Boky sy lesona
Toko 38: Fanambadiana Mandrakizay


Toko 38

Fanambadiana Mandrakizay

Sary
An African couple on the grounds of the Accra Ghana Temple. Taken in Ghana, West Africa.

Voatendrin’Andriamanitra ny Fanambadiana

Lafiny iray tena manan-danja ao amin’ny drafitr’Andriamanitra ny fanambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy. Hoy ny Tompo hoe: “Fa na zovy na zovy no mandrara tsy hanambady dia tsy voatendrin’Andriamanitra, fa ny fanambadiana dia voatendrin’Andriamanitra ho an’ny olona” (F&F 49:15). Efa hatrany am-boalohany no lalàn’ny filazantsara ny fanambadiana. Natao haharitra mandrakizay ny fanambadiana fa tsy mandritra ny fiainantsika eto an-tany fotsiny.

Nampifanambadian’Andriamanitra i Adama sy Eva talohan’ny nisian’ny fahafatesana teto an-tany. Fanambadiana mandrakizay no nataon’izy ireo. Nampianatra ny lalàn’ny fanambadiana mandrakizay an’ireo zanany sy ny zanaky ny zanany izy ireo. Rehefa nandeha ireo taona maro, dia tafiditra tao am-pon’ny olona ny faharatsiana ary nesorina teo an-tany ilay fahefana hanatanterahana izany ôrdônansy masina izany. Naverina teto an-tany indray ny fanambadiana mandrakizay tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa voatendrin’Andriamanitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy?

Ilaina ho an’ny Fisandratana ny Fanambadiana Mandrakizay

  • Inona ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana ary inona no maha samy hafa izany amin’ny fihevitr’izao tontolo izao?

Maro ny olona eto amin’izao tontolo izao no mandray ny fanambadiana ho toy ny fombafomba eo amin’ny fiaraha-monina fotsiny, sy fifanekena ara-dalàna eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy mba hiara-hiaina. Saingy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mihoatra noho izany ny fanambadiana. Miankina amin’ny fanambadiana ny fisandratantsika miaraka amin’ireo fitsipika sy ôrdônansy hafa toy ny finoana, fibebahana, batisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mino isika fa ny fanambadiana no fifandraisana tena masina indrindra misy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy. Misy fiantraikany eo amin’ny fahasambarantsika ankehitriny sy any amin’ny mandrakizay izany fifandraisana masina izany.

Nomen’ny Ray any An-danitra antsika ny lalàn’ny fanambadiana mandrakizay mba hahafahantsika ho lasa tahaka Azy. Hoy ny Tompo hoe:

“Ao amin’ny voninahitra selestialy dia misy lanitra telo na ambaratonga;

“Ary mba hahazoana ny avo indrindra, ny olona dia tsy maintsy miditra ao amin’ity lamin’ny fisoronana ity [dia ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana];

“Ary raha tsy manao izany izy dia tsy afaka ny hahazo izany” (F&F 131:1–3).

Tsy maintsy Tanterahana amin’ny Alalan’ny Fahefana Marina ny Fanambadiana Mandrakizay

  • Nahoana no tsy maintsy tanterahana amin’ny alalan’ny fahefana marina any amin’ny tempoly ny fanambadiana mba ho mandrakizay?

Ny fanambadiana mandrakizay dia tsy maintsy tanterahana amin’ny alalan’ny olona iray izay mihazona ny fahefan’ny famehezana. Nampanantena ny Tompo hoe: “Raha toa ny lehilahy iray manambady vehivavy iray amin’ny alalan’ny … fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay … amin’ny alalan’ilay voahosotra, … ary raha mitoetra eo amin’ny fanekempihavanan’ny [Tompo] [izy ireo], … dia hanan-kery tanteraka rehefa any ivelan’izao tontolo izao izany” (F&F 132:19).

Tsy hoe tsy maintsy tanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ilay fisoronana marina fotsiny ny fanambadiana mandrakizay fa tsy maintsy koa tanterahana any amin’ny iray amin’ireo tempoly masin’ny Tompontsika. Ny tempoly ihany no toerana afaka hanatanterahana izany ôrdônansy masina izany.

