2022
Phnom Penh, Cambodge
Janoary/Febroary 2022


Tafaorina eto ny Fiangonana

Phnom Penh, Cambodge

Sary
photograph of Phnom Penh, Cambodia

An-kavia: sary nalain’i Leslie Nilsson; an-kavanana: sary nalain’i Cody Bell

Ankizy milalao sy sambo misosa manaraka ny Renirano Mekong ary ny faravodilanitr’i Phnom Penh no lafi-tsary. Tamin’ny 1994 no nanekena ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho nitsangana ara-dalàna tany Cambodge. Ny Fiangonana, ao amin’io firenena io, ankehitriny dia ahitana:

  • mpikambana miisa 15.200 (tokotokony ho io tarehimarika io)

  • tsatòka miisa roa, misiôna miisa 1, toeram-piangonana miisa 28

  • tempoly anankiray izay vao nambara fa haorina

Mifantoka amin’ny ao an-tokantrano, tohanan’ny Fiangonana

Sary
husband and wife sitting in front of house

“Ny fandaharam-pianarana Avia, hanaraka Ahy dia manampy anay hifanakalo hevitra tsy tapaka momba ny filazantsara ao an-tokantranonay,” hoy i Kem Chhoeun avy any Krong Ta Khmau. “Lasa miresaka momba ny filazantsara izahay isan’andro,” hoy i Tep Saroeun vadiny.

Hamoaka printy