2022
Mahita an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Testamenta Taloha
Janoary/Febroary 2022


Mahita an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha

Ireto fahamarinana ireto dia afaka manampy antsika hahafantatra ny Mpamonjy antsika ao anatin’ny fandalinantsika soratra masina amin’ity taona ity.

Sary
fine art painting of Jesus Christ

(Fahazavan’izao Tontolo izao), nataon’i Walter Rane, tsy azo adika

Indray andro, nihaona tamin’ny roa tamin’ireo mpianany teo amin’ny lalana teo anelanelan’i Jerosalema sy Emaosy i Jesoa Kristy. Teny am-pandehanana teny dia nampianariny azy ireo ny momba ny anjara asany araka izay voafaritra ao amin’ilay soratra masina antsointsika hoe Testamenta Taloha amin’izao fotoana izao.

“Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” (Lioka 24:27). Traikefa ara-panahy lalina no azon’ireto mpianatra ireto rehefa nianatra momba ny Mpamponjy sy ny asa nanirahana Azy ka nitalaho ny mba hijanonany elaela izy ireo (jereo ny Lioka 24:28–32).

Tahaka ireo mpanara-dia an’i Kristy tany am-piandohana ireo, dia manana fahafahana ny hahafantatra ny Mpamonjy antsika amin’ny fomba manan-danja kokoa isika rehefa mamakafaka ny Testamenta Taloha amin’ity taona ity. Ity rakitsoratra ity miaraka amin’ireo bokin’i Mosesy sy Abrahama ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy dia manome antsika fahatakarana feno kokoa ny momba Azy, ny toetoetrany, ny asa nanirahana Azy ary ny fifandraisany amin’ny Rainy sy amintsika tsirairay avy. Ilaintsika izany fahatakarana izany mba hahazoana ilay fanomezana, dia ny fiainana mandrakizay izany (jereo ny Jaona 17:3).

Misy fahamarinana dimy etsy ambany izay afaka manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy sy hahatakatra kokoa Azy manerana an’ity boky masina taloha ity.

Fahamarinana 1: I Jesoa Kristy no Jehovah

Hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny momba ny fotoana iray izay nampahafantaran’i Jesoa Kristy ny tenany ho Jehovah. Tezitra mafy ny olona ka niezaka nitoraka Azy noho ny faniratsirana (jereo ny Jaona 8:59). Tsy fantatr’izy ireo ilay fahamarinana sarobidy izay mbola tsy takatry ny maro ihany ankehitriny: fa i Jesoa Kristy no Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.1

Angamba anisan’ny antony tsy ahatakarana matetika ny anaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Taloha ny tsy fampiasana ilay anarana hoe “Jesoa Kristy” ao amin’ny boky. Ireo mpanoratra kosa dia nampiasa fomba fiantsoana maro toy ny hoe “Andriamanitra,” “Izaho izay Izy,” na “ny Tompo.”2 Raha vao fantatsika izany dia manomboka mahita an’i Jesoa Kristy mazava kokoa isika manerana ny soratra masina rehetra. Ohatra:

  • Rehefa niresaka tamin’i Mosesy tao amin’ny roimemy nirehitra afo “Andriamanitra”, dia niresaka tamin’i Jesoa Kristy izy (jereo ny Eksodosy 3:6).3

  • Torak’izany koa i Jesoa Kristy dia nilaza ny tenany ho ilay “Izy Aho lehibe” tamin’i Joseph Smith (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1).

  • Nantsoina mba hanomana ny lalan’i “Jehovah” i Jaona Mpanao Batisa (Matio 3:3). Fahatanterahan’ny voalaza ao amin’ny Isaia 40:3 izany, izay naminany momba an’i Jesoa Kristy.

  • Jereo ny tabilao ao amin’ny pejy 17 izay misy ohatra hafa ahitana ny hoe Jehovah manerana an’i soratra masina.

Fahamarinana 2: Afaka mampianatra antsika momba ny Mpamonjy antsika ireo zavatra azo tsapain-tanana sy ireo zava-niseho

Sary
an angel appearing to Adam and Eve as they prepare a burnt offering

Nodidina i Adama sy i Eva mba hanao sorona biby ho anisan’ny ao anatin’ny fitsaohan’izy ireo. Ny fanaovana sorona toy izany dia mampahatsiahy antsika fa i Jesoa Kristy ilay Zanakondrin’ Andriamanitra dia nanolotra ny tenany ho vonoina izay tafiditra ao anatin’ny Sorompanavotana nataony.