Rehefa ao amin’ny tempoly dia mandohalika eo amin’ilay alitara masina ilay lehilahy sy vehivavy Olomasin’ny Andro Farany, izay atrehin’ny fianakaviany sy ny namany efa nandray ny fanafiana masiny. Manao ny fanekempihavanan’ny fanambadiany eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Ambara amin’ny fomba ôfisialy izy ireo fa mivady amin’ny fotoam-pahavelomana sy mandrakizay. Izany dia tanterahan’ny olona iray izay mihazona ny fisoronana masin’Andriamanitra ary nomena ny fahefana hanatanteraka izany ôrdônansy masina izany. Manatanteraka izany eo ambany fitarihan’ny Tompo izy ary mampanantena an’ilay mpivady ireo fitahian’ny fisandratana. Ampianariny azy ireo ny zavatra izay tsy maintsy ataon’izy ireo mba hahazoana ireo fitahiana ireo. Mampahatsiahy azy ireo izy fa ny fitahiana rehetra dia miankina amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra.

Raha toa isika ka manambady amin’ny alalan’ny fahefana hafa noho ny fisoronana any amin’ny tempoly dia ho mandritra izao fiainana izao ihany ny fanambadiana. Aorian’ny fahafatesana dia tsy misy intsony ny fifandraisana eo amin’izy roa tonta na eo amin’ny zanany koa. Manome antsika fahafahana mba hitohizan’ny fianakaviana aorian’izao fiainana izao ny fanambadiana mandrakizay.

Ireo Tombontsoa avy amin’ny Fanambadiana Mandrakizay

  • Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana mandrakizay eto amin’ity fiainana ity sy mandrakizay?

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia miaina ao anatin’ny fananana tanjona mandrakizay isika fa tsy miaina amin’izao fotoana izao fotsiny. Kanefa, afaka mahazo fahasoavana isika eto amin’ity fiainana ity vokatry ny fanambadiantsika mandrakizay. Ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo fitahiana ireo:

  1. Mahafantatra isika fa afaka ny haharitra mandrakizay ny fanambadiantsika. Mampisaraka antsika mandritra ny fotoana fohy fotsiny ny fahafatesana. Tsy misy zavatra afaka mampisaraka antsika mandrakizay afa-tsy ny tsy fankatoavantsika. Izany fahalalana izany dia manampy antsika hiasa mafy kokoa mba hananana fanambadiana sambatra sy mahomby.

  2. Fantatsika fa afaka mitohy hatrany amin’ny mandrakizay ny fifandraisan’ny fianakaviantsika. Ny fahalalana izany dia manampy antsika hitandrina eo amin’ny fampianarana sy fitaizana ny zanatsika. Izany koa dia manampy antsika hampiseho faharetana sy fitiavana bebe kokoa. Tokony hanana tokantrano sambatra kokoa isika vokatr’izany.

  3. Noho isika nanambady araka ny fomba napetrak’Andriamanitra, dia hirotsaka bebe kokoa eo amin’ny fanambadiantsika ny Fanahy rehefa mitoetra ho mendrika isika.

Ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo fitahiana izay ho azontsika any amin’ny mandrakizay:

  1. Afaka ny hiaina any amin’ny ambaratonga ambony indrindran’ny fanjakana selestian’Andriamanitra isika.

  2. Afaka hahazo ny fisandratana toa an’Andriamanitra isika ary hahazo ny fahafenoan’ny fifaliana.

  • Ahoana no ahafahan’ny fananana tanjona mandrakizay mitondra fiantraikany eo amin’ny zavatra tsapantsika momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

Tokony Hiomana amin’ny Fanambadiana Mandrakizay Isika

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny tanora hiomana amin’ny fanambadiana mandrakizay?

