2022
Ireo karazana fanambarana ho an’ny tena manokana
Jolay/Aogositra 2022


“Ireo karazana fanambarana ho an’ny tena manokana,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Avia, hanaraka Ahy

1 Mpanjaka 17–19

Ireo karazana fanambarana ho an’ny tena manokana

Nijoro teo amin’ny tendrombohitra iray i Elia ary nahita ny rivotra namaky ny vatolampy, dia nahatsapa horohorontany izy, “ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy” (1 Mpanjaka 19:12). Indreto misy fomba telo amin’ireo fomba hitondran’izany feo mitsoka malemy izany fanambarana ho antsika.

Sary
tanana mampirehitra jiro

Indraindray dia mitondra hazavana eo no ho eo ny fanambarana ho an’ny tena manokana, tahaka ny mampirehitra jiro ao anaty efitra maizina.

Sary
olona mandeha ao anaty zavona

Indraindray dia hazavana ahafahantsika mandroso amin’ny dingana tsikelikely ihany no ananantsika.

Sary
lelhilahy mijery masoandro milentika

Indraindray ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia tonga tsikelikely, tahaka ny fiposahan’ny masonandro.1

Hamoaka printy