Boky sy lesona
Toko 11: Ny Fiainan’i Jesoa Kristy


Toko 11

Ny Fiainan’i Kristy

Jesus Christ at the home of Jairus. Christ is standing beside the bed of the twelve-year-old daughter of Jairus. The girl's father and mother are standing on the other side of the bed. Christ is holding the hand of the girl as He helps her rise from her bed. The girl, who had been declared dead, is looking up at Christ. Light from a window is shining on the girl's face, and on the back of Christ.

Efa Fantatra Elabe Talohan’ny Fahaterahany ny Fiainan’i Kristy

Ny fiainan’ny olona rehetra tonga eto an-tany dia miankina amin’i Jesoa Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana nataony tany an-danitra mba ho Mpamonjy antsika. Ho nandamoka ny drafitry ny famonjena raha tsy nisy Azy. Ireo mpaminany rehetra nanomboka tamin’i Adama ka hatrany amin’i Kristy dia nijoro ho vavolombelona fa ho avy Izy noho ny maha-zava-dehibe ny asa nanirahana Azy (jereo Asan’ny Apôstôly 10:43). Nijoro ho vavolombelona ireo mpaminany rehetra nanomboka tamin’i Kristy fa tena tonga Izy. Mila mandalina ny fiainan’ny Mpamonjy isika rehetra ary manaraka amim-pahatokiana Azy mandritra ny fiainantsika.

Nahafantatra i Adama fa i Jesoa Kristy no ho anaran’ilay Mpamonjy (jereo Mosesy 6:51–52). I Enoka dia nahita fa ho faty eo ambony hazofijaliana ary hitsangana amin’ny maty i Jesoa (jereo Mosesy 7:55–56). Nijoro ho vavolombelona momba Azy koa i Noa sy Mosesy (jereo Mosesy 1:11; 8:23–24). 800 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia hitan’i Isaia mialoha ny fiainany. Rehefa nahita ny fahoriana sy ny alahelo izay hosedrain’ny Mpamonjy i Isaia mba ho vidin’ny otantsika dia nihiaka Izy hoe:

“Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy, Lehilahy ory sady zatra fahoriana. …

“…Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika. …

“Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika. …

“Nampahoriana Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina” (Isaia 53:3–5, 7).

I Nefia koa dia nahita mialoha ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny asa hanirahana Azy. Nahita virijiny tsara tarehy iray izy ary nanazava ny anjely iray hoe: “Indro, ny virijiny izay hitanao no renin’ny Zanak’Andriamanitra, araka ny fomban’ny nofo” (1 Nefia 11:18). Dia nahita ilay virijiny nitrotro zazakely teny an-tanany i Nefia. Nanambara ilay anjely hoe: “Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, eny, dia ny Zanaky ny Ray!” (1 Nefia 11:21).

Teo amin’ny 124 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa dia nahita mialoha ny fiainan’ny Mpamonjy, i Benjamina Mpanjaka izay mpaminany Nefita iray hafa:

“Fa indro, avy ny fotoana ary tsy dia lavitra loatra izany, ka ny Tompo Tsitoha izay manjaka, izay nisy ary misy hatrizay ka ho mandrakizay, dia hidina amin-kery avy any an-danitra ho eo anivon’ny zanak’olombelona sy honina ao amin’ny tabernakely tanimanga sy handeha eo anivon’ny olona ary hanao fahagagana lehibe toy ny fanasitranana ny marary, ny fananganana ny maty, ny fampandehanana ny mandringa, ny fampahiratana ny jamba, ny fampahaladiana ny marenina, ary ny fanasitranana ny karazan’aretina rehetra.

“Ary horoahiny hiala ny devoly, na ny fanahy ratsy izay mitoetra ao am-pon’ny zanak’olombelona.

“Ary indro hiaretany ny fakampanahy sy ny fanaintainan’ny vatana, dia hanoanana, hetaheta ary harerahana na dia mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina aza izany kanefa tsy hatramin’ny fahafatesana; fa indro mivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra, fa ho lehibe loatra ny fanaintainany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ny olony.

“Ary hantsoina hoe Jesoa Kristy Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ny Rain’ny lanitra sy ny tany, ny Mpahary sy ny zava-drehetra hatrany am-piandohana; ary ny reniny dia hantsoina hoe Maria” (Môsià 3:5–8).

  • Inona avy ireo faminaniana sasany fahiny momba an’i Jesoa Kristy?

Izy no Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

  • Inona no zavatra nolovain’i Jesoa Kristy tamin-dRainy? Inona no zavatra nolovainy tamin-dreniny?

