Boky sy lesona
Toko 25: Fifadian-kanina


Toko 25

Fifadian-kanina

Sary
A Fijian man in an outdoor setting. He is holding a copy of the scriptures and has his eyes closed in prayer.

Ny Fomba Fifadian-kanina Tsara

  • Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fifadian-kanina ho zavatra iainana mahafinaritra?

Hatrany amin’ny andron’i Adama, dia efa nifady hanina ny vahoakan’Andriamanitra mba hanampiana azy ireo hanakaiky sy hitsaoka Azy. Nasehon’i Jesoa tamin’ny alalan’ny ohatra nataony manokana ny lanjan’ny fifadian-kanina (jereo Lioka 4:1–4). Mianatra isika amin’ny alalan’ny fanambaran’ny andro farany fa mbola manantena ny vahoakany hifady hanina sy hivavaka matetika ny Tompo (jereo F&F 88:76).

Ny atao hoe mifady hanina dia tsy mihinana sy misotro. Ny fifadian-kanina indraindray dia tsara ho an’ny vatantsika sy manampy ny saintsika havitrika kokoa.

Ny Mpamonjy dia mampianatra antsika fa ny fifadian-kanina noho ny antony manokana dia mihoatra noho ny tsy fihinanana na fisotroana fotsiny. Tokony hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy koa isika.

Tokony Hivavaka Isika Rehefa Mifady Hanina

Zavatra iray tena ilaina ao anatin’ny fifadian-kanina ny vavaka. Ampiarahana foana ny vavaka sy ny fifadian-kanina ao anatin’ny soratra masina. Ny fifadian-kanina ataontsika dia tokony hiaraka amin’ny vavaka atao amin-kitsimpo, ary tokony hatombontsika sy hofaranantsika amin’ny vavaka ny fifadian-kanintsika.

Tokony Hifady Hanina noho ny Antony Manokana Isika

Afaka mifady hanina noho ny antony maro isika. Afaka mandresy ny fahalemena na ny olana isika amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka. Mety te hifady hanina sy hivavaka isika indraindray mba hangatahana fanampiana na fitarihana ho an’ny hafa, toy ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izay marary ary mila tsodrano (jereo Môsià 27:22–23). Afaka mahafantatra ny fahamarinan-javatra isika amin’ny alalan’ny fifadian-kanina, toy ny nataon’ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hoy izy hoe: “Efa nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny. Ary ankehitriny, mahalala ny tenako fa marina ireny; fa ny Tompo Andriamanitra dia efa naneho ireny tamiko tamin’ny alalan’ny Fanahy Masiny” (Almà 5:46).

Afaka mifady hanina isika mba haneken’ny hafa ny fahamarinana. Ny fifadian-kanina dia afaka mankahery antsika amin’ny fotoana isian’ny fitomaniana sy fitolokoana (jereo Almà 28:4–6). Ny fifadian-kanina dia afaka manampy antsika hanetry tena sy hanakaiky bebe kokoa ny Raintsika any An-danitra (jereo Helamàna 3:35).

Ny tanjontsika rehefa mifady hanina dia tsy hanao izay hisarihana ny sain’ny hafa ho any amintsika. Nanoro hevitra ny Tompo hoe:

“Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ny olona fa mifady.

“Lazaiko aminareo tokoa fa efa azo ny valim-pitiany.

“Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho hitan’ny olona fa mifady” (Matio 6:16–18).

Tokony ho miramirana isika rehefa mifady hanina ary tsy tokony manambara amin’ny hafa fa mifady hanina.

  • Inona no fiantraikan’ny fitondrantenantsika eo amin’ny zavatra iainantsika mandritra ny fifadian-kanintsika?

Ny Andro Fifadian-kanina

Ny Alahady iray isam-bolana dia atokan’ny Olomasin’ny Andro Farany ho fifadian-kanina. Amin’io andro io dia tsy mihinana sakafo roa izay mifanesy isika. Raha toa ka nihinana ny sakafontsika hariva isika ny Asabotsy, dia tsy hihinana na hisotro isika raha tsy ny harivan’ny Alahady.

Ny mpikambana izay salama ara-batana rehetra dia tokony hifady hanina. Tokony hamporisika ny zanatsika isika mba hifady hanina rehefa vita batisa izy ireo, saingy tsy tokony hanery azy ireo isika. Ny andro fifadian-kanina dia andro iray manokana hanetrentsika tena eo anatrehan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka. Andro hivavahana mba hangatahana ny famelana ny fahotantsika izany sy hangatahana hery handresena ny fahalementsika sy hamelana ny hafa.

