Boky sy lesona
Toko 12: Ny Sorompanavotana


Toko 12

Ny Sorompanavotana

Jesus Christ depicted leaning on a rock in the Garden of Gethsemane. The image depicts the Atonement of Christ.

Ilaina ho an’ny Famonjena Antsika ny Sorompanavotana

  • Nahoana no ilaina ho an’ny famonjena antsika ny Sorompanavotana?

I Jesoa Kristy dia “tonga teto amin’izao tontolo izao … mba hohomboana ho an’izao tontolo izao sy hitondra ny fahotan’izao tontolo izao, ary mba hanamasina izao tontolo izao sy hanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra; mba ho amin’ny alalany no hahazoana mamonjy ny rehetra” (F&F 76:41–42). Ilay sorona lehibe nataony hanefana ny vidin’ny otantsika sy handresena ny fahafatesana dia antsoina hoe Sorompanavotana. Izany no zava-niseho tena manan-danja indrindra izay niseho teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona hatramin’izay: “Fa ilaina ny hanaovana ny sorompanavotana; fa araka ny drafitra lehiben’Ilay Andriamanitra Mandrakizay dia tsy maintsy misy sorompanavotana atao, fa raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra … eny, lavo sady very ny rehetra, ary tsy maintsy ho faty raha tsy noho ny sorompanavotana izay ilaina hatao” (Almà 34:9).

Ny Fahalavoan’i Adama dia nitondra karazana fahafatesana anankiroa teto amin’izao tontolo izao: fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy. Ny fahafatesan’ny vatana dia ny fisarahan’ny vatana sy ny fanahy. Ny fahafatesana ara-panahy dia ny fisarahana amin’Andriamanitra. Raha toa ka tsy noresen’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo karazana fahafatesana anankiroa ireo, dia ho anankiroa ny vokatra aterak’izany: ho tafasaraka mandrakizay ny vatantsika sy ny fanahintsika ary tsy ho afaka ny hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra isika (jereo 2 Nefia 9:7–9).

Saingy nanomana drafitra mahagaga sy feno famindram-po ny Raintsika any An-danitra izay feno fahendrena, mba hamonjena antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy. Nanomana Mpamonjy iray Izy mba ho tonga ety an-tany mba hanavotra antsika amin’ny fahotana sy fahafatesana. Noho ny fahotantsika sy ny fahelemen’ny vatantsika dia tsy afaka manavotra ny tenantsika isika (jereo Almà 34:10–12). Ilay ho Mpamonjy antsika dia tsy maintsy olona tsy misy ota ary manana ny hery handresena ny fahafatesana.

I Jesoa Kristy no Ilay Hany Afaka Nanao Sorona ho an’ny Fahotantsika

  • Nahoana no i Jesoa Kristy no ilay hany afaka nanao sorona ho an’ny fahotantsika?

Antony maro no nahatonga an’i Jesoa Kristy ho hany olon-tokana afaka namonjy antsika. Anisan’ny iray amin’izany antony izany ny nifidianan’ny Ray any an-danitra Azy ho Mpamonjy. Izy ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ka noho izany dia nanana hery handresena ny fahafatesana. Nanazava i Jesoa hoe: “Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra Azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray” (Jaona 10:17–18).

Voafidy ho Mpamonjy antsika koa i Jesoa satria Izy irery ihany no olona niaina teto an-tany hatramin’izay ka tsy nanota. Izany dia nahatonga Azy ho sorona mendrika hanefana ny vidin’ny otan’ny hafa.

Nijaly sy Maty i Kristy mba Hanonitra ny Fahotantsika

  • Rehefa mamaky ity fizarana ity ianao dia alaivo sary an-tsaina hoe tao amin’ny Sahan’i Getsemane na teo amin’ny hazofijaliana ianao toy ny vavolombelona nahita ny fijalian’i Kristy.

