2022
Nitana ny fampanantenany ny Tompo
Jolay/Aogositra 2022


“Nitana ny fampanantenany ny Tompo,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nitana ny fampanantenany ny Tompo

Ho ahy sy ny fianakaviako dia tonga taorian’ny fankatoavako ireo fitahian’ny Tompo.

Sary
menaka mitete ao anaty vilia baolina

Roa volana taorian’ny niantsoana ahy ho mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòkanay dia very asa aho. Natahotra ny amin’ny hamelomako ny vadiko sy ny zanako roa aho.

Raha teo am-pitadiavana asa aho dia nanolo-tena tamin’ny antsoko, izay nanome fahafahana maro mba hanompo ireo rahalahiko sy anabaviko. Eny tokoa, sahirana mafy tamin’ny antsoko aho ka nanontany tena ny vadiko raha toa ka misy olona hafa ao amin’ny tsatòka afaka manao ny sasany amin’ireo andraikitro.

Indray alina avy orana, taloha kelin’ny hanaovanay takarivan’ny mpianakavy dia naneno ny telefaonina. Nisy rahalahy narary mafy tao amin’ny tsatòka nila tsodrano, dia nangatahina aho handeha hijery azy. Avy hatrany dia nanao fandaminana aho mba hanana namana iray hiaraka amiko.

Rehefa tonga izahay dia fantatro avy hatrany ilay rahalahy ary feno fankasitrahana aho noho ilay antso an-telefaonina. Andro vitsy talohan’io dia natao dinika sy tafa izy ho amin’ny antso iray ao amin’ny tsatòka. Rehefa avy nanosotra menaka sy nanome tsodrano azy izahay dia nolazainay izy fa mbola hiverina izahay hizaha azy.

Tara sy lena aho nony tonga tany an-trano saingy mbola nanana fotoana fohy nanaovana ny takarivan’ny mpianakavy izahay. Nanapa-kevitra ny hijery horonan-tsary momba an’i Elia sy ilay mpitondratena tany Zarefata izahay.

Raha teo am-panomanana hanina farany ho azy sy ny zanany ilay mpitondratena, dia hoy Elia taminy: “Anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.” Noho ny fankatoavany dia “tsy lany … ny koba [tao] amin’ny barika, ary tsy… ritra ny diloilo [tao] amin’ny tavoara mandra-pihavin’ny andro handatsahan’i Jehovah ranonorana [tamin]’ny tany.” (1 Mpanjaka 17:13–14).

Nanohina ny foko ilay tenin’i Elia manao hoe: “Anaovy … kely ihany aho aloha.” Latsa-dranomaso aho nilaza tamin’ny vadiko hoe: “Izay ilay izy! Tsy maintsy ataontsika aloha izay rehetra andidian’ny Tompo, avy eo dia ho tonga ny fitahiana.”

Tahaka ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Elia tamin’ilay vehivavy mpitondratena dia “tsy lany” ny sakafo sy ny menaka tao aminao na dia tsy nanana asa aza aho. Fantatry ny Tompo ny fahasarotana ara-bola niainanay, ary nitahy anay Izy. Ny ampitso marainan’ilay takarivan’ny mpianakavy dia notolorana asa aho.

Fantatro fa mitandrina ny fampanantenany ny Tompo. Noho io zavatra niainako io dia lehibe ny finoako, tahaka ny fankasitrahako Azy.

Hamoaka printy