Ny tantaran’ny nahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fiainany dia hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ao amin’ny bokin’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona. Fantatsika avy amin’ny fitantaran’izy ireo fa nateraky ny virijiny iray antsoina hoe Maria i Jesoa. Efa nifamofo tamin’i Josefa izy rehefa nisy anjelin’ny Tompo iray niseho taminy. Nilaza taminy ilay anjely fa ho renin’ilay Zanak’Andriamanitra izy. Nanontanian’i Maria izy hoe, ahoana no hahatanteraka izany (jereo Lioka 1:34). Nolazainy taminy hoe: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra” (Lioka 1:35). Noho izany dia lasa Rain’i Jesoa Kristy marina Andriamanitra Ray.

I Jesoa no hany olona nateraky ny reny mety maty iray sy Ray tsy mety maty. Izany no antony iantsoana azy hoe ilay Zanaka Lahitokana. Nandova hery masina avy tamin’ny Rainy Izy. Nandova ny maha mety maty azy avy tamin’ny reniny Izy ary nandalo hanoanana, hetaheta, havizanana sy fanaintainana ary fahafatesana. Tsy nisy na iza na iza afaka nanaisotra ny ain’ny Mpamonjy raha tsy hoe sitrapony ihany izany. Manana fahefana hanolotra izany Izy ary manana fahefana haka indray ny vatany aorian’ny fahafatesany. (Jereo Jaona 10:17–18.)

Nanana Fiainana Lavorary Izy

  • Midika inona amintsika ny fiainan’ny Mpamonjy?

Nankatò ny zavatra rehetra notakian’ny Raintsika any An-danitra taminy Izy nandritra ny fahatanorany. Nitombo sahala amin’ny fitombon’ny ankizy hafa ihany koa i Jesoa teo ambany fitarihan’i Maria sy Josefa. Nitia sy nankatò ny fahamarinana Izy. Milaza amintsika i Lioka hoe: “Ary ny zaza dia nitombo ka nihanahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao Aminy” (Lioka 2:40; jereo koa F&F 93:12–14).

Tamin’ny faharoa ambin’ny folo taonany, dia nihavory saina i Jesoa ka nalefa mba hanao ny sitrapon’ny Rainy. Nandeha niaraka tamin’ny ray aman-dreniny tany Jerosalema Izy. Rehefa niverina tany an-trano ny ray aman-dreniny dia tsikaritr’izy ireo fa tsy tao anatin’ilay vondron’olona niaraka tamin’izy ireo Izy. Niverina tany Jerosalema izy ireo mba hitady Azy. “Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ireo mpampianatra izay nihaino sady nanontany Azy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 2:46). “Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany” (Lioka 2:47).

Afaka ny tebitebin’i Josefa sy Maria rehefa nahita Azy, saingy “talanjona izy ireo ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Ianao? He! Izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!” Namaly azy i Jesoa hoe: “Nahoana no nitady Ahy hianareo? Tsy fantatreo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko [any An-danitra] Aho?” (Lioka 2:48–49).

Mba hahatanterahan’ny asa nanirahana Azy dia tsy maintsy nanao ny sitrapon’ny Rainy any An-danitra i Jesoa. “Tsy manao na inona na inona ho ahy Aho,” hoy Izy, “fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. … Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jaona 8:28–29).

Rehefa feno 30 taona i Jesoa, dia nankany amin’i Jaona mpanao Batisa mba hatao batisa any amin’ny Renirano Jordana. Nisalasala tamin’ny hanaovana batisa an’i Jesoa i Jaona satria fantany fa lehibe noho izy i Jesoa. Nangataka an’i Jaona mba hanao batisa Azy i Jesoa mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Nataon’i Jaona batisa ihany ny Mpamonjy, ka nasitriny manontolo tao anaty rano Izy. Rehefa vita batisa i Jesoa dia niteny avy tany an-danitra ny Rainy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Nidina tahaka ny voromailala ny Fanahy Masina. (Jereo Matio 3:13–17.)

Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesoa dia nifady hanina nandritra ny 40 andro sy 40 alina Izy mba hiarahany amin’Andriamanitra. Taorian’izany dia tonga naka fanahy Azy i Satana. Nahatohitra tsara ny fakam-panahy rehetra nataon’i Satana taminy i Jesoa ary nandidy azy mba handeha. (Jereo Matio 4:1–11; jereo koa Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1, 56, 89, 11.) Tsy nanana ota mihitsy i Jesoa Kristy, izay hany olona tanteraka niaina teto an-tany hatramin’izay (jereo Hebreo 4:15; 1 Petera 2:21–22).

  • Inona avy ireo tantara teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay manan-danja manokana aminao?

Nampianatra Antsika mba Hifankatia sy Hifanompo Izy

  • Ahoana no fomba nampianaran’ny Mpamonjy antsika mba hifankatia sy hifanompo?

Taorian’ny fifadian-kaniny sy ny fihaonany tamin’i Satana, dia nanomboka ny asa fanompoany teo anivon’ny olona Izy. Tsy tonga teto an-tany mba ho faty ho antsika fotsiny Izy fa mba hampianatra antsika koa ny fomba fiainana. Nampianatra Izy fa misy didy lehibe anankiroa: voalohany, dia ny mitia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra. Ary faharoa dia ny mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo Matio 22:36–39). Ny fiainany dia ohatra izay mampiseho ny fomba tokony hankatoavantsika ireo didy ireo. Raha tia an’Andriamanitra isika, dia hatoky sy hankatò Azy toy ny nataon’i Jesoa. Raha tia ny hafa isika dia hanampy azy ireo amin’ny zavatra izay ilainy ara-batana sy ara-panahy.

Nandany ny fiainany tamin’ny fanompoana ny hafa i Jesoa. Nanasitrana ny aretin’izy ireo Izy. Nampahiratra ny jamba Izy sy nampalady ny marenina ary nampandeha ny malemy. Indray mandeha raha nanasitrana ny marary Izy dia nanomboka hariva ny andro ary noana ny vahoaka. Tsy nalefany nody izy ireo fa nitsodrano mofo dimy sy hazandrano roa kosa Izy ary nahatalanjona fa afaka namahana olona dimy arivo. (Jereo Matio 14:14–21.) Nampianatra Izy fa rehefa mahita olona noana, na mangatsiaka, na tsy mitafy na irery isika dia tokony hanampy azy ireo araka izay vitantsika. Rehefa manampy ny hafa isika dia manompo ny Tompo. (Jereo Matio 25:35–46.)

Nitia ny hafa tamin’ny fony rehetra i Jesoa. Matetika no feno fangorahana ny fony ka nitomany Izy. Nitia ny ankizy kely, ny olon-dehibe sy ny olona tsotra sy manetry tena izay nino Azy Izy. Nitia ireo izay nanota Izy ary nampianatra azy ireo tamim-pangorahana lehibe mba hibebaka sy hatao batisa. Nampianatra Izy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

I Jesoa koa aza dia nitia ireo izay nanota noho ny fanoherana Azy ary dia tsy mba nibebaka. Teo am-pialany aina, raha nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana Izy dia nivavaka tamin’ny Rainy ho an’ireo miaramila izay nanombo Azy, ka nitalaho hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Nampianatra Izy hoe:“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15:12).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampiseho ny Tompo fa tia Azy isika?

Nanorina ilay Hany Fiangonana Marina Izy

  • Nahoana no nanorina ny Fiangonany sy nanendry Apôstôly ny Mpamonjy?

Tian’i Jesoa hampianarina manerana ny tany ny filazantsarany ka nifidy Apôstôly roa ambin’ny folo Izy mba hijoro ho vavolombelona momba Azy. Izy ireo no mpitondra ny Fiangonany tany am-piandohana. Nahazo ny fahefana hanao asa amin’ny Anarany izy ireo ary hanatanteraka ireo asa izay hitan’izy ireo nataon’i Jesoa. Ireo izay nahazo fahefana avy amin’izy ireo koa dia afaka nampianatra, sy nanao batisa ary nanatanteraka ôrdônansy hafa tamin’ny Anarany. Taorian’ny nahafatesany dia nanohy ny asany izy ireo mandrapahatongan’ny olona ho lasa tena ratsy fanahy ka novonoin’izy ireo ny Apôstôly.

Nanavotra Antsika tamin’ny Fahontantsika Izy ary Namonjy Antsika tamin’ny Fahafatesana

  • Rehefa mandalina ity fizarana ity ianao, dia makà fotoana hisaintsainana ireo zava-nitranga tamin’ny Sorompanavotana.

Tany amin’ny faramparan’ny asa fanompoany teto an-tany dia niomana ny hanao ilay sorona faratampony noho ny fahotan’ny olombelona rehetra i Jesoa. Nomelohina ho faty Izy satria nijoro ho vavolombelona tamin’ny olona fa Zanak’Andriamanitra.

Ny alina talohan’ny nanomboana Azy, dia nandeha tany amin’ny saha iray nantsoina hoe Getsemane Izy. Fotoana fohy taorian’izay dia notambesaran’ny alahelo lalina Izy ary nitomany rehefa nivavaka. Nanana fahafahana nahita ny fijalian’ny Mpamonjy tao anatin’ny fahitana iray ny Apôstôlin’ny Andro Farany Orson F. Whitney. Rehefa nahita ny Mpamonjy nitomany Izy dia nilaza hoe: “Tena tohina aho raha nahita izany ka dia nitomany koa, vokatry ny fangorahana tena avy amin’ny foko. Nangoraka Azy tanteraka ny foko; tiako tamin’ny foko manontolo Izy ary ny hiaraka Aminy no niriako mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra” (“The Divinity of Jesus Christ,” Improvement Era, Jan. 1926, 224–25; jereo koa Ensign, Des. 2003, 10). “Nandroso kelikely [i Jesoa], dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao” (Matio 26:39).

