Toko 32
Fahafolonkarena sy Fanatitra
Mandoa Fahafolonkarena sy Fanatitra
-
Nahoana no mampiseho ny fankasitrahantsika ny Raintsika any An-danitra noho ny fitahiana rehetra nomeny antsika ny fahavononantsika handoa ny fahafolonkarena sy ny fanatitra?
Nomena didy isika mba hanomanana antsika amin’ny fomba rehetra hiaina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Nomeny fomba iray isika mba hisaorana Azy noho ny fitahiana azontsika. Ny fandoavana amim-pahavononana fahafolonkarena sy fanatitra dia fomba iray isaorantsika Azy. Rehefa mandoa ireo fanatitra ireo isika dia mampiseho fa tia Azy ary hankatò ny toroheviny.
-
Nahoana no manampy antsika hisaotra ny Raintsika any An‑danitra ny fandoavana ny fahafolonkarena sy fanatitra
Mankatò ny Lalàn’ny Fahafolonkarena
-
Inona no atao hoe fahafolonkarena marina?
I Abrahama sy Jakoba fahiny dia nankatò ilay didy handoa ny ampahafolon’ny vola niditra tamin’izy ireo (jereo Hebreo 7:1–10; Genesisy 14:19–20; 28:20–22).
Tamin’izao vanimpotoana maoderina izao dia nivavaka ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tompo ô! Asehoy ny mpanomponao ny ampahany takianao amin’ny fananan’ny vahoakanao ho fahafolonkarena” (F&F 119, Sasintenin’ny fizarana). Namaly ny Tompo hoe: “Ary izany no fiandohan’ny fahafolonkarenan’ny vahoakako. Ary aorian’izany, ireo izay efa nandoa izany fahafolonkarena izany dia handoa ny iray ampahafolon’izay rehetra miditra aminy isan-taona; ary izany dia ho lalàna raikitra ho azy ireo mandrakizay, ho an’ny fisoronako masina, hoy ny Tompo” (F&F 119:3–4). Nanazava ny Fiadidiana Voalohany fa ny “iray ampahafolon’izay rehetra miditra aminy isan-taona” dia midika hoe ny karamantsika (Jereo ny Taratasy nalefan’ny Fiadidiana Voalohany, 19 Marsa 1970).
Rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia mampiseho ny fahatokiantsika ny Tompo. Mampianatra ny zanatsika ny lanjan’izany lalàna izany koa isika. Ho te hanaraka ny ohatra asehontsika izy ary handoa fahafolonkarena amin’ny alalan’ny vola izay azony.
-
Nahoana ny fahafolonkarena no fitsipika iray eo amin’ny lafin’ny finoana fa tsy dia fitsipika iray eo amin’ny lafiny ara-bola loatra?
-
Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampianarana ny zanany handoa fahafolonkarena sy hahatakatra ny lanjan’izany?
Tokony Hanome An-tsitrapo Isika
-
Nahoana no zava-dehibe ny toe-panahintsika rehefa mandoa fahafolonkarena isika?
Zava-dehibe ny fanomezana an-tsitrapo. “Raha misy olona mandoa tsy amim-pifaliana ny fahafolonkarenany dia efa nesorina taminy ny ampahan’ny fitahiany. Tsy maintsy mianatra ny hanome amin’ny fomba miramirana sy an-tsitrapo ary amim-pifaliana izy ary hiteraka fitahiana izany fanomezany izany” (Stephen L Richards, The Law of Tithing [pamphlet, 1983], 8).
Nampianatra i Paoly Apôstôly fa mitovy ny lanjan’ny fomba hanomezantsika sy ny lanjan’ny zavatra omentsika. Hoy izy hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanao izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” (2 Korintiana 9:7).
-
Midika inona aminao ny hoe “mpanome amin’ny fifaliana” ?
Fahafolonkarena sy Fanatitra Hafa
-
Ahoana no fomba ampiasan’ny Fiangonana ny vola avy amin’ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa?
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia manome fahafolonkarena sy fanatitra hafa ny Tompo isika.
Fahafolonkarena
Ampiasain’ny Fiangonana amin’ny antony maro ny fahafolonkarena. Ny sasany amin’izy ireo dia:
-
Hananganana sy hikarakarana ary hampandehanana ny asa ao amin’ny tempoly, trano fivoriana ary ireo trano hafan’ny Fiangonana.
-
Hanomezana vola hampandehanana ny tsatòka, ny paroasy ary ireo vondrona hafan’ny Fiangonana. (Ireo vondrona ireo dia mampiasa izany vola izany hanatanterahana ireo fandaharan’asa eo amin’ny lafiny ara-panahy ao amin’ny Fiangonana sy hanatanterahana ireo fiaraha-mientana ara-tsôsialy)
-
Hanampiana ny fandaharan’asan’ny asa fitoriana.
