2022
Ôrdônansin’ny tempoly: Fiomanana ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra
Jolay/Aogositra 2022


“Ôrdônansin’ny tempoly: Fiomanana ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Ôrdônansin’ny tempoly: Fiomanana ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra

Manasa anao aho mba hazoto hianatra sy hankasitraka ny lanja mandrakizain’ireo fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly, ireo ôrdônansin’ny tempoly, ary ny fitsaohana atao any amin’ny tempoly rehefa miezaka manatona an’i Kristy ianao.

Sary
Varavarana misokatry ny tempolin’i Mesa Arizona

Sarin’ny varavarana misokatry ny tempolin’i Mesa Arizona nalain’i Leslie Nilsson

Ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39)—dia ny hanomana antsika hiaina “amin’ny fomba ambony sy masina kokoa”1 mba hahafahantsika miverina eo anatrehany.

Tao anatin’ny famindrampony tsy manam-petra sy mandrakizay dia nanasa tsy tapaka ireo zanany ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly, mba hiomana amin’ny fiaviany sy ho lasa vahoakan’i Ziona, vonona ny hakarina mba hihaona Aminy (jereo ny Almà 12:24; 34:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:45; 65:5; 88:96–97). Ary ivon’izany fiomanana izany foana ny fianarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, fampiharana finoana Azy, fibebahana, ary ny fandraisana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina.

Ireo ohatra ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny fanasan’ Andriamanitra ireo zanany mba hiomana hiaina lalàna ambony kokoa sy handray ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny famonjena dia azo isintonana lesona ho antsika ankehitriny.

Ao amin’ny Eksodosy Andriamanitra dia namporisika an’i Isiraely mba ho “rakitra soa” sy hanamasina ny tenany ho fiomanana amin’ny fihaonana Aminy (jereo ny Eksodosy 19:4–6, 10–11, 17). Nomen’i Jehovah “vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy” (Eksodosy 24:12) Isiraely, ary nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra izy ireo nanao hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay” (Eksodosy 19:8; jereo koa ny 24:3). Nampanantena ny Tompo fa rehefa mankatò ny fanekempihavanana nataony izy ireo dia hitoetra eo anivon’izy ireo Izy (jereo ny Eksodosy 29:45–46). Rehefa nahita ny “voninahitr’i Jehovah” (Eksodosy 24:16) anefa Isiraely teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia natahotra izy ireo, nijanona teny lavitra teny, ary nikomy tamin’ Andriamanitra tamin’ny farany (jereo ny Eksodosy 20:18–21; 32:1–6).

Ohatra iray faharoa ao amin’ny Testamenta Taloha ny momba an’i Solomona Mpanjaka nanorina trano ho an’ny Tompo (jereo ny 1 Mpanjaka 6:11–13). Ny fiaran’ny fanekena sy ireo fanaka masina hafa dia napetraka tao amin’ny “fitoerana masina indrindra” (1 Mpanjaka 8:6), ary “voninahitr’i Jehovah nameno ny tranon’i Jehovah” (1 Mpanjaka 8:11). Nanolotra vavaka fanokanana i Solomona ary nangataka fitahiana ara-nofo sy ara-panahy mba ho eo amin’ Isiraely mibebaka sy mivavaka. Ren’ny Tompo ny vavaka fitalahoana nataon’izy ireo ary nampanantena fitahiana lehibe an’ Isiraely Izy raha toa ka mankatò izy ireo. Na dia teo aza izany dia nanadino an’i Jehovah i Isiraely ary nanompo andriamanitra diso. (Jereo ny 1 Mpanjaka 9–11.)

Ireo mpaminany hafa ao amin’ny Testamenta Taloha dia nikatsaka tamim-pahazotoana ny hampianatra sy hanamasina an’ Isiraely mba “hahazoan’izy ireo mahita ny tavan’ Andriamanitra; nefa nohamafisin’izy ireo ny fony ka tsy tantin’izy ireo ny fanatrehana Azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:23–24).

Niverimberina foana ireo zanak’ Isiraely no tsy nino, na natahotra, na tsy te hiova; naniry lalana mora kokoa, nametraka ny fony tamin’ny zavatr’izao tontolo izao, na ninia nikomy tamin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny. Isaky ny niala an’ Andriamanitra Isiraely sy nanadino ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy nataony, dia “nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezeran’[ny Tompo]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24), ary tsy afaka nandray ny fahafenoan’ny voninahiny izy ireo.

Ny tanjona masin’ny fanangonana

Ny ezaka ataon’ny Tompo hanangonana ny vahoakany sy hitahy azy ireo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônasin’ny tempoly dia tantaraina ihany koa ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna. Nitalaho ny Tompo hoe: “Impiry Aho no ta hanangona anareo miaraka tahaka ny reniakoho manangona ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo!” (Matio 23:37; jereo koa ny 3 Nefia 10:4–6).

