Boky sy lesona
Toko 14: Firafitry ny Fisoronana


Toko 14

Firafitry ny Fisoronana

Three priests (one kneeling, two standing) while  the sacrament is being blessed.

Eto An-tany ny Fisoronana Ankehitriny

Tantanana amin’ny alalan’ny fisoronana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Fisoronana, izay mifandray lalandava amin’ny asan’Andriamanitra dia “mitohy ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra ao amin’ireo taranaka rehetra sady tsisy fiandohan’andro na fiafaran-taona” (F&F 84:17). Eto ambonin’ny tany izany amin’izao fotoana izao. Atao batisa ao amin’ny Fiangonana ny lehilahy tanora sy lehibe, ary rehefa hita fa mendrika izy ireo dia tendrena amin’ny fisoronana. Omena ny fahefana hanatanteraka asa ho an’ny Tompo sy hanao ny Asany eto an-tany izy ireo.

Mizara Roa ny Fisoronana

  • Ahoana no nahazoana ny anarana hoe Fisoronana Melkizedeka sy Aharôna?

Mizara roa ny fisoronana: ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna (jereo F&F 107:1). “Ny voalohany dia nantsoina hoe ny Fisoronana Melkizedeka … satria i Melkizedeka dia tena mpisorona avo lehibe tokoa.

“Talohan’ny androny dia natao hoe ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’Andriamanitra izany.

“Nefa ho fanajana sy fitsaohana ny anaran’Ilay Izy Faratampony, ho fisorohana ny famerenana matetika loatra ny anarany, ny fiangonana tamin’ny andro fahiny dia niantso io fisoronana io araka an’i Melkizedeka na ny Fisoronana Melkizedeka” (F&F 107:2–4; nampiana fanamafisana).

Ny fisoronana ambany dia fanampin’ny Fisoronana Melkizedeka. Antsoina hoe Fisoronana Aharôna izany satria nomena an’i Aharôna sy ny zanakalahiny tao anatin’ny taranany rehetra izany. Ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharôna dia manana ny fahefana hanatanteraka ôrdônansy ivelany, dia ny fanasan’ny Tompo sy ny batisa izany. (Jereo F&F 20:46; 107:13–14, 20.)

Ireo izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia manana ny hery sy fahefana hitarika ny Fiangonana sy hitantana ny fitoriana ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao. Mitantana ny asa ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana izy ireo (jereo F&F 84:19–22; 107:8). Mitantana ny asa atao any amin’ny tempoly izy ireo ary miahy ny paroasy, sampana, tsatòka ary misiôna. Ny mpamimany voafidin’ny Tompo, izay Filohan’ny Fiangonana no Mpisorona Avo Miahy ny Fisoronana Avon’ny Fiangonana (jereo F&F 107:65–67).

Ny Fanalahidin’ny Fisoronana

  • Inona no maha samy hafa ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana? Iza amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana no mahazo ny fanalahidy?

Misy fahasamihafana ny fanokanana amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana sy ny fandraisana ireo fanalahidin’ny fisoronana. Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith hoe:

“Ny fisoronana amin’ny ankapobeny dia fahefana omena ny lehilahy mba hanao ny asan’Andriamanitra. Ny lehilahy rehetra natokana amin’izay mety ho anjara fanompoana misy ao amin’ny fisoronana dia manana izany fahefana izay nomena azy izany.

“Saingy ny asa rehetra tanterahana amin’ny alalan’ity fahefana ity dia ilaina tanterahana amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mahamety azy sy amin’ny fomba tokony hanaovana izany ary manaraka ny lamin’ny fisoronana. Ny hery hitantanana ireo asa ireo no antsoina hoe fanalahidin’ny Fisoronana. Olona iray ihany no mihazona ny fanalahidy ao anatin’ny fahafenoany ao anatin’ny fotoana iray, dia ny mpaminany sady filohan’ny Fiangonana izany. Afaka manome ny ampahan’izany hery izany iandraiketan’ny olona iray hafa izy, ary rehefa izany dia mihazona ny fanalahidin’izany asa manokana izany ilay olona. Noho izany, ny filohan’ny tempoly, ny filohan’ny tsatòka, evekan’ny paroasy, ny filohan’ny misiôna sy ny filohan’ny kôlejy dia samy mihazona ny fanalahidin’ireo asa tanterahana ao anatin’izany vondrona na toerana izany. Tsy mitombo ny Fisoronany noho izany fanendrena manokana izany; … Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona iray ohatra, dia tsy manana fisoronana bebe kokoa noho ireo mpikambana hafa ao amin’izany kôlejy izany. Saingy manana ny hery hitantanana ny asa fitarihana hatao ao amin’ny … kôlejy izy, izany hoe manana ny fanalahidin’izany karazan’asa izany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph F. Smith [1998], 141; soramandry tany amin’ny boky voalohany).

  • Ahoana no fomba hiarovan’ny fanalahidin’ny fisoronana ny Fiangonana?

Ireo Anjara Fanompoan’ny Fisoronana Aharôna sy ny Andraikiny

  • Inona no asa ataon’ny Mpihazona ny Fisoronana Aharôna?

Rehefa omena ny lehilahy na zatovolahy iray ny Fisoronana Aharôna, dia voatendry amin’ny anjara fanompoana ao anatin’izany fisoronana izany izy. Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia diakona, mpampianatra, mpisorona ary eveka. Samy manana ny anjara asany sy ny andraikiny ny anjara fanompoana tsirairay avy. Ny kôlejy tsirairay dia tarihin’ny filohan’ny kôlejy iray, izay mampianatra ny mpikambana ny andraikiny ary mangataka azy ireo mba hanatanteraka asa.

Ny lehilahy sasany dia lasa mpikamban’ny Fiangonana na lasa mazoto any aorian’ilay taona mahazatra andraisana ny anjara fanompoan’izany fisoronana izany. Tendrena amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna ihany izy ireo ary mety vetivety dia afaka ny hotendrena amin’ny anjara fanompoana hafa raha toa ka mitoetra ho mendrika.

Diakona

Ny zatovolahy iray izay vita batisa sy noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana ary mendrika dia afaka tendrena amin’ny anjara fanompoan’ny diakona rehefa feno 12 taona. Toy ny mahazatra ny diakona dia mizara ny fanasan’ny Tompo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana, mandamina ny ao anatin’ny trano fiangonana sy ny faritra eny ivelany, manao iraka ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ary manatanteraka asa manokana toy ny fanangonana ny fanatitry ny fifadian-kanina.

Mpampianatra

Afaka tendrena ho mpampianatra ny zatovolahy mendrika iray rehefa 14 taona na mihoatra izy. Ny mpampianatra dia manana ny andraikitra sy ny zo ary ny fahefana rehetran’ny anjara fanompoan’ny diakona miampy zavatra hafa. Ny mpampianatra ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia hanampy ny mpikamban’ny Fiangonana hiaina ireo didy (jereo F&F 20:53–59). Mba hanatanterahana izany andraikitra izany dia tendrena ho mpampianatra isan-tokantrano izy ireo. Mamangy tokantranon’ny mpikamban’ny Fiangonana izy ary mamporisika azy ireo mba hiaina ny fitsipiky ny filazantsara. Nodidiana mba hampianatra ny fahamarinan’ny filazantsara avy ao amin’ny soratra masina izy ireo (jereo F&F 42:12). Manomana ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo koa izy ireo.

Mpisorona

Ny zatovolahy iray mendrika dia afaka tendrena ho mpisorona rehefa feno 16 taona na mihoatra. Ny mpisorona dia manana ny andraikitra sy ny zo ary ny fahefana rehetran’ny anjara fanompoan’ny diakona sy ny mpampianatra miampy zavatra hafa. (jereo F&F 20:46–51). Afaka manao batisa ny mpisorona. Afaka mikarakara ny fanasan’ny Tompo koa izy. Afaka manendry mpisorona sy mpampianatra ary diakona hafa koa izy. Afaka mitarika fivoriana ny mpisorona iray rehefa tsy misy eo ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Tokony hitory ny filazantsara amin’ireo manodidina azy izy.

Eveka

Ny eveka dia voatendry sy natokana mba hiahy ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy. Izy no filohan’ny kolejin’ny mpisorona (jereo F&F 107:87–88). Rehefa manatanteraka ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna ny eveka dia mikarakara voalohany indrindra ny zavatr’izao fiainana izao izy, toy ny fitantanana ny lafiny ara-bola sy ny firaketana ary ny fikarakarana an’izay mahantra sy sahirana (jereo F&F 107:68).

Voatendry ho mpisorona avo koa ny eveka mba hahafahany hiahy ny mpikambana rehetra ao amin’ilay paroasy (jereo F&F 107:71–73; 68:15). Mpitsara ao Isiraely ny eveka (jereo F&F 107:74) ary manao dinidinika amin’ny mpikambana momba ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly, ny fanendrena ao amin’ny fisoronana ary ny zavatra ilaina hafa. Izy no manana zo hanana ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana manavaka.

