2022
Mampitodika ny fontsika amin’ Andriamanitra ny soratra masina
Jolay/Aogositra 2022


“Mampitodika ny fontsika amin’ Andriamanitra ny soratra masina,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Avia, hanaraka Ahy

2 Mpanjaka 21–23

Mampitodika ny fontsika amin’ Andriamanitra ny soratra masina

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nilaza fa ny tantara momba ny mpanjaka Josia hita ao amin’ny 2 Mpanjaka 21–23, “dia anisan’ny tantara tsara indrindra ao amin’ny soratra masina” (ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022, 129).

Ny fomba nahitan’i Josia mpanjaka ny soratra masina

Sary
Nitarika ny vahoaka hanongana ny sampy i Josia mpanjaka

King Josiah Cleansing the Land of Idols, © Look and Learn / Bridgeman Images

Lasa mpanjakan’i Joda i Josia fony izy mbola valo taona monja. Nandova fanjakan’ny olona nino andriamani-diso izy, nefa te hanaraka ny Tompo. Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, dia nasainy noravana nanerana an’i Joda ny alitara sy ny sampin’ny andriamani-diso.

Sary
olona mamaky ny soratra masina.

Josiah, King of Judah, Restores the Worship of God in His Kingdom, by unknown artist, photo by Stefano Bianchetti / Bridgeman Images

Folo taona taty aoriana dia nangataka ny vahoakany izy mba hamerina amin’ny laoniny ny tempoly tao Jerosalema, izay nahitan’i Hilkia mpisorona avo ny soratra masina. Rehefa novakian’i Josia mpanjaka ilay boky, dia voataona hanaraka ny fampiaran’izany izy. Namory ny vahoakany izy avy eo ka namaky ilay boky tamin’izy ireo.

Nandritra fotoana ela dia nanamafy ny fony tamin’ Andriamanitra ny vahoaka. Saingy ny soratra masina dia nanampy tamin’ny fampitodihana ny fon’izy ireo hiverina amin’ Andriamanitra. Nampanantena ny vahoaka i Josia Mpanjaka fa handeha amin’ny fomban’ny Tompo sy hankatò ny didy izy.

Hamoaka printy