2022
Soratra masina: Tenin’ Andriamanitra
Jolay/Aogositra 2022


“Soratra masina: Tenin’ Andriamanitra,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Ireo fototry ny filazantsara

Soratra masina: Tenin’ Andriamanitra

Sary
mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha manoratra

Old Testament Prophet, nataon’i Judith A. Mehr

Ny soratra masina dia boky masina izay amin’ny ankapobeny nosoratana mpaminany. Ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany. Ireo soratra masina ôfisialin’ny Fiangonana dia ny Baiboly (izay ahitana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao), ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy.

Testamenta Taloha

Ny Testamenta Taloha dia rakitsoratra mitahiry ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanana tamin’ny andro fahiny. Ahitana ny fampianaran’ireo mpaminany toa an’i Mosesy, i Josoa, Isaia, i Jeremia, ary i Daniela izany. Na dia nosoratra an’arivo taonany maro talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy aza izany, dia mpaminany maro ao amin’ny Testamenta Taloha no nanoratra momba Azy.

Testamenta Vaovao

Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ny asa fanompoany teto an-tany, ny fampianarany ary ny Sorompanavotany. Ahitana ny fampianaran’ireo Apôstôlin’i Kristy sy ireo mpianatra hafa ihany koa izany. Ny Testamenta Vaovao dia manampy antsika hahatakatra ny fomba fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ankehitriny.

Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Ny Bokin’i Môrmôna dia rakitsoratry ny mponina sasany izay nipetraka tao Amerika fahizay. Ahitana fampianarana avy amina mpaminany izany ary ny tanjona fototr’izany dia ny handresy lahatra ny olona fa i Jesoa no Kristy. Ny Mpaminany Joseph Smith no nandika izany avy tamin’ireo takela-bolamena tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitrra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana fanambarana nomena an’i Joseph Smith sy ireo mpaminany hafan’ny andro farany. Ireo fanambarana dia manoritra ny fomba firafitry ny Fiangonan’i Kristy. Ahitana fampianrana manan-danjan’ny filazantsara ihany koa izany momba ny fisoronana, ireo ôrdônansin’ny filazantsara, ary ny zavatra mitranga aorian’ity fiainana ity.

Voahangy Lafo Vidy

Ny Voahangy Lafo Vidy dia ahitana ny bokin’i Môsesy sy Abrahama, ny tenivavolombelon’i Joseph Smith, ary ny Fanekempinoan’ny Fiangonana. Ahitana ihany koa ny Joseph Smith–Matio izany, ampahany amin’ny dikantenin’i Joseph Smith ny Testamenta Vaovao.

Fandalinana ny soratra masina

Nampianatra antsika ny mpaminany mba handalina isan’andro ny soratra masina. Ny fanaovana izany dia manampy antsika hampitobo ny finoantsika sy hanakaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ombam-bavaka ny soratra masina isika, dia hanampy antsika ny Fanahy Masina hahita ny valin’ireo fanontaniantsika.

Ireo mpaminany ankehitriny

Rehefa miresaka amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany sy apôstôly ankehitriny dia toy ny soratra masina ny tenin’izy ireo. Ohatra iray amin’izany ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Afaka mandalina ireo fampianarana avy amin’ny fihaonambe isika ao amin’ny laharan’ny Liahona volana mey sy nôvambra.

Hamoaka printy