Ndao amin’izay ary hihinana mofomamy!”
Mila antsika samy isika isika
Araka ny hita amin’ny alalan’ireo zavatra an’izao tontolo izao izay mikorontandrontana manodidina antsika ary araka ny efa hitan’i Dadabe Crozier Kimball mialoha, dia mila antsika samy isika isika. Mila fianakaviana feno fitiavana isika sy kôlejy sy Fikambanana Ifanampiana manatanteraka asa fanompoana ary sampana, paroasy sy tsatòka manolotra fanohanana.
“Tian’ Andriamanitra hiara-hiasa sy hifanampy isika,” hoy ny Filoha Nelson. “Izany no antony nandefasany antsika teto an-tany tao anatina fianakaviana ary nandaminany antsika ho anaty paroasy sy tsatòka. Izany no mahatonga Azy mangataka antsika mba hifanompo. Izany no mahatonga Azy mangataka antsika mba ho eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’ izao tontolo izao. Afaka mahavita zavatra betsaka isika rehefa miaraka toy izay rehefa irery.”2
Sarotra ny fiainana ao anatin’ilay toetra faharoa misy antsika. Noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, dia miatrika zava-manahirana isika, ao anatin’izany ny fitsapana sy ny fakam-panahy. Anisan’ny mandrafitra ny drafitry ny fahasambarana ny fiainana zavatra toy izany, saingy mifanampy isika eo am-piatrehana ireo zava-tsarotry ny fiainana.
Toa an’i Adama sy i Eva izay “izay nesorina … [tao amin’ny] saha Edena” (Genesisy 3:23), dia nesorina tany amin’ny fonenantsika talohan’ny nahaterahana izay nanomanana antsika isika ho tonga eto amin’ity tany lavo ity. Ary tahaka an’i Adama sy i Eva dia faly isika noho ny fahalalantsika ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany:
“Ary tamin’izany andro izany dia nisaotra an’ Andriamanitra i Adama sady henika ka nanomboka naminany momba ireo fianakaviana rehetra amin’ny tany, nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra fa noho ny nandikako lalàna dia mahiratra ny masoko, ary hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity ary ao amin’ny nofoko indray no hahitako an’ Andriamanitra.
“Ary nandre izany zavatra rehetra izany i Eva vadiny ka faly, nanao hoe: Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana taranaka na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ ny mpankatò rehetra” (Mosesy 5:10–11; jereo koa ny 2 Nefia 2:25).
“Ampahany ao anatin’ilay tanjony masina”
Ny fanatanterahana “ny fahafatesan[tsika] sy ny fiainana mandrakizain[tsika]” no “[asa sy voninahitry]” ny Ray (jereo ny Mosesy 1:39). “Isika,” araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson, “dia ampahany ao anatin’ilay tanjony masina.”3
Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara fa amin’ny maha-fanahy zanakalahy sy zanakavavy antsika tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana dia “nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rain[tsika] mandrakizay [isika] ary nanaiky ny drafiny izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa ety ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”4 Ary ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra vao haingana hoe: “Tao anatin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra no —[naharian’i Jesoa Kristy] ny lanitra sy ny tany— (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9) mba hahafahan’ny tsirairay avy amintsika mahazo ireo traikefa ilaina eto amin’ny fiainana an-tany mba hikatsahana ny toerana masina hiafarantsika.”5
Hazavain’ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany tsara ny anjara asa lehibe tazonin’ny vatantsika ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ny anjarantsika dia ny hiverina eo anatrehany miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty sy nasandratra ary hiaina mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana.
“Ny fifandraisantsika amin’ny olona hafa, ny hery ananantsika mba hanaiky sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary ny fahafahantsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mihamafy orina amin’ny alalan’ny vatantsika,” hoy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Mandritra ny fiainana eto an-tany, isika dia miaina halemem-panahy, fitiavana, hatsaram-panahy, fahasambarana, alahelo, fahadisoam-panantenana, fanaintainana, ary zava-tsarotra avy amin’ny sakana ara-batana mihitsy aza, izay manomana antsika amin’ny mandrakizay.”6
Mampianatra momba an’i Kristy
Tena ilaina ho an’ny fitohizam-pahaveloman’ny fiainantsika ara-panahy ny fahalalana ny drafitry ny fahasambarana amin’izao andro feno fiahiahiana sy fisalasalana izao. Kanefa tsy afaka ny hanantena an’izao tontolo izao isika mba hamahana fitsipiky ny fahasambarana mandrakizay an’ireo zanatsika. Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia mila mampianatra ny zanatsika mikasika ilay loharano masina nipoirany sy ilay anjara masina ho azy ireo isika.
Atombotsika amin’ny fanampiana azy ireo hanana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izany izay ivon’ny drafitry ny famonjena. Mino aho fa afaka mitaiza zanaka marin-toetra sy manam-panantenana na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao isika raha toa izy ireo ka manana fototra mafy orina ao amin’ny Mpamonjy.
Mandritra ny takarivan’ny mpianakavy, ny vavaky ny mpianakavy sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy amin’ny alalan’ireo fiaraha-mientana sy fomba fanaon’ny fianakaviana ary na mandritra ireo fotoana hibedesana aza dia “miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, [ary] maminany ny amin’i Kristy, … mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26).
Manampy ny zanatsika isika hahatakatra fa ao anatin’ny drafitry ny famonjena, ny fibebahana dia “ho zavatra ianarana mandritra ny fiainana iray manontolo”7 izay mitondra fanantenana sy fanasitranana noho izany manamaivana ny fanahy ary mampamiratra ny hoavy.
Rehefa manana finoana ny Sorompanavotan’i Kristy ny zanatsika, dia hahafantatra izy ireo fa mbola misy ny fanantenana ary miandry antsika miaraka amin’ny sandriny mivelatra ny Tompo. Ampiantsika izy ireo hahatakatra hoe “na inona na inona zavatra izay tsy maintsy avelan[tsika] any aoriana mba hanarahana ny lalana mitondra mody mankany amin’ny fonenan[tsika] any an-danitra dia ho toy ny tsy mamoy na inona na inona izany indray andro any.”8
Manangona ny zanak’ Andriamanitra
Tsy mandeha irery manatratra ilay anjara masina ho antsika isika. Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manasa ny hafa isika eny am-panaovantsika ilay dia mankany amin’ilay fonenantsika any an-danitra. Izao tontolo izao dia mila Olomasin’ny Andro Farany izay vonona ny hamela ny hazavan’ny Famerenana amin’ny laoniny hamiratra amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo sy ny ohatra asehon’izy ireo ary ny fahavononan’izy ireo hizara ny filazantsara. Rehefa mamiratra isika dia manangona.
“Rehefa miresaka fanangonana isika,” hoy ny Filoha Nelson dia “milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra fotsiny isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny hahare ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manapa-kevitra manokana izy ireo raha toa te hahafantatra misimisy kokoa.”9
Ary noho izany araka ny torohevitr’i Dadabe Crozier dia mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. Mitia sy manompo, mampahery sy mamahana, ary manampy sy manohana ireo olona akaikin’ny fontsika sy ireo mpifanolobodirindrina amintsika isika.
Rehefa manampy ny hafa eo amin’ilay lalana masina mitondra any amin’ilay anjara masina ho azy ireo isika dia manampy ny tenantsika koa eo amin’izany lalana izany mba “horaisina ao amin’ny fanjakan’ny Ray, ka tsy hivoaka intsony, fa hiara-honina mandrakizay amin’ Andriamanitra any an-danitra” (3 Nefia 28:40).