Adam and Eve Offering Sacrifices(I Adama sy i Eva manolotra fanatitra), nataon’i Keith Larson

Ny Testamenta Taloha dia manankarena tandindona sy tantara izay afaka mampahatsiahy antsika ny fanampiana atolotry ny Mpamonjy. Ohatra:

  • Soratra masina maro no mamaritra fotoana izay nandidiana ny vahoaka mahatoky mba hanao sorona biby ho anisan’ny mandrafitra ny fitsaohan’izy ireo. Ohatra nasaina nanao sorona zanak’ondry iray ny zanak’i Isiraely sy nanisy marika ny varavaran’izy ireo tamin’ny ran’izany. Ireo izay nanao izany dia voaro tamin’ny loza mahafaty tany Egypta. Ny fanaovana sorona toy izany dia mampahatsiahy antsika fa i Jesoa Kristy ilay Zanakondrin’ Andriamanitra dia nanolotra ny tenany ho vonoina izay tafiditra ao anatin’ny Sorompanavotana nataony. Ny sorona nataony dia mamonjy antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy. (Jereo ny Eksodosy 12:23).

  • Rehefa tsy maintsy nandositra ny mpaminany Elia mba hamonjena ny ainy ary niafina tany an’efitra dia nalahelo izy ary nilaza hoe aleony maty. Rehefa natory izy dia nisy mofo sy rano tonga tamim-pahagagana mba hamahanana azy sy hamelombelomana ny ainy, ka nanome hery azy mba hanohy izany. Afaka mampahatsiahy antsika izany fa i Jesoa Kristy no Rano Velona sy Mofon’aina. Izy no loharanom-panantenantsika faratampony. (Jereo ny 1 Mpanjaka 19:1–8).4

  • Nanoratra ny mpanao salamo iray hoe: “fanilon’ny tongotro ny teninao” (Salamo 119:105; nampiana fanamafisana). Nijoro ho vavolombelona i Mika hoe: “Raha mitoetra ao amin’ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy” (Mika 7:8; nampiana fanamafisana). Ny tenin’izy ireo dia mampahatsiahy antsika fa i Jesoa Kristy no Fahazavan’izao tontolo izao, izay mitarika antsika miverina mankany amin’ilay fonenantsika any an-danitra.

Mety hahita zavatra hafa izay mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy sy ny fahafahany mamonjy antsika ianao rehefa mamaky, toy ny tamin’ny namonjena ny fianakavian’i Noa tamin’ny tondra-drano tao anatin’ilay sambofiara, na tamin’ny nanomezana fotoana an’i Jona mba hibebaka tamin’izy tao an-kibon’ilay hazandrano lehibe. Ireo zava-niseho ireo dia afaka mampahatsiahy antsika fa mitantana antsika mamakivaky ny oram-baratry ny fiainana ny Mpamonjy ary homeny fahafahana foana isika mba hiverina eo amin’ny lalana marina. (Jereo ny Genesisy 7:1; Jona 2:1).

Fahamarinana 3: I Jehovah dia Andriamanitra an’ny tena manokana

Indraindray dia toa Andriamanitra tezitra sy manasazy ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Tokony hataontsika ao an-tsaina fa ireo mpanoratra ny boky tany ifotony dia niaina kolotsaina fahiny izay ahitana fomba amam-panao sy fomba famaritan-javatra mety ho sarotra ho antsika ny mahatakatra azy amin’izao fotoana izao. Ny boky Avia, hanaraka Ahy, ireo fifanakalozan-kevitra atao eo anivona vondron’olona ary ny fahatakaran-javatra azo avy amin’ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika mba hampifandray ny zavatra vakintsika ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny zavatra fantatsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo bokin-tsoratra masina hafa.