-
Hampianarana ny zatovo any amin’ny sekoly sy ny seminera ary ny institiota fianarana ny filazantsara izay an’ny Fiangonana.
-
Hanontana sy hizarana ireo boky fianarana.
-
Hanampiana ny fanaovana tetiarana sy ny asa atao any amin’ny tempoly.
Ireo Fanatitra Hafa
Fanatitra avy amin’ny Fifadian-kanina. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia mifady hanina indray mandeha isam-bolana ka tsy mihinana sakafo roa mifanaraka ary tsy misotro koa. Manome farafahakeliny ny vola tokony ho nolaniany tamin’ilay sakafo izy ireo. Afaka manome amim-pahalalahan-tanana araka izay tratrany izy ireo. Antsoina hoe fanatitry ny fifadian-kanina izany fanatitra izany. Ireo fanatitry ny fifadian-kanina ireo dia ampiasain’ny eveka mba hanomezana hanina, toeram-pialofana, fitafiana ary fitsaboana ho an’izay sahirana. (Jereo ny toko faha-25 ao amin’ity boky ity.)
Ao anatin’ny andro fifadian-kanina dia manatrika fivoriana iray antsoina hoe fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona ny mpikambana, izay hifampizaran’izy ireo ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy sy ny filazantsarany.
Ireo Fanomezana Hafa. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia afaka manome vola ho an’ny ezaka hafa ataon’ny Fiangonana, toy ny asa fitoriana, ny Fonds Perpétuels d’Études, ny fananganana tempoly ary ny asa enti-miantra olona.
Asa Fanompoana. Ny mpikambana koa dia manolotra ny fotoanany sy ny talentany ary izay ananany hanampiana ny hafa. Izany asa fanompoana izany dia ahafahan’ny Fiangonana manampy izay mpikambana na tsy mpikambana sahirana manerana an’izao tontolo izao eo anivon’ny fiaraha-monina, eo anivon’ny firenena iray ary eo anivon’ny firenena samy hafa, indrindra rehefa misy loza mitranga.
Mahazo Fitahiana Isika Rehefa Mandoa Fahafolonkarena sy Fanatitra
Mampanantena ny Tompo fa hitahy antsika rehefa mandoa amim-pahatokiana ny fahafolonkarenantsika sy ny fanatitsika isika. Hoy izy hoe: “Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho… raha tsy hovohako ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo” (Malakia 3:10).
Ny fanambaran’ny andro farany dia milaza fitahiana iray hafa ho an’ireo izay mandoa fahafolonkarena: “Marina tokoa fa andron’ny fahafoizan-tena izany, ary andro fandoavana ny fahafolonkarena ny oloko; fa izay mandoa fahafolonkarena dia tsy hodorana amin’ny fiaviany” (F&F 64:23).
Ny fitahiana nampanantenaina antsika dia sady ara-batana no ara-panahy. Raha manome an-tsitrapo isika dia hanampy antsika amin’ny fahazoana izay ilaintsika isan’andro eo amin’ny lafin’ny sakafo, fitafiana ary toeran-kialofana ny Ray any An-danitra. Raha niresaka tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany Philippines ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nilaza fa raha toa ny olona “manaiky ny filazantsara ary miaina izany, mandoa ny fahafolonkarena sy ny fanatitra, na dia mety ho kely aza izany, dia hitazona ilay fampanantenana nataony tamin’izy ireo fahiny ny Tompo, ary hanana vary ao an-doviany izy ireo ary akanjo hotafiany sy fialofana eo ambonin’ny lohany. Tsy mahita vahaolana hafa aho. Mila hery lehibe kokoa noho izay hery misy eto an-tany izy ireo mba hampitraka sy hanampy azy ireo” (“Inspirational Thoughts,” Ensign, Aôg. 1997, 7). Ny Tompo koa dia hanampy antsika hivoatra “eo amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona, ary hanana hery bebe kokoa hiainana ny filazantsara sy hitaomana ny fianakaviantsika hanao izany koa” (Teachings of the Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Heber J. Grant [2002], 124).
Tena mahazo fitahiana lehibe izay mandoa ny fahafolonkareny sy ny fanatiny. Mahatsapa tsara izy ireo fa manampy ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
-
Inona avy ireo fitahiana azonao na ny olona ao amin’ny fianakavianao na ny namanao tamin’ny alalan’ny fandoavana ny fahafolonkarena na ireo fanatitra hafa?
Soratra Masina Fanampiny
-
F&F 119:1–4 (ny lalàn’ny fahafolonkarena)
-
Genesisy 14:18–20; Almà 13:13–16 (Nandoa fahafolonkarena i Abrahama)