Nanonitra ny fahotantsika ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fijaliany tao Getsemane sy tamin’ny fanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy vitantsika ny mahatakatra tanteraka ny fomba nijaliany noho ny otantsika rehetra. Tamin’Izy tao Getsemane dia niteraka fangirifiriana mafy teo Aminy ny vesatry ny otantsika ka nivoa-dra ny mason-kodiny rehetra (jereo F&F 19:18–19). Taty aoriana rehefa nihantona teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia nizaka fahafatesana nampijalijaly tamin’ny alalan’ny fomba tena feno habibiana farany fantatry ny olombelona i Jesoa.

Tena tia antsika i Jesoa matoa niaritra fijaliana ara-panahy sy ara-batana toy izany mba hahasoa antsika! Tena lehibe ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ka nandefa ny Zanany Lahitokana Izy mba hijaly sy ho faty ho an’ireo Zanany sisa. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Mitondra Fitsanganana amin’ny Maty ho an’ny Rehetra ilay Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny Maty

Tamin’ny andro fahatelo taorian’ny fanomboana Azy, dia niverina tao amin’ny vatany indray i Kristy ary Izy no olona voalohany nitsangana tamin’ny maty. Rehefa nandeha nitady Azy ny namany dia nilaza tamin’izy ireo ilay anjely niambina ny fasany hoe: “Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy.” (Matio 28:6). Niditra tao amin’ny Vatany indray ny Fanahiny ary tsy hisaraka intsony.

Noho izany dia nandresy ny fahafatesan’ny vatana i Kristy. Noho ny Sorompanavotany dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra teraka eto amin’ity tany ity (jereo 1 Korintiana 15:21–22). Toy ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia hatambatra amin’ny vatantsika indray ny fanahintsika, “ka tsy [ho faty] intsony […] , tsy hisaraka intsony” (Almà 11:45). Antsoina hoe tsy fahafatesana izany toe-javatra izany. Izay olona rehetra efa niaina dia hitsangana amin’ny maty avokoa, “na antitra na tanora, na mpifatotra na olon’afaka, na lahy na vavy, na ny ratsy na ny marina” (Almà 11:44).

  • Ahoana no fomba nanampian’ny fahalalanao momba ny Fitsanganana amin’ny maty anao?

Ny Sorompanavotana no Ahafahan’ireo izay Mino an’i Kristy ho Voavonjy amin’ny Fahotana.

  • Eritrereto ny fomba hanampian’ilay fanoharana ao amin’ity fizarana ity antsika hahatakatra ny Sorompanavotana. Iza ireo olona ao anatin’ilay fanoharana eo amin’ny fiainantsika?

Manao izay ahafahantsika mandresy ny fahafatesana ara-panahy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Na dia hitsangana amin’ny maty aza ny olona rehetra dia ireo izay manaiky ny Sorompanavotana ihany no hovonjena amin’ny fahafatesana ara-panahy (jereo Fanekem-pinoana 1:3).

Manaiky ny Sorompanavotan’i Kristy isika amin’ny alalan’ny fananantsika finoana Azy. Amin’ny alalan’izany finoana izany, dia mibebaka amin’ny fahotantsika isika sy hatao batisa ary mandray ny Fanahy Masina sy mankatò ny didiny. Lasa mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy isika. Voavela sy voadio ny fahotantsika ary vonona ny hiverina sy hiara-hiaina mandrakizay amin’ny Raintsika any An‑danitra isika.

Hoy ny Mpamonjy hoe: “Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly … tahaka Ahy” (F&F 19:16–17). Nanao ny anjarany i Kristy tamin’ny fanonerana ny otantsika. Mba hisian’ny fiantraikan’ny Sorompanavotany tanteraka eo amin’ny fiainantsika dia tokony hiezaka ny hankatò Azy sy hibebaka amin’ny fahotantsika isika.

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy dia nanome ity ohatra manaraka ity mba hampisehoana ny hahafahan’ny Sorompanavotan’i Kristy hamonjy antsika amin’ny fahotana raha toa ka manao ny anjarantsika isika.

“Tantaraiko tantara iray ianareo—fanoharana iray.

“Nisy lehilahy iray izay naniry mafy hahazo zavatra anankiray. Toa zavatra manan-danja kokoa mihoatra noho ny zavatra hafa teo amin’ny fiainany izany. Mba hahatanterahan’ny faniriany dia nanapa-kevitra ny hitrosa vola be izy.

