Boky sy lesona
Toko 27: Asa sy Andraikitry ny Tena Manokana


Toko 27

Asa sy Andraikitry ny Tena Manokana

A man working indoors on a lathe.

Fitsipika Mandrakizay ny Asa

  • Inona no zavatra efa niainanao izay nampiseho anao ny lanjan’ny asa?

Ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nampiseho antsika tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony sy ny fampianarany, fa zava-dehibe ny asa any an-danitra sy eto an-tany. Niasa Andriamanitra rehefa nanao ny lanitra sy ny tany. Nanao izay hitambaran’ny ranomasina amin’ny toerana iray Izy sy nanao izay hipoiran’ny tany maina. Nanao izay hampaniry ny ahitra sy ny hazo teo amin’ny tany Izy. Nanao ny masoandro, ny volana sy ny kintana Izy. Nanao ireo zava-manan’aina rehetra tany anaty ranomasina sy tety an-tany Izy. Avy eo dia nametraka an’i Adama sy Eva teto an-tany Izy mba hikarakara izany sy hanjaka amin’ireo zavamananaina rehetra. (Jereo Genesisy 1:1–28.)

Hoy i Jesoa hoe: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa” (Jaona 5:17). Niteny koa Izy hoe: “Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy” (Jaona 9:4).

Nodidiana Mba Hiasa Isika

Efa lalan’ny fiainana teto an-tany hatramin’ny nandaozan’i Adama sy Eva ny Sahan’i Edena ny miasa. Hoy ny Tompo tamin’i Adama hoe: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina” (Genesisy 3:19). Niasa ny tany i Adama sy Eva mba hahafahan’izy ireo hivelona sy hamelona ny zanany (jereo Mosesy 5:1).

Hoy ny Tompo tamin’ny vahoakan’i Isiraely hoe: “Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharaha rehetra” (Eksodosy 20:9).

Tany am-piandohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, dia nilaza tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Tompo hoe: “Ankehitriny, Izaho Tompo dia tsy mankasitraka ny mponin’i Ziona, fa misy kamo eo anivony” (F&F 68:31).

Hoy ny mpaminan’Andriamanitra anankiray hoe: “Ny asa dia tsy maintsy haverina ho toy ny fitsipika mitarika ny fiainan’ny mpikamban’ny Fiangonantsika” (Heber J. Grant, Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Heber J. Grant [2002], 115).

Andraikitra eo amin’ny Fianakaviana

  • Inona avy ireo andraikitra sasan’ny ray sy ny reny ary ny zanaka mba hikolokoloana ny tokantrano? Inona no azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana hatao mba hananany anjara asa?

Miara-miasa ny ray aman-dreny mba hanomezana filaminana ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po ho an’ny fianakaviany. Tsy tokony hanantena an’iza na iza izy ireo mba hanatanteraka izany andraikitra izany eo amin’ny toerany. Nanoratra ny Apôstôly Paoly hoe:“Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza” (1 Timoty 5:8).

Ny mpivady dia tokony hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo sy hanaraka ny torohevitry ny mpaminany rehefa mametraka ny andraikitry ny tsirairay. Ny fanorenana tokantrano izay toerana ahitana fampianarana ny fitsipiky filazantsara isan’andro ary ahitana fitiavana sy filaminana be dia be, dia manan-danja toy ny fanomezana sakafo sy fitafiana tena ilaina ihany.

Tokony hanao ny anjara asany eo anivon’ny fianakaviana ny zanaka. Ilaina ny manome asa izay mifanaraka amin’ny fahaiza-manaon’ny zanaka. Mila dokafana noho ny fahombiazany izy ireo. Ny toetra sy fahazarana ary fahaiza-manao tsara eo amin’ny asa dia azo avy amin’ireo zavatra natao izay nahitana fahombiazana tany an-trano.

Indraindray mandalo fahasahiranana ny olona eo amin’ny famelomana ny fianakaviany. Mety hampitombo ny andraikitra ao an-tokantrano ny aretina mikiky iray, ny fahafatesan’ny vady na ny fisian’ny ray aman-dreny efa antitra. Mahatsiaro ny fianakaviana ao anatin’izany toe-javatra izany ny Raintsika any An-danitra ary manome hery azy ireo mba hanatanterahany ny andraikiny. Hitahy azy ireo foana Izy rehefa mangataka amim-pinoana Aminy izy ireo.

Afaka Mitia ny Asa Ataontsika Isika

  • Inona no fiantraikan’ny toetrantsika eo amin’ny asantsika?

Ho an’ny olona sasany dia tsy mahafinaritra ny miasa. Ho an’ny sasany dia zavatra iray ao amin’ny fiainana izay tena mahafinaritra izany. Ny fomba iray hahazoana ny tombontsoa feno avy amin’ny fiainana dia ny mitia ny asa.

Tsy isika rehetra anefa no mba afaka misafidy izay karazan’asa tiantsika hatao. Misy ny sasany miasa mandritra ny ora maro mba hahazoana izay zavatra tena ilaina fotsiny. Sarotra ny hitia ny karazan’asa toy izany. Kanefa ny olona tena sambatra dia izay nianatra nitia ny asany na inona izany na inona.

Afaka mifanampy isika eo amin’ny asantsika. Lasa maivana kokoa ilay entana tena mavesatra rehefa zaraina amin’olon-kafa izany.

