2022
Ny Fahariana
Janoary/Febroary 2022


Avia, hanaraka Ahy

Ny Fahariana

Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5

earth with sun and moon

Noharian’i Jesoa Kristy teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra ny tany mba hahafahantsika manana toerana hipetrahana sy hianarana ary hampiasana ny fahafahantsika misafidy mba hanaovana safidy tsara (jereo ny Abrahama 3:24–26).

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny atao hoe mamorona … dia tsy midika hoe mamorona amin’ny alalan’ny zavatra tsy misy. Midika izany hoe mandrindra, mitovy amin’ny handrindran’ny olona iray ireo fitaovana dia aorina ny sambo.”1 Ny dikan’ny hoe “mamorona” amin’ny teny Hebreo dia mamolavola, manaingo, mandrindra ary manamboatra (jereo ny Genesisy 1:1; Abrahama 3:24).

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson fa “ny Fahariana ny voary dia narindra tao anatin’ny fotoana nalahatra,” fa tsy tao anatin’ireo andro ao anatin’ny kalandirie. “Na andro, na fotoana, na vanim-potoana no iantsoana azy, ny dingana tsirairain’ny [Fahariana] dia fotoana iray teo anelanelan’ny zava-nitranga roa izay azo fantarina, dia ny fizaran’ny mandrakizay izany.”2

Andro Voalohany: Ny mazava sy ny maizina

“Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava,” ary “nampisaraha[ny] ny mazava sy maizina,” ka nisy ny andro sy ny alina (jereo ny Genesisy 1:3–5).

Andro Faharoa: Ny rano sy ny habakabaka

Nosarahan’ Andriamanitra ny rano sy ny habakabaka. “Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano. … Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe, lanitra.” (Jereo ny Genesisy 1:6–8).

Andro Fahatelo: Ny ranomasina sy ny tany

“Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe, tany; ary … ny rano tafangona nataony hoe ranomasina” (Genesisy 1:10). Dia vonona ny hovolena zava-maniry ny tany tamin’izay (jereo ny Genesisy 1:11–12).

Andro Fahaefatra: Ny masoandro sy ireo fotoana

Andriamanitra dia nanao ny masoandro sy ny volana ary kintana “mba [hampisarahana] ny andro sy alina” ary “ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona” (jereo ny Genesisy 1:14–16).

Andro Fahadimy: Ireo zava-manan’aina

Noharin’ Andriamanitra ny “zava-manan’aina mihetsiketsika rehetra” (Genesisy 1:21). Ireo zava-manan’aina ireo dia nodidina mba hihabetsaka sy hameno ny tany sy ny ranomasina (jereo ny Genesis 1:22).

Andro Fahaenina: I Adama sy i Eva

Ny fahariana zava-manan’aina nataon’ Andriamanitra dia nitohy tamin’ny bibi[n’ny] tany,” sy “biby fiompy,” ary “zava-mandady” (Abrahama 4:24–25). Avy eo dia nohariny “[n]anahaka ny vatany” i Adama sy i Eva (Mosesy 6:9) ary nodidiny izy ireo mba “[ho maro fara sy ho betsaka ary hameno ny tany], … ary hanjaka [amin’ny zava-manan’aina mihetsiketsika rehetra]” (Genesisy 1:28).

Andro Fahafito: Andro Fitsaharana

Rehefa vita ny asany dia nitsahatra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito. “Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay efa noforoniny sy [nataony]” (Genesisy 2:3).

Taty aoriana dia nodidin’ Andriamanitra koa isika mba “[hahatsiaro] ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8).

Afaka manamasina ny andro Sabata isika amin’ny alalan’ny fandehanana miangona sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ary ny fahatsiarovana ny Mpamonjy. Nampianatra ny Tompo hoe: “Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ny asanao ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:10).

Amin’ny andro sabata “ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny fitondrantenantsika no marika atolotsika an’ Andriamanitra sy famantarana izay maneho ny fitiavantsika Azy.”3

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, discourse given on Apr. 7, 1844, in History, 1838–1856, volume E-1 [1 July 1843–30 April 1844], page 1973, josephsmithpapers.org.

  2. Russell M. Nelson, “The Creation,” Liahona, July 2000, 103.

  3. David A. Bednar, “Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra,” Liahona, nôv. 2017, 92; jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130.