2022
Misiônera mpanompo: Manorina ny fanjakana amin’ny alalan’ny asa fanompoana sy ny fitiavana
Jolay/Aogositra 2022


“Misiônera mpanompo: Manorina ny fanjakana amin’ny alalan’ny asa fanompoana sy ny fitiavana,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Tanora

Misiônera mpanompo: Manorina ny fanjakana amin’ny alalan’ny asa fanompoana sy ny fitiavana

Nanontany tena aho raha toa ka ny fanompona amin’ny misiôna misahana asa fanompoana ka tsy nidika hoe “tsy tena tsara” aho.

Sary
tanora vavy manao hosodoko

Raha nanotany ahy voalohany ny filohan’ny tsatòkako raha toa ka vonona ny hanompo amin’ny misiôna misahana asa fanompoana aho dia “Eny!” no tao an-tsaiko voalohany.

Natoky aho fa nanana asa hampanaovina ahy ny Tompo, ary nino aho fa na inona na inona tiany hampanaovina ahy dia hitondra fivoarana sy fifaliana ho ahy satria tia ahy Izy ary maniry izay tsara indrindra ho ahy.

Ny tao an-tsaiko faharoa dia hoe: “Inona izany misiôna misahana asa fanompoana?”

Nohazavain’ny filohan’ny tsatòkako ny atao hoe misiôna misahana asa fanompoana raha nihaona tao amin’ny biraony izahay tamin’izay alahady izay, saingy tsy takatro tsara izany na ny maha zava-dehibe izany raha tsy taty aoriana be. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanontany tena mihitsy aho raha toa io antso io ka tsy nidika hoe nisy zavatra tsy nety tamiko, satria tsy mbola hitako ny tanjona lehibe ao ambadiky ny misiôna misahana asa fanompoana.

Nilaina ve aho?

Tokony ho iray volana talohan’ny tena nanombohan’ny misiônako aho no naharay ny antsoko mba hanompo. Nidika izany fa nihaona tamin’ireo mpitarika ny misiônako misahana asa fanompoana aho, nanatrika fivoriamben’ny misiôna misahana asa fanompoana tao amin’ny faritra misy ahy, ary nangatahina mihitsy hitarika fandalinan’ny mpiara-manompo ho ana rahavavy anankiroa tao amin’ny faritra misy ahy talohan’ny nanokanana ahy.

Nampiasaiko ny iray volana teo anelanelan’ny nahazoako ny antsoko sy ny nanomezako lahateny farany mialoha ny nandehanako (na dia tsy nandeha taiza na taiza aza aho) mba hianarana momba ireo misiôna misahana asa fanompoana sy ireo misiônera manao asa fanompoana nanodidina ahy.

Tao amin’ilay fivoriamben’ny misiôna misahana asa fanompoana natrehako dia nahafantatra aho misiônera manao asa fanompoana maro, rehefa nantsoina tamin’ny voalohany, no mahatsapa ho tsy tena tsara ka hanompo amin’ny misiôna mivoaka manao asa fitoriana. Tsaroako tamin-kenatra ny fihetsiko voalohany tamin’ny antsoko.

Tsapako nony farany fa tsy nantsoina ho ao amina misiôna misahana asa fanompoana aho noho ny tsy fahaizako fa satria izany no fitarihan’ny Ray any An-danitra ho ahy. Tsy “ambany noho” ireo misiônera mivoaka manao asa fitoriana aho, fa nila ahy Izy mba hanampy amin’ny fanorenana ny fanjakany amin’ny alalan’ny fomba fanompoana hafa. Nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka aho fa zava-dehibe avokoa ny misiôna rehetra amin’ny Ray any An-danitra ary zava-dehibe amin’ny asany, satria ny misiônera rehetra dia maniry ny hanompo Azy sy hanompo ireo zanany.

Rehefa nahafantatra ireo misiônera manao asa fanompoana hafa tao amin’ny faritra misy ahy aho, sy nihaona tamin’izy ireo, ary nahare ny tantaran’izy ireo, dia fantatro fa mpanompon’ny Tompo tena mahafinaritra sy marin-toetra izy ireo. Nahatsapa aho fa na dia nahatsapa ho nalahelo kely aza ny sasany taminay tany am-piandohan’ny asa fanompoanay dia samy tonga tamin’ny tsoan-kevitra iray mitovy izahay: tian’ny Tompo ireo misiônera manao asa fanompoana ary tena amin’ny toerana tiany hisy anay izahay, mianatra sy mivoatra sady manompo Azy ho ny tanany eto an-tany.

Ny fomba hanorenan’ireo misiônera manao asa fanompoana an’i Ziona

Samy tena manan-danja amin’ny fahafahana entiny manompo ny misiônera. Mila misiônera izay miala ny fianakaviany sy ny tranony izahay mandritra ny roa taona mba hampianatra sy hitory ny filazantsara amin’izao tontolo izao. Saingy mila manorina fiarahamonin’i Ziona ihany koa isika izay feno fitiavana ny hafa sy faniriana hanompo sy hampitraka ny kely indrindra eo anivon’izy ireo. Izany no ataon’ny misiônera manao asa fanompoana. Manorina an’i Ziona izahay amin’ny famoronana kolontsain’ny fitiavana sy fanompoana. Izany dia mamorona fiarahamonina sariaka sy anjakan’ny fahamarinana ary mampatanjaka ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (ireo mpikambana hatrizay, ireo niova fo, ny rehetra).