Ary ity misy toetra miharihary ananan’i Jehovah izay ho fantatr’ireo mpianatra momba ny Mpamonjy: Izy dia Andriamanitra an’ny tena manokana . Ny firotsahany an-tsehatra na amin’ny fomba tena miavaka na amin’ny fomba tsotsotra, dia mampiseho fa vonona foana Izy hanavotra ireo izay matoky Azy. Ireto misy ohatra vitsivitsy maneho ny asa fanompoana nataony tao amin’ny Testamenta Taloha:

  • Taorian’ny nandikan’i Adama sy i Eva lalàna dia nampiankajoan’ny Tompo na nampitafian’ny Tompo akanjo hoditra izy ireo (jereo ny Genesisy 3:21). Ny dikan’ny Sorompanavotana amin’ny teny Hebreo dia hoe “manarona” na “mamela.”

  • Nasainy i Enoka mba hiara-handeha Aminy (jereo ny Mosesy 6:34) ary nasandrany ny vahoakan’i Ziona (jereo ny Mosesy 7:69).

  • Nanomana an’i Josefa Izy mba hanavotra ny fianakaviany sy ny olona hafa tsy tambo isaina tamin’ny mosary (jereo ny Genesisy 37–46).

  • Nitarika ny zanak’i Israely namakivaky ny tany efitra Izy (jereo ny Eksodosy 13:21–22).

  • Nitsidika an’i Arona sy i Miriama Izy mba hanamafy orina ny finoan’izy ireo ny mpaminany velona (jereo ny Nomery 12:5).

  • Nitarika an’i Rota Izy ary niaro ny razambeny tamin’ny alalan’i taranak’i Rota (jereo ny Rota 3:10–11; 4:14–17).

  • Nantsoiny tamin’ny anarany i Samoela ankizilahy kely (jereo ny 1 Samoela 3:3–10).

  • Notafiny hery i Estera mba hamonjy amin-kerimpo ny vahoakany (jereo ny Estera 2:17; 8:4–11).

Fahamarinana 4: Manampy antsika hiatrika ny ady atrehintsika i Jesoa Kristy

Toy ny ady ny fiainana andavanandro indraindray. Miatrika ady ara-panahy eo amin’ny tsara sy ny ratsy tokoa isika, fa tsy ady tahaka ny voafaritra ao amin’ny Testamenta Taloha. Miara-mihiaka amin’ireo miaramila fahiny isika manao hoe “Vers Sion, cité promise (Tariho izahay ry Jehovah lehibe).”5 Maheno ilay valinteniny feno fanomezan-toky isika ao anatin’ireto soratra masina ireto:

  • “Tsy handao anao na hahafoy anao Aho” (Josoa 1:5).

  • “Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra” (2 Tantara 20:15).

  • “Mampahery anao Aho; … Eny, mitantana anao … Aho” (Isaia 41:10).

  • “Momba anao hamonjy anao Aho” (Jeremia 1:8).

Fahamarinana 5: Mitohy ny fampanantenan’ny Tompo

Mifandray kokoa amin’ireo olona mahatoky ao amin’ny Testamenta Taloha noho ny mety ho fieritreretantsika azy isika. Ireo mpahita fahiny dia niandrandra ilay fiainan’i Jesoa Kristy eto an-tany ary nanoratra momba izany. I Isaia, ohatra, dia namaritra ny Tompo tamin’ny teny tena mafonja ka lasa tafiditra ao anatin’ireo hira hiraintsika matetika mandritra ny Paska sy Krismasy izany (jereo ny Isaia 7; 9; 40; sy ny 53).6

Miandrandra koa ny fiavian’i Kristy tahaka an’ireo mpaminany ireo isika, fa amin’ity indray mitoraka ity dia miandrandra ny fiverenany mba hanjaka mivantana eto an-tany isika.7 Ary eo am-panomanantsika an’izao tontolo izao amin’ny Fiaviany Fanindroany dia misintona hery avy amin’ireo fahamarinana sy fampanantenana noraketina voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha isika, toy ny:

  • Tsodranon’ny patriarika izay ahitana fanambarana ny fokon’i Isiraely misy antsika. Ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama an’arivorivon-taona maro lasa izay dia mihatra amintsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana nanao fanekempihavanana antsika amin’izao fotoana izao, na avy amin’ny foko inona isika na avy amin’ny foko inona. (Jereo ny Genesisy 13:14–17; Abrahama 2:9–11.)