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Ny fanambadiana no fanapahan-kevitra tena manan-danja indrindra ao anatin’ny hafa rehetra ary misy fiantraikany maharitra satria tsy mahakasika fotsiny ny fahasambarana amin’izao fotoana izao izany fa ny fifaliana mandrakizay ihany koa. Tsy eo amin’ilay olona roa voakasik’izany fotsiny no hisehoan’ny fiantraikany fa eo amin’ny fianakaviany koa ary indrindra indrindra ny zanany sy ny zanaky ny zanany hatrany amin’ireo taranaka maro hifandimby. Rehefa misafidy ilay ho namana mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay, dia tena tokony hatao ny fanaovana drafitra sy ny fieritreretana amim-pahamalinana tsara ary ny fanaovana vavaka sy fifadian-kanina mba hahazoana toky fa ity iray ity dia tsy tokony ho fanapahan-kevitra ratsy eo anatrehan’ny hafa rehetra” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 193).

Ny fanambadiana mandrakizay no tokony ho tanjon’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra. Mitombina ihany koa izany na dia ho an’ireo izay efa nanao fanambadiana ara-panjakana aza. Mieritrereta sy mivavaha mafy rehefa hiomana amin’ny fanambadiana mandrakizay. Ny mpikamban’ny Fiangonana izay miaina amim-pahamarinana ihany no mahazo lalana hiditra ny tempoly (jereo F&F 97:15–17). Tsy manapa-kevitra tampoka fotsiny isika indray andro any hoe te hanambady any amin’ny tempoly ka hiditra ny tempoly amin’izay andro izay ary dia hanambady. Mila manatanteraka ireo zavatra sasantsasany izay takiana isika.

Alohan’ny ahafahantsika mandeha any amin’ny tempoly dia tsy maintsy mpikamban’ny Fiangonana mavitrika sy mendrika farafahakeliny herintaona isika. Tsy maintsy manana ny Fisoronana Melkizedeka ny lehilahy. Tsy maintsy manao dinidinika amin’ny filohan’ny sampana isika na ny eveka. Raha hitany isika fa mendrika dia homeny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Raha tsy mendrika isika, dia homeny torohevitra ary hampiany amin’ny fametrahana tanjona mba ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly.

Rehefa avy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny evekantsika na ny filohan’ny sampana isika dia tsy maintsy manao dinidinika amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna. Hametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto isika mandritra ny dinidinika hahazoana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly:

  1. Moa ve ianao manana finoana an’Andriamanitra, Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo? Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny?

  2. Moa ve ianao manohana ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho toy ny mpaminany, mpahita ary mpanambara? Moa ve ianao manaiky azy ho hany olona eto an-tany izay nomena fahefana hampiasa ny fanalahidy rehetran’ny fisoronana?

  3. Moa ve ianao miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  4. Moa ve ianao mandoa fahafolonkarena feno?

  5. Moa ve ianao manaja ny Tenin’ny Fahendrena?

  6. Moa ve ianao marin-toetra eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa?

  7. Moa ve ianao miezaka ny mitandrina ny fanekempihavanana izay nataonao, manatrika ny fivoriana Fanasan’ny Tompo sy ny fivorian’ny fisoronana ary mampifanaraka ny fiainanao amin’ireo lalàna sy didin’ny filazantsara?

Rehefa mangataka fahazoan-dalana hiditra ny tempoly ianao dia tokony hahatsiaro fa tombontsoa tena masina ny fidirana ny tempoly. Zavatra atao amim-pahamatorana izany fa tsy zavatra tokony hamaivanina.

Tokony hikatsaka fatratra ny hankatò ny fanekempihavanana rehetra ataontsika any amin’ny tempoly isika. Nilaza ny Tompo fa raha marina sy mahatoky isika dia hahazo ny fisandratantsika. Ho lasa toy ny Raintsika any An-danitra isika. (Jereo F&F 132:19–20.) Mendrika hanaovana ny fahafoizan-tena rehetra ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Fomba ahafahana mahazo fitahiana mandrakizay maro tsy tambo isaina izany.

  • Inona no azontsika hatao mba hamporisihana ny tanora hametraka tanjona mba hanambady any amin’ny tempoly? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hiomana amin’izany?

Soratra Masina Fanampiny

Hamoaka printy