2022
Fahamarinana 5 momba an’i Estera
Jolay/Aogositra 2022


“Fahamarinana 5 momba an’i Estera,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Estera

Fahamarinana 5 momba an’i Estera

Sary
I Estera manatona ny mpanjaka

Esther Approaching the King, nataon’i Robert T. Barrett, tsy azo adika

1. Kamboty i Estera.

Jiosy i Estera ary maty ny ray aman-dreniny, i Mordekay havany no nitaiza azy, izay Jiosy ihany koa (jereo ny Estera 2:7).

2. Nipetraka tany Persa i Estera.

Nipetraka tany Sosana, any Persa (Iran ankehitriny) i Estera, 100 taona mahery taorian’ny nitondrana ny Jiosy ho babo tany Babylona.

3. Tsy maintsy nohazonin’i Estera ho tsiambaratelo ny maha Jiosy azy.

Noho ny fangatahan’i Mordekay, dia tsy nampahafantarin’i Estera tamin’iza na iza ny maha jiosy azy. Nohazoniny ho tsiambaratelo ny maha izy azy, na dia efa lasa mpanjaka aza izy. (Jereo ny Estera 2:10, 20.)

4. Nanao vivery ny ainy i Estera mba hamonjena ny vahoakany.

Tamin’ny andron’i Estera, dia matetika no natahorana hovonoina ny mpanjaka. Koa ho fiarovana ny mpanjaka dia natao araka ny fomba amam-panao fa tsy misy olona tokony hanatona ny mpanjaka raha tsy nahazo fanasana avy aminy. Izany no antony nahatonga an’i Estera nanao vivery ny ainy rehefa nankeo amin’ny mpanjaka izy mba hanasa azy ho an’ny amin’ny fanasana iray izay ahafahany manambara ny fikasan’i Hamana hamono ny Jiosy (jereo ny Estera 5; 7).

5. Nanam-pinoana an’ Andriamanitra i Estera.

Nangataka ny Jiosy rehetra tao Sosana i Estera mba hifady hanina nandritra ny telo andro mialoha ny nanatonany ny mpanjaka (jereo ny Estera 4:16). Noho ny risi-po nananan’i Estera sy ny fitahian’ny Tompo dia voatsimbina ny Jiosy.

Hamoaka printy