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava hoe: “Inona no tanjon’ny famoriana … ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taona rehetra manerana izao tontolo izao? Ny hanangana trano ho an’ny Tompo izay ahafahany manambara amin’ny vahoakany ireo ôrdônansy atao ao amin’ny tranony sy ireo voninahitry ny fanjakany, ary ny hampianatra amin’ny vahoaka ny lalana mankany amin’ny famonjena no tanjona fototra … mba hahazoan’izy ireo fanambarana avy any an-danitra, sy hatao tonga lafatra amin’ireo zavatry ny fanjakan’ Andriamanitra, saingy tsy hanao izany izy ireo.”2

Sitraky ny Tompo ny hanangona ireo zanany amin’izao fotoampitantanana izao ary efa nambarany “ireo zavatra izay efa nafenina hatry ny talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, … ny zava-drehetra mikasika izany trano izany sy ny fisoronany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:41–42). Mamporisika antsika rehetra Izy mba hiomana ny hiverina eo anatrehany, izay azo tanterahina noho ny Sorompanavotany: “Indro, izao no sitrapoko: izay rehetra miantso ny anarako ary mitsaoka Ahy araka ny filazantsarako maharitra mandrakizay dia tokony hiaraka hivondrona sy hijoro eo amin’ireo toerana masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101: 22).

Nahoana no manan-danja aok’izany ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Ny tempoly no toerana masina indrindra amin’ny toerana fitsaohana rehetra eto an-tany. Ny zavatra rehetra izay ianarana sy atao ao amin’ireo tempolin’ny andro farany dia manamafy ilay drafitra lehiben’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana, sy ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, ary ny anjara asany amin’ny maha Mpamonjy antsika Azy. Ireo fanekempihavanana voaray sy ireo ôrdônansy notanterahina ao amin’ny tempoly dia ilaina ho an’ny fanamasinana ny fontsika sy ho an’ny fisandratan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra amin’ny farany.

“Ary ity fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra.

“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.

“Ary raha tsy misy ny ôrdônansiny sy ny fahefan’ny fisoronana, dia tsy miharihary amin’ny olona ao amin’ny nofo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–21).

Ireo ôrdônansy masina izay noraisina tamim-pahamendrehana sy tsaroana tsy tapaka dia manokatra ilay fantsona any an-danitra, ka amin’ny alalan’izany no ahafahan’ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra mitosaka eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana masina, dia miray zioga amin’ny Mpamonjy isika (jereo ny Matio 11:28–30)3 ary afaka mahazo tanjaka mihoatra izay ananantsika mba handresena ny fakam-panahy sy ny olana eto amin’ny fiainana an-tany eo am-piomanantsika ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Ireo fitahian’ny fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Antsipiriany avy amin’ny I Kristy sy ilay ankizikely, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Roa amin’ireo fitahiana manan-danja azo avy amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly ny fifaliana sy ny hery tsy mitsaha-mitombo.

Ny Mpamonjy irery ihany no loharano faratampon’ny fifaliana maharitra. Ny tena fifaliana dia avy amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, ny fandraisana am-pahamendrehana sy ny fanajana amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy, ary ny fiezahana ny ho lasa niova fo lalina amin’ny Mpamonjy sy ny tanjony.

I Almà dia nampianatra ny zanany fa misy fahamasinana sy hafaliana lehibe kokoa isika eo amin’ny fiainantsika rehefa voadio sy nohamasinina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana ary ny fitandremana ireo fanekempihavanana ihany no ahafahantsika mandray ilay fifaliana maharitra izay tiantsika rehetra hiainana sy hazonina.4

Mariho azafady izao fampanantenana fifaliana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson izao: “Manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny andaniny roa amin’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay.”5

Amin’izao androntsika izao izay isian’ny herin’ny maizina “ka maloka ny [fiainana],”6 dia manana ny hery fiarovana isika tsirairay ao anatiny sy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32; 43:16; 76:39–42; 105:11–12, 33; 138:12–15). Nahita fahitana i Nefia ka “nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra fa izany dia nidina … tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, … ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” (1 Nefia 14:14).

Tao amin’ilay vavaka fitokanana ny tempolin’i Kirtland ny Mpaminany Joseph Smith dia nitalaho tamin’ny Ray “mba hahazoan’ireo mpanomponao mivoaka avy amin’ity tranonao ity, mitondra ny herinao ho fiadiana” sy “mba tsy hisy tsikombakomban’ny faharatsiana hanan-kery hitsangana ao amin’ity trano ity” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22, 26).

Sary
Tempolin’i Kirtland

A Glorious Light—Kirtland Temple, nataon’i Glen S. Hopkinson, tsy azo adika

Tokony hiezaka hianatra sy hahatakatra bebe kokoa ny hery fiarovan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy misy ao amin’ny tranon’ny Tompo isika tsirairay—mba hahafahantsika “hitsangana eo amin’ny toerana masina … ary tsy hoesorina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32) amin’ny maha mpianatra antsika ary “hanohitra amin’ny andro mahory” (Efesiana 6:13).

Fanasana sy fijoroana ho vavolombelona

Manasa anao mba hazoto hianatra sy hankasitraka ny lanja mandrakizain’ireo fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly, ireo ôrdônansin’ny tempoly, ary ny fitsaohana atao any amin’ny tempoly rehefa miezaka manatona an’i Kristy ianao ary handray ireo fitahiana azo avy amin’ny Sorompanavotana. Ary mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa velona Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany ary ny fanirian’ Izy Ireo lehibe indrindra dia ny hiverenantsika eo anatrehan’ Izy Ireo sy handray ny voninahiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:16; 101:38).

Hamoaka printy