2022
Tempoly: Voahangy lafo vidy
Jolay/Aogositra 2022


“Tempoly: Voahangy lafo vidy,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Tempoly: Voahangy lafo vidy

Sary
Tempolin’i Brigham City Utah

Sarin’ny Tempolin’i Brigham City Utah

Tena fitiahiana mahatalanjona ny mahita ny fitombon’ireo tempoly aorina manerana izao tontolo izao. Miara-paly amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izahay rehefa misy tempoly vaovao atokana any amin’ny faritra misy azy ireo.

Antenainay fa hankamamian’ny olona rehetra ny tempoly ary tsy ho voarembin’ilay fahadisoana nofaritan’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015), Filoha tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ireo. Tao anatin’ilay fanoharana nataony momba ny voahangy sy ny boaty dia nitantara izy fa nisy mpanao asa tanana nanamboatra boaty iray tsara tarehy hampisehoana voahangy lafo vidy iray. Rehefa tonga ny olona hijery ilay voahangy dia ilay boaty indray no nankafizin’izy ireo. (Jereo ny “The Cloven Tongues of Fire,” Liahona, July 2000, 7.)

Mazava ho azy fa ny voahangy lafo vidy ao anatin’ny tempoly dia ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary fitahiana nampanantenaina izay afaka ny ho azontsika ao amin’ny tempoly ihany. Araka ny ampianarin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny zavatra rehetra izay ianarana sy atao ao amin’ireo tempolin’ny andro farany dia manamafy ilay drafitra lehiben’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana, sy ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, ary ny anjara asany amin’ny maha Mpamonjy antsika Azy. Ireo fanekempihavanana voaray sy ireo ôrdônansy notanterahina ao amin’ny tempoly dia ilaina ho an’ny fanamasinana ny fontsika sy ho an’ny fisandratan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra amin’ny farany” (pejy 6).

Rehefa mamaky ny lahatsoratry ny Loholona Bednar ianao dia asainay mba hahatsiaro ireo fanekempihavanana nataonao tao amin’ny tempoly. Raha toa ka efa ela ianao no nandeha tany amin’ny tempoly dia manasa anao izahay mba hiverina ka hahatsapa indray ilay fifaliana sy fiadanana hita ao amin’ny tranon’ny Tompo. Raha mbola tsy tany amin’ny tempoly ianao dia manasa anao izahay mba hiomana ny ho “tafiana amin-kery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32).

Loholona Kevin R. Duncan

Ao amin’ny Fitopololahy

Tale mpanantanteraka ao amin’ny Departemantan’ny Tempoly

Hamoaka printy