Tena zava-dehibe ny toetrantsika eo anatrehan’ny asa. Ity tantara manaraka ity dia mampiseho ny fandraisan’ny lehilahy iray ny asa isan’andro ho toy ny zavatra mihoatra noho izany. Nandalo toerana fihadiam-bato ny mpandeha iray ary nahita lehilahy anankitelo niasa. Nanontany tsirairay an’ireo lehilahy ireo momba izay zavatra ataony izy. Ny valinteny nomen’ny tsirairay avy tamin’ireo lehilahy ireo dia nampiseho fahasamihafan-toetra teo anatrehan’ilay asa iray ihany. “Mamaky vato aho,” hoy ny valintenin’ilay lehilahy voalohany. Namaly ilay faharoa hoe: “Mahazo farantsa volamena telo isan’andro aho.” Ilay lehilahy fahatelo dia nitsiky ary nilaza hoe: “Mitondra fanampiana amin’ny fananganana ny tranon’Andriamanitra aho.”

Afaka manompo an’Andriamanitra isika ao anatin’izay asa mendrika rehetra. Hoy i Benjamina Mpanjaka izay, mpaminany Nefita iray hoe: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17). Raha toa ny asantsika ka tsy ahazoana afa-tsy izay tena ilain’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika fotsiny dia mbola manampy ny zanak’Andriamanitra sasany ihany isika.

  • Ahoana no ahafahantsika manatsara ny toetrantsika eo amin’ny lafin’ny asa?

Manameloka ny Hakamoana Andriamanitra

Tsy faly amin’ireo izay kamo sy midonana-poana ny Tompo. Hoy Izy hoe: “Ny midonana-poana dia tsy hanan-toerana ao amin’ny fiangonana, raha tsy mibebaka izy ary manova ny lalany” (F&F 75:29). Nanome didy koa Izy hoe: “Tsy hidonana-poana ianao; fa izay midonana-poana dia tsy hihinana ny mofo na hanao ny fitafian’ny mpiasa” (F&F 42:42).

Tany am-piandohan’ny Fiangonana, dia nampianatra ny Olomasin’ny Andro Farany ireo mpaminany mba hahaleo-tena sy hizaka tena ary hisoroka ny fidonana-poana. Ny Olomasin’ny Andro Farany marina dia tsy hanala an-tsitrapo eo aminy ny andraikitra mavesatra zakainy. Noho izany raha mbola afaka izy ireo dia hanao izay hanomezany ny tenany sy ny fianakaviany ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana.

Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia tokony hanaiky araka izay tratry ny heriny, ny andraikitra hikarakara ireo havana izay tsy afaka mamelona ny tenany.

  • Inona no fiantraikan’ny fidonana-poana eo amin’ny olona anankiray? eo amin’ny fianakaviana iray? eo amin’ny fiaraha-monina?

Asa, Fialam-boly ary Fialan-tsasatra

  • Nahoana no zava-dehibe ny mitazona ny fahaizana mandanjalanja ny asa sy ny fialam-boly ary ny fialan-tsasatra eo amin’ny fiainana?

Tokony samy hahay handanjalanja tsara ny asa sy ny fialam-boly ary ny fialan-tsasatra isika. Misy fomba fiteny taloha milaza hoe: “Ny tsy manao na inona na inona no asa mafy indrindra, satria tsy sasatry ny miala sasatra ilay olona.” Raha tsy misy ny asa dia tsy hisy dikany ny fialan-tsasatra sy fakana aina.

Tsy hoe mahafinaritra sy ilaina fotsiny ny miala sasatra fa nodidiana isika mba hiala sasatra amin’ny andro Sabata (jereo ny Eksodosy 20:10; F&F 59:9–12). Izany andro hialana sasatra izany taorian’ireo andro enina tsirairay niasana dia mitondra hery vaovao ho an’ireo andro manaraka. Nampanantena ny “fahafenoan’ny tany” ho an’ireo izay manaja ny andro Sabata koa ny Tompo (jereo F&F 59:16–20; jereo koa ny toko 24 ao amin’ity boky ity)

Mandritra ireo andro hafa ao anatin’ny herinandro, ankoatra ny asa, dia afaka manokana fotoana isika mba hampivoarana ny talentantsika ary hialana voly sy hanaovana zavatra hafa izay hamelombelona ny aintsika.

  • Inona no azontsika atao mba hitazonana ny fahaizana mandanjalanja ny asa, sy ny fialam-boly ary ny fialan-tsasatra? Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany hahay hitazona izany fahaizana mandanjalanja izany?

Ireo Fitahiana avy amin’ny Asa

  • Inona avy ireo fitahiana sasany azo avy amin’ny asa mendrika?

Nanambara tamin’i Adama Andriamanitra hoe: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina” (Genesisy 3:19). Ankoatra ny maha-lalàna eto amin’izao tontolo izao azy, dia lalàna ho famonjena ny fanahin’i Adama koa izany. Tsy dia misy fizarazarana loatra eo amin’ny asa ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana. Ilaintsika ny asa mba hivoarana, hivelaran’ny toetra sy hahazoana fahafaham-po maro izay tsy ho azon’izay midonana-poana na oviana na oviana.

Hoy ny Filoha David O. McKay hoe: “Aoka isika hahatsapa fa ny fahafahana miasa dia fanomezana, ny hery ahafahana miasa dia fitahiana ary ny fitiavana ny asa dia fahombiazana” (Pathways to Happiness [1957], 381).

“Misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25). Ny asa no fanalahidin’ny fifaliana feno ao amin’ny drafitr’Andriamanitra. Raha tsara toetra isika dia hiara-hiaina indray amin’ny Raintsika any An-danitra ary hanana asa hatao isika. Rehefa lasa toa Azy isika, dia ho lasa toy ny asany ny asantsika. Ny asany dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Soratra Masina Fanampiny