Tao anatin’ny fanambarana maoderina iray no namaritan’ny Mpamonjy ny halehiben’ny fijaliany ka nilaza Izy fa nahatonga Azy “hangovitra noho ny fangirifiriana [izany] sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy” (F&F 19:18). Niaritra “araka ny nofo” Izy ary nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny aretintsika ary ny rofintsika sy ny fahotantsika (jereo Almà 7:10–13). Tsy misy olona ety an-tany afaka mahatakatra ny tena halehiben’ilay enta-mavesany. Tsy misy olon-kafa mihitsy afaka nizaka fanaintainana ara-batana sy ara-panahy toy izany. “Nidina ambanin’ny zava-drehetra Izy … mba hahatonga Azy ho ao amin’ny rehetra sy amin’ny alalan’ny zava-drehetra, ny fahazavan’ny fahamarinana” (F&F 88:6).

Saingy mbola tsy feno ny fijaliany. Ny ampitson’izany dia nokapohina sy nalaina baraka ary nororana Izy. Nasaina nitondra ny hazofijaliany Izy ary dia nampiakarina sy nofantsihana teo. Nampijaliana tamin’ny fomba tena feno habibiana izay faran’ny takatry ny olona hatramin’izay Izy. Taorian’ny nijaliany teo amin’ny hazo fijaliana, dia niantsoantso tao anatin’ny fanaintainana Izy hoe : “Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?” (Marka 15:34). Tao anatin’ireo ora mangidy nijalian’i Jesoa, dia nisitaka taminy ny Ray mba hahafahan’i Jesoa hamita ny fizakany ny sazy vokatry ny fahotan’ny olombelona rehetra ary mba hahafahany handresy ny herin’ny fahotana sy ny fahafatesana (jereo James E. Talmage, Jesus the Christ (Jésus le Christ), boky nivoaka faha-3 [1916], 660–61).

Rehefa fantatry ny Mpamonjy fa neken’ny Ray ny sorona nataony dia niantsoantso tamin’ny feo mafy Izy hoe: “Vita” (Jaona 19:30). “Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko” (Lioka 23:46). Nanondrika ny lohany Izy ary nanaiky an-tsitrapo ny hialan’ny Fanahiny tamin’ny vatany. Maty ny Mpamonjy. Nisy horohorontany nampihovitrovitra ny tany.

Nisy ireo namana vitsivitsy nitondra ny vatan’ny Mpamonjy tany am-pasana izay nandrian’izany mandrapahatonga ny andro fahatelo. Nandritra izany fotoana izany ny Fanahiny dia nandeha tany amin’ireo fanahy hafa izay nila nandray ny filazantsarany ary nandrindra ny asa fitoriana (jereo 1 Petera 3:18–20; F&F 138). Tamin’ny andro fahatelo, izay Alahady dia niverina tao amin’ny vatany ny fanahiny ary niditra tao anatin’izany indray. Izy no voalohany nandresy ny fahafatesana. Tanteraka ilay faminaniana “fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Izy” (Jaona 20:9).

Fotoana fohy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia niseho tamin’ny Nefita Izy ary nanorina ny Fiangonany tany Amerika. Nampianatra ny vahoaka Izy ary nitsodrano azy ireo. Izany tantara mampientam-po izany dia hita ao amin’ny 3 Nefia 11 hatrany amin’ny 28.

Ny Sorona Nataony dia Nampiseho ny Fitiavany Antsika sy ny Rainy

Nampianatra i Jesoa hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manao izay andidiako anareo” (Jaona 15:13–14). Niaritra ny fahoriana sy ny fijaliana an-tsitrapo sy tamim-panetren-tena tao Getsemane Izy mba hahafahantsika hahazo ireo fitahiana rehetran’ny drafitry ny famonjena. Mba hahazoana ireo fitahiana ireo dia tsy maintsy manatona Azy isika sy mibebaka amin’ny fahotantsika ary mitia Azy amin’ny fontsika rehetra. Hoy Izy hoe:

“Indro efa nomeko anareo ny filazantsarako, ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.

“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy; koa araka ny fahefan’ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra hankaty Amiko … mba ho azo tsaraina araka ny asany izy ireo. …

“Fa ny asa izay hitanareo nataoko dia izany no hataonareo. …

“Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:13–15, 21, 27; nampiana fanamafisana).

  • Inona no zavatra tsapanao rehefa misaintsaina ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho anao ianao?

Soratra Masina Fanampiny ary Loharano Hafa