2022
Omban’ny fitarihan’ny Tompo
Jolay/Aogositra 2022


“Omban’ny fitarihan’ny Tompo,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Omban’ny fitarihan’ny Tompo

Tao anatin’ny fahoriana dia nianatra aho fa afaka manao zavatra sarotra.

Sary
mpitsabo mpanampy manampy marary

Sary nataon’i Stephanie Hock

Amin’ny maha mpitsabo mpanampy mpanorana ahy tao amin’ny US Navy Reserve nandritra ny valanaretina COVID-19 dia nampandrenesina ahy ary notendrena ho any amin’ny hôpitaly vonjimaika tao amin’ny Jacob K. Javits Convention Center tao New York City, nandritra ny firongatry ny COVID-19 tao amin’ilay tanana mba hikarakara ireo marary.

Raha nanomboka ilay andraikitro aho dia maro ireo olana nameno ny saiko. Nanahy manokana ny amin’ny fikarakarana ny marary sy ny fiadiana amin’ity valanaretina mampalemy ity aho.

Nahatsapa ho toa an’i Nefia aho, “notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko” (1 Nefia 4:6). Nanampy ahy hatoky ny Ray any An-danitra izany eritreritra izany sy hivavaka matetika mba hahenoako ny feony, sy hanaraka ny toromarika omeny, ary hanolotra ny fikarakarana tsara indrindray an’ireo marariko.

Nandritra ny alina voalohany nanolorako fikarakarana dia nisy marary iray efa tena natahorana nampidirina. Raha nanomboka nanombatombana ny toe-pahasalamany izaho sy ireo mpiara-miasa tamiko dia hitako avy hatrany fa tsy afaka miresaka raha tsy tamin’ny teny espaniôla izy. Izaho irery no nahay niteny espaniôla tao, avy amin’ny fianarana izany nandritra ny fitoriako ny filazantsara tany Venezuela.

Raha nanomboka niresaka tamin’ilay marary aho dia nanontany izy raha hilamina ny zavatra rehetra. Nanome toky azy aho, nilaza taminy fa mahazo ny fikarakarana tsara indrindra izy. Nahatsapa fahatokisana sy fiononana teny amin’ny masony aho. Nandritra izany alina izany manontolo dia nitsidika imbetsaka teo amin’ny fandriany aho manao tombana sy manome vaovao. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia nihatsara ny toe-pahasalamany ary navoaka izy.

Nandritra ny fanendrena ahy dia nihaona tamin’ny marary maro aho izay niteny tamin’ny fiteny espaniôla ny ankamaroany. Ny fahafahako niresaka tamin’izy ireo dia nanome fanamaivanana sy fanomezan-toky ho azy ireo nandritra ny fahasitranany. 

Rehefa mandinika io zavatra niainako tamin’ fikatsahana ny fitarihan’ Andriamanitra mba hanome ny fikarakarana tsara indrindra ho an’ny marariko io aho dia tsaroako ny torohevitry ny Loholona Brook P. Hales ao amin’ny Fitopololahy. Nilaza izy fa ny Ray any An-danitra dia mirotsaka an-tsehatra “amin’ireo antsipirian-javatra eo amin’ny fiainantsika” ary “ho mendrika ny hahazo loharanon’ny fitarihan’ Andriamanitra tsy tapaka amin’ny alalan’ny fitaomana sy ny fanentanan’ny Fanahy Masina”2 isika.

Nanjary takatro tsara fa ny fahaizako miteny espaniôla dia sarobidy toy ny fahalalako ara-pitsaboana. Raha nikarakara ny hafa aho dia nahazo fomba fijery mazava ihany koa fa ao anatin’ny fahoriana sy miaraka amin’ny fitarihan’ny Tompo dia afaka manao zavatra sarotra aho.

Hamoaka printy