“Efa nampitandremana izy momba izany fitrosana izany ary indrindra indrindra momba ilay mpampindram-bola. Saingy toa tena zava-dehibe ho azy ny nanao ilay zavatra tiany hatao sy hahazo izay tadiaviny teo no ho eo ihany. Nahatoky izy fa afaka ny hamerina izany any aoriana.

“Dia nanao sonia ny taratasy fifanekena izy. Tsy maintsy hamerina ilay vola izany izy rehefa mandeha eny ny fotoana. Tsy niraharaha loatra momba izany anefa izy, satria toa mbola lavitra ilay fe-potoana hamerenana azy. Nahazo izay notadiaviny izy izao ary izay no toa tena nanan-danja taminy.

“Tany an-tsainy tany foana ihany ilay mpampindram-bola ary nandoa vola kely izy tsindraindray saingy toy ny nieritreritra izy fa tsy ho tonga velively ilay fotoana hamerenana azy rehetra.

“Nefa toy ny mahazatra, dia tonga ilay andro ary tapitra ny fe-potoana. Tsy voaloa tanteraka ny trosa. Tonga ilay mpampindram-bola ary nangataka ny handoavana ny vola rehetra.

“Tamin’izay fotoana izay vao tsapany fa tsy hoe manana ny fahefana ny haka ny fananany rehetra fotsiny ilay mpampindram-bola fa manana fahefana handefa azy any am-ponja koa.

Nibaboka izy hoe: “‘Tsy afaka ny handoa ny volanao aho satria tsy manam-bola.’

“‘Dia,’ hoy ilay mpampindram-bola hoe: ‘hampihatra ny ao anatin’ny fifanekena isika ka dia halaina ny fanananao ary hampidirina am-ponja ianao. Nanaiky izany ianao. Safidinao izany. Nanao sonia ny fifanekena ianao ary tsy maintsy ampiharina izany izao.’

“‘Tsy mba azonao halavaina ve ny fotoana handoavana izany na mba ho fafana ilay trosa?’ hoy ilay mpitrosa. ‘Mitadiava fomba mba hahafahako hitazona ny fananako kanefa tsy handeha any am-ponja. Fantatro fa mino ny famindram-po ianao? Tsy mba haneho famindram-po ve ianao?’

“Namaly ilay tompom-bola hoe:‘Mirona amin’ny olona iray foana ny famindram-po. Ianao irery ihany no hahazo tombontsoa amin’izany. Raha maneho famindram-po aminao aho dia tsy ho azoko ny volako. Ny rariny no angatahako. Mino ny fahamarinana ve ianao?’

“‘Nino ny fahamarinana aho tamin’ny fotoana nanaovako sonia ilay fifanekena,’ hoy ilay mpitrosa. ‘Niaraka taminy aho tamin’izany fotoana izany satria nihevitra aho fa hiaro ahy izy. Tsy nila ny famindram-po aho tamin’izany ary tsy mba nieritreritra akory fa hila izany indray andro any. Nihevitra aho fa hanampy antsika sy ianao amin’ny fomba tsy miangatra ny fahamarinana.’

“‘Ny fahamarinana no mangataka anao mba handoa ny vola ao anatin’ny fifanekena na hanaiky ny sazy,’ hoy ilay mpampindram-bola namaly. ‘Izay ny lalàna. Nanaiky izany ianao ary izay no tsy maintsy arahana. Tsy afaka mandroba ny fahamarinana ny famindram-po.’

“Dia teo izy ireo: Ny iray mampihatra ny fahamarinana ary ny iray mitalaho famindram-po. Tsy nisy afaka nahazo fahafaham-po ny roa tonta raha tsy hoe mizaka ny vokatra nateraky ny nataon’ny andaniny ilay ankilany.

“‘Raha tsy manadino ilay trosa ianao dia tsy hisy ny famindram-po,’ hoy ilay mpitrosa nitalaho.

“‘Raha manao izany aho dia tsy hisy ny fahamarinana,’ hoy ny navaliny.