Ny misiôna nisahanako asa fanompoana tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana dia nanampy ahy hahita fa tena voatahy tokoa aho. Afaka nampiasa ny zavatra nianarako momba ireo fitsapana ahy aho nandritra ny fiainako mba hanampiana sy hampaherezana ny hafa izay mijaly. Niezaka nizara ny zavatra niainako tamin’ny hafa aho ary namporisika ny hafa hizara ny tantarany ny fanaovana izany. Manan-danja avokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ny misiôna nisahanako asa fanompoana dia nanampy ahy hamela ny fahasoavana ho azy ireo ary nahatonga ahy ho tia azy ireo amin’ny maha izy azy ireo eo am-piezahanay manatona miaraka an’i Kristy.

Ny misiônera manao asa fanompoana dia mandany ny fotoany sy ny tanjany hanorenana an’i Ziona amin’ny fomba samihafa nefa manan-danja. Ny sasany dia manampy amin’ny fanompoana ara-batana any amin’ireo toerana toy ny Welfare Square (Foiben’ny fifanampiana) na trano fitahirizana sakafo eo an-toerana. Misy ireo misiônera manao asa fanompoana izay manatsara ny tokontanin’ny tempoly sy manompo amin’ny fanaovana ôrdônansy any amin’ny tempoly. Ny sasany manampy amin’ny fizarana sakafo ho an’ireo ankizy izay tsy manana rehefa tsy mianatra ary manompo azy ireo amin’ny fampaherezana azy ireo. Ny sasany manampy amin’ny fanaparitahana ny filazantsara sy mampatanjaka ireo mpikambana efa manana izany. Misy mihitsy aza ny misiônera manampy amin’ny fikojakojana ireo fiaran’ny mpiasan’ny Fiangonana isan-karazany.

Sary
lehilahy mikarakara fiara

Manompo amin’ny fomba hafa ihany koa ireo misiônera manao asa fanompoana toy ny fanaovana famantarana ho an’ny eveka ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana, ny fiaraha-miasa amin’ny trano filalaovana sarimihetsika an’ny Fiangonana, ary ny fanadiovana zavatra maro dia maro mba hiarovana ny tsirairay amin’ny COVID-19. Na inona na inona andraikitra isan-karazany azonay dia manampy amin’ny fanorenana an’i Ziona izahay amin’ny alalan’ny fambolena tontolon’ny fitiavana sy fanompoana tsy misy fitiavan-tena

Izahay misiônera rehetra dia mandray anjara amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, mampianatra lesona, manatrika ireo lesona sy filankevitry ny distrika, ary mifankahery sy mifanohana ary manao izany ho an’ireo rehetra manodidina anay, na ao anatin’ny andraikitray izany na tsia.

Iray amin’ireo zavatra ataoko tena manan-danja indrindra dia tsy mifandray loatra amin’ny andraikitra ôfisialy nanendrena ahy amin’ny votoatin-javatra avoaka ho an’ny tanora ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana fa mifandray kokoa amin’ny fanompoana ireo misiônera hafa ao amin’ny vondrona misy ahy ao amin’ny fitobiana ao Temple Square. Nanompo aho mba hakana antoka fa mahatsapa ho hita sy misy mihaino izy ireo sy mba ho fantatr’izy ireo fa miraharaha azy ireo aho sy tsy voailikilika izy ireo.

Tsy izany ve no ataon’ny misiônera rehetra? Moa ve tsy mankahery ny rehetra ny misiônera rehetra manerana izao tontolo izao fa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia misy toerana iray manan-danja sy manokana ho an’ny zanany rehetra? Ireo misiônera mivoaka mitory ny filazantsara dia manampy amin’ny fampianarana izao tontolo izao fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia eto an-tany, ary ny misiônera manao asa fanompoana dia manampy ny hafa hahita hoe tokony ho toy ny ahoana izany fanjakana izany eo am-piomanantsika amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindorany, toerana izay itodihan’ny fontsika amin’ny hafa, toerana izay hanompoantsika tsy misy fisalasalana, ary toerana izay hanampiantsika ny olona hahafantatra fa tsy voailikilika izy ireo.

Manompo tahaka ny hataon’ny Mpamonjy, manolo-tanana ilay anankiray

Na manao ahoana na manao ahoana hanompoantsika ary na aiza na aiza hanompoantsika, dia misy zavatra iray ataon’ny misiônera rehetra, dia ny manompo tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy, manompo ilay iray.

Ambonin’ny fanatanterahana ny andraikitra nanendrena antsika, “ny tanjontsika dia ny hanampy ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny fanompoana azy ireo tahaka ny hataon’ny Mpamonjy. Manompo an-tsitrapo izahay ao anatina fikambanana manao asa soa, amin’ny andraikitra ao amin’ny Fiangonana, ary eo anivon’ny fiarahamonina. Hanompo ilay iray amin’ny anarany isika, tahaka ny nataony, sady maneho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”1

Izahay misiônera manao asa fanompoana dia mankamamy ny teny ao amin’ny tanjonay satria fantatray fa manompo anay tsirairay ny Mpamonjy ary nahatsapa ny hatsaram-panahiny feno fitiavana izahay. Nahatsapa ilay hatsaram-panahy feno fitiavan’ny Mpamonjy aho nandritra ny misiônako ary lasa nahafantatra Azy kokoa, rehefa nohamaivanina ireo fisedrako, rehefa nohamafisina ny fijoroana ho vavolombelona ananako, ary rehefa nitia sy nankahery ireo misiônera nanodidina ahy aho.

Ny misiônera manao asa fanompoana dia mikatsaka ny hizara ny hatsaram-panahy feno fitiavan’i Kristy amin’ny olona rehetra manodidina azy ireo, ary manokana ny fiainanay amin’ny fanaovana izany izahay mandritra ny faharetan’ny fotoana hitorianay, ary mandritra ny fiainanay manontolo.

Fanamarihana

  1. Fenitra momba nys asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—Misiôna misahana asa fanompoana (2021), fonony ivelany ao anatiny, ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy