2022
Manàna risi-po ny hanampy
Jolay/Aogositra 2022


“Manàna risi-po ny hanampy,” Liahona, Jolay/Aogositra. 2022.

Fitsipika momba ny fanompoana

Manàna risi-po ny hanampy

Hampiasain’ Andriamanitra isika mba hanova zavatra raha toa ka resentsika ny tahotra.

Sary
lehilahy roa miresaka sy mitsiky

Amin’ny maha mpino antsika dia tena mila risi-po isika amin’izao fotoana izao, eny fa na dia amin’ny zavatra iainantsika rehefa manompo aza. Rakoto (novaina ny anarana) dia notendrena hanompo an’i Rabe, mpikambana izay tsy mbola namonjy ireo fivorian’ny paroasy mihitsy. Natahotra ny hanatona an-dRabe Rakoto satria tsy mbola nihaona taminy izy ary tsy mahafantatra ny tantarany. Saingy rehefa nahatsiaro ilay torohevitra ny “hitia sy hizara ary hanasa” Rakoto dia nivavaka mba hahazo fitarihana ka dia nanao izay hahatongavany ho mpinamana amin-kitsim-po tamin-dRabe aloha. Nandany fotoana izy hahafantarana an-dRabe, tamin’ny alalan’ny fitsidihana imbetsaka sy antso an-telefaonina ary fandehanana mivoaka misakafo indraindray. Nihanahafantatra tsara an-dRabe Rakoto, ary lasa nanana fatokiana ny finamanan’izy ireo Rabe. Rehefa nila fanampiana izy dia mandeha ho azy aminy ny manatona an-dRakoto izay mamaly am-pifaliana.

Indray andro dia nahatsapa ho voataona Rakoto hoe efa vonona angamba Rabe ny hoasaina hiverina any am-piangonana. Nandritra ny famangiana iray dia navoakany tamin’ny fomba tsy hafahafa ilay hevitra. Nijanona Rabe. “Tsy tany am-piangonana aho nandritra ny 17 taona,” hoy izy. “Saingy angamba ho any aho.” Rehefa tonga tao amin’ilay paroasy Rabe dia teo Rakoto nandray azy sy niara-nipetraka taminy. Feno fankasitrahana Rakoto fa afaka nandresy ilay tahony tany am-boalohany. Tamin’ny alalan’ireo ezaka ireo dia lasa mpinamana ireo lehilahy roa ireo, finamanana izay nitahy ny fiainany.

Tafio ny herim-po

Sary
I Estera eo anoloan’ny mpanjaka

Esther before the King (I Estera teo anoloan’ny Mpanjaka), nataon’i Minerva Teichert

Ny tantaran’i Estera ao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny Estera 1–10) dia mampianatra fitsipika maro saingy tantara momba ny risi-po angamba no tena ahafantarana azy. I Estera dia vehivavy Jiosy tanora rehefa voafidy ho mpanjakavavy ary naneho risi-po lehibe izy rehefa nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanavotana ny vahoakany.

Tamin’ny alalan’ny fitaka dia voataona hamoaka didy ny mpanjaka fa tokony hovonoina ny Jiosy rehetra tao amin’ilay fanjakana. Nieritreritra drafitra iray i Estera izay nitaky finoana lehibe sy mety ho hany fahafahana hampiova hevitra ny mpanjaka.

Araka ny fomban-drazan’ny kolontsainy, ny fanatonana ny mpanjaka nefa tsy nasaina dia mety hiafara amin’ny fanamelohana ho faty. Saingy nandroso tamim-pahasahiana izy niaraka tamin’ilay drafiny ary nangataka ny vahoakany mba hiaraka hifady hanina aminy (jereo ny Estera 4:16). Tamin’ny alalan’ny zavatra nataony feno risi-po sy ny zavatra nataon’ny hafa, dia afaka nandresy lahatra ny mpanjaka izy mba hanova ilay didiny. Novaliana ny vavaka nataon’i Estera sy ny vahoakany.

Azontsika raisina ho ohatry ny risi-po i Estera, na dia amin’ny fanompoana aza, rehefa ialantsika ny tahotsika mba hahafantarana olona sy hanampy azy ireo amin’ny olan’izy ireo.

Fitsipika hodinihana

Inona no azontsika atao rehefa hitantsika ho ivelan’ny toerana mampahazo aina antsika isika?

  • Nivavaka mba hahazo ny fitarihan’ Andriamanitra Rakoto. Miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra dia afaka mandresy ny tahotra isika (jereo ny Salamo 34:4).

  • Afaka mivavaka ihany koa isika mba hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo ny hafa. “Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra” (1 Jaona 4:18).

  • Tahaka an’i Estera dia afaka mampiasa ny fifadian-kanina sy ny vavaka isika hampaherezana ny finoantsika hanao zavatra (jereo ny Estera 4:3).

  • Afaka matoky isika fa hahazoana hery ny fitandremana ny fanekempihavanantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:9). Ny fiainana ny fanekempihavanantsika dia mahatonga antsika handray ny fanampiany.

  • Afaka mampatanjaka ny finoantsika isika amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy fandraisana ireo fampanantenan’ny Tompo ao am-pontsika. Diniho ireo fampanantenana ato amin’ireto andininy ireo: Deoteronomia 31:6; Isaia 41:10; 2 Timoty 1:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33.

Inona no azontsika atao?

Manàna risi-po ny hanampy. Na dia hahafantarana olona na hanasana azy ireo hanao zavatra izay hitahy ny fiainany izany, dia hanampy anao Andriamanitra.

Hamoaka printy