2022
Fitaovana eo an-tanan’ny Tompo
Jolay/Aogositra 2022


“Fitaovana eo an-tanan’ny Tompo,” Liahona, Jolay/Aogositra 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Estera

Fitaovana eo an-tanan’ny Tompo

Raha manaraka ny Fanahy isika ary manana fo vonona dia hitarika antsika hanao izay ilainy hataontsika ny Tompo.

Sary
Estera

Sary nataon’i Dilleen Marsh

Tena tsotra be ny hoe fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo. Mila vonona fotsiny isika ny hamela ny Fanahy hitarika antsika ary manana ny risi-po hanaraka ireo bitsika omeny. Izany no nitranga rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ireo rafozako tamin’ny 1968. Misiônera tanora izay naniry ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo no nanampy tamin’ny fitondrana ny fianakaviany ho ato amin’ny Fiangonana.

Indray mandeha ireo rafozako no nihaona tamin’ireo misiônera, saingy taorian’izay dia tsy naniry ny hanohy ny rafozandahiko. Avy eo dia nafindra tao amin’ilay faritra ny misiônera vaovao, Elder Fetzer, ary io misiônera tanora io niaraka tamin’ny namany dia nahatsapa ho votaona hamangy sy hanompo ilay fianakaviana. Afaka nikasika ny fon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana Elder Fetzer tamin’ny fomba izay tsy nataon’ireo misiônera hafa.

Tao anatin’ireo enim-bolana manaraka dia nanompo ho an’ny filan’ilay fianakaviana ireo misiônera. Rehefa nandeha ny fotoana dia voakasiky ny Fanahy ireo rafozako ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nandray ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana izy ireo. Tamin’ny alalan’izy ireo dia fianakaviana maro no niditra tato amin’ny Fiangonana ary nandray ireo fitahian’ny filazantsara.

Nitranga izany tamin’ny ampahany satria vonona ny “hamela an’ Andriamanitra hanjaka” teo amin’ny fiainana ny zatovolahy iray avy any Utah. Nanana ny risi-po handao ny trano tsarany izy, sy nianatra fiteny vaovao, ary nanompo ny Tompo tany Brésil.

Fiovam-po tsotra

Tokony ho herintaona lasa izay dia naharay hafatra tamin’ny findainy i Alessandra vadiko avy tamin-drahavavy iray ao amin’ny paroasy misy anay any Brésil. Efa nihoatra ny roa taona izay no nihaon’izy ireo farany. Hoy ny nosoratan’ilay rahavavy: “Tamin’ny andro iray ratsy indrindra teo amin’ny fiainako dia tsy fantatro ny fomba nahatongavako niangona. Raha nanao izany aho dia hitanao. Noraisinao ny tanako ary nilaza tamiko ianao mba hipetraka eo akaikinao. Niresaka taminao aho. Nihaino ahy ianao ary nanoro hevitra ahy.”

Toa resadresaka tsotra izany tamin’izany fotoana izany. Saingy nivadika ho fahafahana ho an’ny vadiko izany mba ho fitaovana teo am-pelatanan’ny Tompo. Nanompo izany rahavavy malala izany izay nandalo fotoana sarotra izy. Tsy tena nieritreritra momba izany i Alessandra. Nahatsapa ho voataona fotsiny izy hihaino sy hanome fankaherezana, dia nanao araka izay nahavoataona azy izy. Ankehitriny, mihoatra ny roa taona taty aoriana, dia naharay hafatra avy amin’izany rahavavy izany izy, naneho taminy ny fankasitrahany.

Tamin’ny alalan’ireo tranga ireo dia nianatra aho fa tsy mila manana antso isika vao afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo. Mila manana ny faniriana fotsiny isika. “Koa raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina ho amin’ny asa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3).

“Ho amin’izao andro izao mihitsy”

Ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia mamaky momba ny olona iray hafa izay nanompo ho fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra. I Estera dia tanora vavy izay namoy ny ray aman-dreny fony mbola kely. I Mordekay havany no nitaiza azy.

Taorian’ny nisarahan’i Ahasoerosy Mpanjaka an’i Vasty mpanjakavavy, dia nifidy an’i Estera ho mpanjakavaviny vaovao izy. “Ary tian’ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy” (Estera 2:17). Jiosy i Estera, singy tsy fantatry ny mpanjaka izany.

I Hamana, iray amin’ireo mpanolo-tsain’ny mpanjaka, dia nasandratra ho ambony noho ny mpanjaka rehetra izay niaraka taminy (jereo ny Estera 3:1). Ary nikasa ny “hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra” (Estera 3:13) izy.

Rehefa fantatr’i Estera ny teti-dratsin’i Hamana, dia namporisika an’i Estera hiresaka tamin’ny mpanjaka i Mordekay. Hampitera-doza lehibe ho azy ny fanaovana izany, kanefa nahazo herim-po avy tamin’ny tenin’i Mordekay izy. Hoy izy: “Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana?” (Estera 4:14).

“Raha tàhiny maty aho, dia maty,” hoy izy (Estera 4:16) ary nankany amin’ny mpanjaka nefa tsy nasaina. Nahavoasazy ho faty izany zavatra izany. Noho ny herim-pony dia afaka nahataona ny mpanjaka i Estera. Vokatr’izany dia namoaka didy izy mba hitsimbinana ny Jiosy. Tao anatin’izany “ny Jiosy izay teny amin’ny isan-tanàna dia navelan’ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy” (Estera 8:11).

Manan-danja avokoa ny andraikitra tsirairay

Vonona ny ho fitaovana teo am-pelatanan’ny Tompo i Estera. Nanomana azy ny fiainany mpakantò sy be fanoloran-tena. Rehefa mieritreritra azy niditra tao amin’ny lapan’ny mpanjaka nefa tsy nahazo fanasana aho dia talanjona amin’ny risi-pony. Mampahatsiahy ahy ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson ho antsika rehetra mba hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika izany.1 I Estera dia vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka.

I Mordekay havan’i Estera dia fitaovana teo am-pelatanan’ny Tompo ihany koa. Notezainy tsara i Estera. Nanohana azy sy nanome herim-po ary aingam-panahy ho azy izy. Samy manana anjara asa sahanina isika rehetra, ary samy manan-danja sy tena ilaina avokoa ny anjara asa tsirairay.

Nisy antony ny nametrahan’ny Tompo an’i Estera tao an-tranon’ny Mpanjaka, dia ny hanavotra ny Jiosy. Tahaka ny nataony tamin’i Estera dia mametraka amin’ny toerana ahafahantsika manampy amin’ny fanatanterahana ireo tanjony ny Tompo. Noho izany dia tsy maintsy vonona sy mendrika isika rehefa miatrika fahafahana atolony antsika.

Fahafahana manodidina antsika

Feno fahafahana ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo manodidina antsika. Ny andraikitsika dia ny mivonona hanao zavatra. Matetika dia tsy fantatsika hoe rahoviana na amin’ny fomba ahoana no hisehoan’izany fahafahana izany. Mila miaina mba ho mendrika hanana ny Fanahy Masina sy fo vonona isika. Dia hitarika antsika hanao izay ilainy hataontsika ny Tompo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:3, ny Tompo dia milaza amin’i Sidney Rigdon hoe “Efa nozahako ianao sy ny asanao. Efa reko ny fivavakao ary efa nomaniko ho amin’ny asa lehibe kokoa ianao.”

Mahafantatra antsika ny Tompo ary manana asa ampanaovina antsika tsirairay avy. Indraindray izany dia asa izay isika ihany no afaka manao azy. Mety ho ao an-trano izany asa izany rehefa manampy ny zanany lahy izay manana olana ny ray aman-dreny. Na mety ho amin’ny andraikitsika ato am-piangonana izany. Raha ny tena marina dia afaka ny ho amin’ny fotoana rehetra na toerana rehetra na amin’ny olona rehetra izany.

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, hoe: “Manome anao ny andraikitrao ny Tompo noho ny antony iray. Mety misy olona sy fo izay ianao ihany no afaka ny hanampy sy hahakasika azy ireo. Angamba tsy misy afaka manao an’izay amin’ny fomba hanaovanao azy mihitsy.”2

Nilaza ihany koa ny Filoha Uchtdorf hoe: “Raha maka tahaka ny ohatra tonga lafatra nasehon’ny Mpamonjy isika dia afaka ho lasa tanany ny tanantsika, ho lasa masony ny masontsika ary ho lasa fony ny fontsika.”3

Tahaka an’i Estera, Mordekay, Elder Fitzer, ny vadiko, ary ny maro hafa dia afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo isika rehetra.

Hamoaka printy