  • Ahoana no fomba nahazoanao fitahiana tamin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna?

Ireo Anjara Fanompoan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Andraikiny

  • Inona avy ireo asa fanompoana ataon’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka?

Ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Melkizedeka dia ny loholona, mpisorona avo, patriarika, Fitopololahy ary Apôstôly.

Loholona

Ny loholona dia nantsoina mba hampianatra, hanazava, hanentana sy hanao batisa ary hitandrina ny Fiangonana (jereo F&F 20:42). Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka rehetra dia loholona. Manana ny fahefana hanatanteraka ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana izy (jereo F&F 20:43). Ny loholona dia tokony hitarika fivoriana ao amin’ny Fiangonana araka izay itarihan’ny Fanahy Masina azy (jereo F&F 20:45; 46:2). Afaka mametra-tanana amin’ny marary ny loholona (jereo F&F 42:44) ary mitsodrano ny zaza (jereo F&F 20:70). Afaka mitarika fivoriana ao am-piangonana ny loholona rehefa tsy misy eo ny mpisorona avo (F&F 107:11).

Mpisorona Avo

Ny mpisorona avo dia nomena fahefana hitarika ao amin’ny Fiangonana ary hitantana ireo zavatra ara-panahy (jereo F&F 107:10, 12). Afaka miadidy ireo anjara fanompoana ambany rehetra koa izy (jereo F&F 68:19). Notendrena ho mpisorona avo ny filohan’ny tsatòka, ny filohan’ny misiona, ny filankevitra avo, ny eveka ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.

Patriarika

Ny patriarika dia tendren’ny Manampahefana Ambony na ny filohan’ny tsatòka rehefa nahazo lalana tamin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy izy ireo, mba hanome tsodranon’ny patriarika ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Manome antsika fahatakarana an-tsaina ny antsontsika eto an-tany izany tsodrano izany. Tenin’ny Tompo ho antsika manokana izany. Notendrena ho mpisorona avo koa ny patriarika. (Jereo F&F 107:39–56.)

Fitopololahy

Ny Fitopololahy dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao ary manampy amin’ny fanorenana sy fitantanana ny Fiangonana eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo F&F 107:25, 34, 38, 93–97).

Apôstôly

Ny Apôstôly dia vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy eran’izao tontolo izao (jereo F&F 107:23). Mitantana ny raharahan’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao ny Apôstôly. Ireo izay tendrena amin’ny anjara fanompoan’ny Apôstôly ao amin’ ny Fisoronana Melkizedeka dia atokana ho mpikamban’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Samy omena ireo fanalahidy rehetran’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ny tsirairay saingy ny Apôstôly zokiny indrindra, izay ny Filohan’ny Fiangonana no mampiasa tanteraka ny fanalahidy rehetra. Miasa eo ambany fitarihany ny hafa.

  • Ahoana no fomba nahazoanao fitahiana tamin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka?

Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

Nodidian’ny Tompo ny mpihazona ny fisoronana mba hivondrona ao anatin’ny kôlejy. Ny kôlejy dia vondron’ireo rahalahy mihazona anjara fanompoana mitovy ao amin’ny fisoronana.

Misy telo ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna:

  1. Ny kôlejin’ny diakona, izay ahitana diakona miisa hatramin’ny 12 (jereo F&F 107:85). Ny fiadidian’ny kôlejin’ny diakona dia antsoin’ny eveka avy ao amin’ireo mpikambana ao amin’ilay kôlejy.

  2. Ny kôlejin’ny mpampianatra, izay ahitana mpampianatra miisa hatramin’ny 24 (jereo F&F 107:86). Ny fiadidian’ny kôlejin’ny mpampianatra dia antsoin’ny eveka avy ao amin’ireo mpikambana ao amin’ilay kôlejy.

  3. Ny kôlejin’ny mpisorona, izay ahitana mpisorona miisa hatramin’ny 48 (jereo F&F 107:87–88). Tarihin’ny evekan’ny paroasy misy ilay kôlejy izany. Ny eveka dia mpisorona avo, noho izany dia ao anatin’ny kolejin’ny mpisorona avo koa izy.

Isaky ny mihoatra ilay isa voafetra ny isan’ny olona ao amin’ny kôlejy dia zaraina ny kôlejy.