“Toa tsy azo ampiharina miaraka ireo lalàna roa ireo. Tarigetra roa mandrakizay izay toa mifanohitra izy ireo. Tsy misy fomba ve ahafahana sady manome fahafaham-po ny fahamarinana no manome fahafaham-po ny famindram-po koa?

“Misy fomba ka! Azo omena fahafaham-po tanteraka ny lalàn’ny fahamarinana ary azo omena tanteraka ny famindram-po—saingy mitaky ny fandraisan’anjaran’ny olona iray hafa izany. Ary dia nitranga izany tamin’io fotoana io.

“Nanana namana ilay mpitrosa. Tonga mba hanampy izy. Fantany tsara ilay mpitrosa. Fantany fa marivo fisainana izy. Nihevitra izy fa tena adala ilay mpitrosa noho ny firobohany tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany. Na dia izany aza dia te hanampy izy satria tia azy. Nanelanelana azy roa izy ka nitodika tany amin’ilay tompom-bola ary nanolotra ity soso-kevitra ity.

“‘Haloako ilay trosa raha toa ka afahanao amin’ilay fifanekena nataony ilay mpitrosa mba hahafahany hihazona ny fananany sy tsy higadrany.’

“Raha teo am-pandinihina ilay soso-kevitra ilay mpamindram-bola, dia niteny indray ilay mpanalalana hoe: ‘Nitaky ny fahamarinana ianao. Na dia tsy afaka mandoa ny volanao aza izy dia haloako izany. Hahazo ny fahamarinana ianao amin’izay ary tsy afaka ny hangataka mihoatra izany. Tsy ho rariny kosa raha hanao izany ianao.’

“Ary dia nanaiky ilay mpampindram-bola.

“Nitodika tany amin’ilay mpitrosa indray ilay mpanalalana. ‘Raha toa ka haloako ny trosanao, moa ve ianao hanaiky ahy ho toy ny mpampindram-bola anao?’

Nihiaka ilay mpitrosa hoe: “‘Eny dia eny tokoa!’ ‘Nanavotra ahy mba tsy higadra ianao ary nampiseho famindram-po tamiko.’

“‘Dia izao no izy,’ hoy ilay olona malala-tanana, ‘haloanao aty amiko ilay trosa ary izao no mametraka ny fepetra. Tsy ho mora izany saingy azo hatao. Hanome fomba hanaovana azy aho. Tsy mila mandeha any am-ponja ianao.’

“Tamin’izay fomba izay dia azon’ilay mpampindram-bola daholo ny volany. Nahazo ny fahamarinana izy. Tsy nisy fifanekena tsy voahaja.

“Nomena famindram-po kosa ilay mpitrosa. Samy tanteraka ilay lalàna anankiroa. Noho ny fisian’ny mpanalalana dia samy nomena fahafaham-po tanteraka ny fahamarinana sy ny famindram-po” (ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1977, 79–80; na Ensign, Mey 1977, 54–55).

Trosa ara-panahy ny fahotantsika. Raha tsy nisy an’i Jesoa Kristy izay Mpamonjy sy Mpanalalana antsika, dia ho nandoa ny vidin’ny otantsika rehetra isika amin’ny alalan’ny fizakana ny fahafatesana ara-panahy. Saingy noho Izy dia afaka ny hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra isika raha manaja ny fepetrany dia ny mibebaka sy mitandrina ny didiny.

Tena mahafaly ny nanomezan’i Kristy antsika fomba mba hahasitrana antsika amin’ny otantsika. Hoy Izy hoe:

“Indro, efa tonga teo amin’izao tontolo izao aho … mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny fahotana.

“Koa na zovy na zovy no mibebaka sy mankaty Amiko toy ny ankizy madinika, dia izy no horaisiko, fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Indro, ny toa azy no efa nanolorako ny Aiko sy efa nakako izany indray; koa mibebaha ary mankanesa aty Amiko ianareo faran’ny tany, ary aoka ho voavonjy” (3 Nefia 9:21–22).

  • Mieritrereta fomba ahafahanao maneho fankasitrahana noho ny fanomezana ny Sorompanavotana.

Soratra Masina Fanampiny