2022
Tsy irery ianao
Jolay/Aogositra 2022


“Tsy irery ianao,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Avia, hanaraka Ahy

2 Mpanjaka 6

Tsy irery ianao

Moa ve efa nahatsapa ho irery ianao na natahotra izay hitranga? Nahatsapa izany koa ny mpanompon’i Elisa mpaminany rehefa nahita ny soavaly sy kalesin’ny tafika Syriana nanodidina an’i Dotana, tanàna niavian’i Elisa.

Sary
miaramila manondro zana-tsipìka amin’ny rindrina

Sary nataon’i Denis Freitas

Raiki-tahotra ilay mpanompo ka nihiaka tamin’i Elisa hoe: “Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?” (2 Mpanjaka 6:15).

Sary
kalesy afo

Tamim-pinoana i Elisa no namaly hoe: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy” (andininy 16). Rehefa avy nivavaka tamin’ny Tompo Elisa mba hampahiratra ny mason’ny mpanompony dia nahita “soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa” ilay mpanompo (andininy 17).

“Tahaka ilay mpanompo dia mety hisy ny fotoana izay hahatsapanao ny tenanao ho sahirana mitady ny fomba hiasan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, fotoana izay hahatsapanao fa ianao dia tsy afa-mihetsika, ary ireo fitsapan’ny fiainana an-tany dia mitarika anao hanetry tena. Miandrasa ary matokia an’ Andriamanitra sy ny fotoany satria afaka matoky ny fony amin’ny fonao manontolo ianao. … Ianareo koa dia afaka mivavaka mba hanokafan’ny Tompo ny masonareo hahita ireo zavatra izay tsy hitanareo tsara” (Michelle D. Craig, “Maso hahita,” Liahona, nôv. 2020, 15).

Mety tsy ho hitantsika izy ireo, saingy hanodidina antsika ny Tompo sy ny tafik’anjeliny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88). “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” (Romana 8:31).

Hamoaka printy