Ny Kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka

Any amin’ny fitondrana faratampon’ny Fiangonana, dia mivondrona ho kôlejy iray ny Fiadidiana Voalohany ary toy izany koa ny Apôstôly Roambinifolo. Mivondrona ao anatin’ny kôlejy koa ny Fitopololahy.

Raha mikasika ny Fiangonana any amin’ny toerana rehetra tsirairay avy—any amin’ny paroasy sy sampana ary distrika—dia navondrona ao anatin’ireto kôlejy manaraka ireto ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka:

Kôlejin’ny Loholona

Ny kôlejin’ny loholona tsirairay avy dia “ajoro ho an’ireo mpanompo maharitra; mahazo mitety faritra anefa izy ireo, na dia voatokana ho mpanompo maharitra amin’ny fiangonana aza” (F&F 124:137). Manao ny ankamaroan’ny asany any akaikin’ny toeram-ponenany izy. Miisa hatramin’ny loholona 96 ny ao amin’ilay kôlejy ary tarihin’ny fiadidian’ny kôlejy. Raha mihoatra ny 96 ny ao anatin’izany dia zaraina ilay kôlejy.

Kôlejin’ny Mpisorona Avo

Ny kôlejy tsirairay avy dia ahitana ireo mpisorona avo rehetra izay mipetraka ao anatin’ny faritra iadidian’ny tsatòka ka tafiditra ao anatin’izany ny patriarika sy ny eveka. Ny filohan’ny tsatòka sy ny mpanolotsainy no ao amin’izany fiadidian’izany kôlejy izany. Narafitra ho vondrona iray miaraka amin’ny mpitarika ny vondrona ny mpisorona avo ao amin’ny paroasy tsirairay.

Ny Lanjan’ny Kolejin’ny Fisoronana

  • Ahoana no ahafahan’ny kôlejin’ny fisoronana manamafy orina ny olona tsirairay sy ny fianakaviana?

Rehefa tendrena amin’ny fisoronana ny lehilahy na zatovolahy iray dia tonga dia lasa mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana iray izy. Manomboka amin’izay ary mandritra ny fiainany dia antenaina fa ho mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana iray araka ny anjara fanompoany izy (jereo Boyd K. Packer, “What Every Elder Should Know—and Every Sister as Well: A Primer on Principles of Priesthood Government,” Ensign, Feb. 1993, 9).

Raha mandeha tsara ny kôlejin’ny fisoronana iray dia mahazo fankeherezana sy voatahy ary mahazo namana ny mpikambana ao amin’ilay kôlejy sy ampianarina ny filazantsara amin’ny alalan’ny mpitarika azy. Na dia nisaorana tamin’ny antsony tao amin’ny Fiangonana aza ny lehilahy iray ohatra tamin’ny naha-mpampianatra azy na filohan’ny kôlejy, na eveka, na mpanolotsaina avo na filohan’ny tsatòka, dia tsy miova ny maha-mpikambana azy ao amin’ny kôlejiny. Ny maha-mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana iray dia tokony horaisina ho toy ny tombontsoa tena masina.

Vondrona Fanampin’ny Fisoronana

  • Ahoana no ahafahan’ny vondrona fanampin’ny fisoronana manamafy orina ny olona tsirairay sy ny fianakaviana?

Ny fikambanana rehetra ao amin’ny Fiangonana dia miasa eo ambany fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary manampy azy ireo hanatontosa ny asan’ny Tompo. Ohatra, ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, ireo fiadidian’ny fikambanan’ny Zatovovavy, Zatovolahy, ny Kilonga sy ny Sekoly Alahady dia miasa eo ambany fitarihan’ny episkôpà. Antsoina hoe Vondrona Fanampin’ny fisoronana ireo fikambanana ireo.

  • Inona no anjara asanao amin’ny maha-olon-tokana anao eo amin’ny fanampiana ny kôlejin’ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny mba hahomby?

Soratra Masina Fanampiny

  • Almà 13:1–19 (fomba hanendrena ny lehilahy amin’ny fisoronana)

  • Matio 16:19; F&F 68:12 (Nomena ny Apôstôly ny fanalahidy sy ny herin’ny fisoronana; na inona na inona fehezin’izy ireo ety an-tany dia hofehezina any an-danitra)

  • F&F 20:38–67 (ireo andraikitry ny loholona, mpisorona, mpampianatra, diakona)

  • F&F 84; 107 (fanambarana momba ny fisoronana)

  • 1 Korintiana 12:14–31 (manan-danja ny anjara fanompoan’ny fisoronana rehetra)