Miara-mivory sy mandray ny fanasan’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana isaky ny Alahady fifadian-kanina. Mankahery ny tenany sy mifankahery izy ireo amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona.

  • Inona no tombontsoa azonao avy amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona? Inona no tombontsoa azonao avy amin’ny fihainoana ny hafa izay mijoro ho vavolombelona?

Ny Fanatitry ny Fifadian-kanina

  • Nahoana isika no mandray anjara amin’ny fanatitry ny fifadian-kanina?

Rehefa mifady hanina isika isam-bolana, dia mangataka amintsika ny Tompo mba hanampy izay sahirana. Ny fomba hanaovantsika izany dia ny fanomezana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina ny vola izay tokony ho nolaniantsika ho an’ilay sakafo roa. Tokony hanome amim-pahalala-tanana araka izay vitantsika isika. Amin’ny alalan’ny fanatitry ny fifadian-kanintsika, dia lasa mpiara-miasa amin’ny Tompo isika amin’ny fanomezana izay ilain’ireo rahalahy sy rahavavintsika izay sahirana.

Mahazo Fitahiana Isika Rehefa Mifady Hanina

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa mifady hanina tsara isika?

I Isaia, izay mpaminanin’ny Testamenta Taloha, dia nanoratra momba ny fampanantenana maro avy amin’ny Tompo ho an’ireo izay mifady hanina sy manampy ny sahirana. Ampanantenaina fiadanana, fahasalamana tsara ary fitarihana ara-panahy isika. Milaza amintsika ireo fitahiana azo i Isaia rehefa mifady hanina isika: “Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodilalanao. Ary amin’izany, dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho” (Isaia 58:8–9).

Mampivoatra ny fiainantsika sy manome hery fanampiny antsika ny fifadian-kanina. Manampy antsika hiaina ireo fitsipiky ny filazantsara hafa izany satria mampanakaiky antsika amin’ny Tompo.

Mampianatra ny Fifehezan-tena ny Fifadian-kanina

Manampy antsika hatanja-tsaina ny fifadian-kanina. Rehefa mifady hanina araka ny tokony ho izy isika, dia hianatra hifehy ny faniriantsika sy ny filantsika. Mihamatanjaka isika noho ny fanaporofoantsika tamin’ny tenantsika fa afaka mifehy tena isika. Raha mampianatra ny zanatsika mba hifady hanina isika, dia hanana ny tanjaka ara-panahy ao aminy izy ireo mba handresena ireo fakam-panahy lehibe kokoa any aoriana eo amin’ny fiainany.

Manome Antsika Hery Ara-panahy ny Fifadian-kanina

Rehefa mifady hanina amim-pahendrena ary ombam-bavaka isika, dia hampivelatra ny finoantsika. Hanana hery ara-panahy lehibe kokoa isika miaraka amin’izany finoana izany. Ohatra, i Almà (mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna) dia mitantara ilay tantaran’ny fihaonana indray tamin’ny zanak’i Môsià taona maro taorian’ny fiovam-po mahagagan’izy ireo. Nahatsapa fifaliana lehibe izy rehefa nahafantatra fa nanamafy orina ny finoana izy ireo ary nanana hery ara-panahy lehibe. Nahazo izany hery izany izy ireo satria “efa nanokan-tena tamin’ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina; noho izany dia nananany ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana” (Almà 17:3).

Nitory tamin’ireo Lamanita nandritra ny 14 taona ny zanakalahin’i Môsià. Satria nifady hanina sy nivavaka ny zanakalahin’i Môsià, dia nampitomboan’ny Fanahin’ny Tompo ny herin’ny tenin’izy ireo. Nahazoany fahombiazana teo amin’ny asa fitoriana nataony izany. (Jereo Almà 17:4.)

Ny Mpamonjy dia nilaza tamin’ireo izay mifady hanina araka ny tokony ho izy hoe: “Ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” (Matio 6:18).

  • Ahoana no fomba hampitomboan’ny fifadian-kanina ny hery ara-panahintsika mba hanoherana ny fakam-panahy? mba hahazoana fanambarana? mba hanaovana asa tsara?

Soratra Masina Fanampiny

Hamoaka printy