  • Ny didy mba hitandrina ny andro Sabata ho masina, izay nolazain’ny Tompo fa ho “famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo” (Eksodosy 31:13).

  • Ny fanasana masina sy ny fanosorana masina ary ny fampiakanjoana masina izay anisan’ny ao anatin’ny fomba fitsaohana ao amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao dia notanterahina voalohany tamin’i Arona sy ny taranany (jereo ny Levitikosy 8).

Eritrereto hoe firifiry ny lehilahy sy vehivavy marin-toetra nahafoy tena mba hitondrana antsika ho tonga eto amin’izao fotoana ao anatin’ny tantaran’ny zanak’olombelona izao. Miorina eo amin’ireo ezaka masina nataon’izy ireo isika ary mitovy hevitra amin’ilay fahitana nananan’izy ireo fa hotarihin’ny Mpamonjy izao tontolo izao. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa vita ny 4.000 taona nitsinjovana sy nanomanana, dia izao ilay fotoana voatondro hitondrana ny filazantsara amin’ny olona rehetra maneran-tany. Izao no fotoanan’ilay fanangonana an’i Isiraely nampanantenaina. Ary dia afaka mandray anjara amin’izany isika!”8

Taom-pandalinana tena miavaka

Sary
Christ in red robe

Christ in a Red Robe (I Kristy manao akanjolava mena), nataon’i Minerva Teichert, nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoky ny Fiangonana

Eo am-pelatanantsika ny tantaran’ny fiantombohan’ny olombelona, ilay tantarantsika amin’ny maha-kristiana antsika. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia fantatsika ny fiafaran’ity dia tena miavaka ity. Hofongorana i Satana ary ho mpandresy ny olo-marina. Saingy hanao ahoana ny ho fizotran’ny tantarantsika manokana?

Moa ve isika hisafidy ny hiaraka handeha amin’i Jesoa Kristy amin’ity taona ity? Moa ve isika hiangavy Azy hiaraka hijanona amintsika satria efa dodona ny hihaino ny zavatra hampianariny?

Izy ilay Mpamonjy be fitiavana sy an’ny tena manokana, izay henontsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny feony, sy voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao ny fiainany ary ampianarina amin’ny fomba tsotra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo fampianarany. Amin’ny alalan’ny fampiharana kely dia ho afaka ny hahita ny asa fanompoana nataony izay miseho tsy tapaka ao amin’ireo pejin’ny Testamenta Taloha koa isika. Izy no ivon’ny lasan’ny olombelona sy ny ankehitrininy ary ny hoaviny. Teo akaikintsika sy ho eo akaikintsika foana Izy eo amin’ny dingana tsirairay eo amin’ilay lalana.

Fanamarihana

  1. Jereo ny andinin-tsoratra faharoa ao amin’ny “Ilay Kristy velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org.

  2. Ao anatin’ireo dikanteny amin’ny teny Anglisy, ireo fomba iantsoana an’i Jesoa Kristy dia matetika atao sorabaventy toy izao: LORD (TOMPO). Ny 1 Samoela 1:15 dia manome ohatra anankiroa mahakasika izany teny izany: “lord (tompoko),” izay iantsoana olona iray, ary “LORD (TOMPO),” iantsoana an’i Jesoa Kristy. Jereo ny James E. Talmage, Jésus le Christ (1916), 36.

  3. Ao anatin’ireo dikantenin’ny Baiboly navoakan’ny Fiangonana, dia afaka manampy amin’ny fanazavana ireo fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy rehefa miresaka momba ny Mpamonjy ny soratra masina. Mba hahitana ohatra dia jereo ny Eksodosy 3:6, fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy a.

  4. Mba hahafantarana bebe kokoa momba ny tandindona fonosin’ity tantara ity dia jereo ny Marissa Widdison, “The Bread and Water of Hope,” Ensign, Sept. 2019, 56.

  5. “Vers Sion, Cité promise,” Cantiques, no. 39.

  6. Ny sasany amin’ireo andininy avy ao amin’ny Isaia dia nampiasaina ho tononkiran’ny Messiah izay oratorio an’i Handel.

  7. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:10.

  8. Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 88.

Hamoaka printy