Boky sy lesona
Chapter 24: Ny Andro Sabata


Toko 24

Ny Andro Sabata

A congregation gathered in a chapel for sacrament meeting.  They are singing a hymn.

Ny Dikan’ny Andro Sabata

  • Inona no atao hoe andro Sabata?

“Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8; jereo koa F&F 68:29).

Ny teny hoe Sabata dia avy amin’ny teny Hebreo iray izay midika hoe fitsaharana. Talohan’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia nankalazaina tamin’ny andro Sabata ny fahatsiarovana ny andro nitsaharan’Andriamanitra taorian’ny nahavitany ny Fahariana. Mariky ny fanekempihavanana teo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany izany. Hitantsika ao amin’ny bokin’i Genesisy fa nanao ny lanitra sy ny tany tao anatin’ny vanimpotoana enina Andriamanitra izay nantsoiny hoe andro: “Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony. Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy” (Genesisy 2:2–3). Amin’izao fotoana izao dia mankalaza ny fahatsiarovana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty koa ny Sabata.

Isaky ny andro fahafito ny andro Sabata. Andro masina izay notendren’Andriamanitra izany mba hitsaharantsika amin’ny asantsika isan’andro ary hitsaohantsika Azy.

Ny Tanjon’ny andro Sabata

  • Ahoana no fomba hanazavanao ny tanjon’ny andro Sabata amin’ny olona iray izay tsy mahalala momba ny Sabata?

I Jesoa dia nampianatra fa ny andro Sabata dia natao ho tombontsoantsika (jereo Marka 2:27). Ny tanjon’ny Sabata dia ny hanomezana andro iray ho antsika ao anatin’ny herinandro izay hampitodihantsika ny saintsika sy ny zavatra ataontsika any amin’Andriamanitra. Tsy natao hitsaharana amin’ny asa fotsiny akory izany andro izany. Andro masina izay tokony ho feno fitsaohana sy fanomezam-boninahitra izany. Rehefa mitsahatra amin’ireo asa fanaontsika isan’andro isika, dia afaka misaintsaina malalaka ireo zavatra ara-panahy ny saintsika. Tokony hanavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny Tompo sy hivoky amin’ny zavatry ny Fanahy isika amin’izany andro izany.

  • Eritrereto ireo zavatra azonao hatao mba hitazonana ao an-tsaina ny tanjon’ny Sabata rehefa miomana amin’izany andro izany ianao isan-kerinandro.

Tantaran’ny Sabata

Ny andro fahafito dia natokan’Andriamanitra ho Sabata tany am-piandohan’ny tany (jereo Genesisy 2:2–3). Hatrany amin’ny fahagolan-tany dia voatazona teo anivon’ny karazan’olona maro teto an-tany ilay fomba fanao hanokanana ny andro fahafito ho masina. Nanavao didy iray mikasika izany andro izany tamin’ny Isiraelita Andriamanitra ka nilaza hoe :“Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasinana azy” (Eksodosy 20:8). Ny fanajana ny andro Sabata koa dia marika iray fa vahoakan’ny fanekempihavanany ny Isiraelita (jereo Eksodosy 31:12–13, 16; Isaia 56:1–8; Jeremia 17:19–27).

Kanefa, nisy mpitondra Jiosy izay nanao lalàna maro tsy ilaina momba ny Sabata. Nasiany fetrany ny toerana afaka handehanan’ny olona tongotra, ary nolazainy ireo karazana vona azo atao amin’ny tady sy ny sisa. Rehefa nisy mpitondra Jiosy sasantsasany nitsikera an’i Jesoa Kristy noho Izy nanasitrana tamin’ny Sabata, dia nampatsiahy azy ireo i Jesoa fa ny Sabata dia natao ho an’ny olona.

Nanaja ny andro Sabata koa ny Nefita araka ny didin’Andriamanitra (jereo Jarôma 1:5).

Amin’izao vanimpotoana maoderina izao dia namerina ny didiny mba hanajantsika ny andro Sabata sy hanamasinantsika izany ny Tompo (jereo F&F 68:29).

Ny Andron’ny Tompo

  • Nahoana ilay Sabata natao tamin’ny andro fahafito no lasa novaina tamin’ny andro voalohany?

Nanaja ny andro fahafito ho Sabata i Kristy sy ny mpianany mandrapahatonga ny Fitsanganany tamin’ny maty. Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia noraisina ho masina ka ho andron’ny Tompo ny Alahady, ho fahatsiarovana ny nitsanganany tamin’ny maty tamin’izany andro izany (jereo Asan’ny Apôstôly 20:7; 1 Korintiana 16:2). Nanomboka tamin’izay, dia noraisin’ireo mpanara-dia Azy ho Sabatan’izy ireo ny andro voalohan’ny herinandro. Tao anatin’ireo toe-javatra anankiroa ireo dia nisy andro enina hiasana ary andro iray hitsaharana sy hitsaohana.

Ny Tompo dia nanome antsika didy mivantana, dia ny mba hanajantsika koa ny Alahady, izay andron’ny Tompo ho toy ny Sabata (jereo F&F 59:12).

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatsiarovana ny Fitsanganana tamin’ny maty hisy fiantraikany eo amin’ny fitsaohantsika amin’ny andro Sabata?

Mitana ny Andro Sabata Ho Masina

  • Inona no dikan’ny hoe mitana ny andro Sabata ho masina?

Ny Tompo dia mangataka amintsika voalohany indrindra mba hanamasina ny andro Sabata. Tao anatin’ny fanambarana iray nomena an’i Joseph Smith tamin’ny 1831, dia nomen’ny Tompo didy ireo Olomasina mba handeha any amin’ny trano fivavahana sy hanatitra ny fanati-pisaorana ary hitsahatra amin’ny asa sy hanatanteraka ny fanompoany ny Avo Indrindra (jereo F&F 59:9–12).

Faharoa, mangataka antsika mba hitsahatra amin’ny asa fanaontsika isan’andro Izy. Midika izany fa tsy tokony hanao asa izay manakana antsika tsy hifantoka tanteraka amin’ny zavatra ara-panahy isika. Hoy ny Tompo tamin’ny Isiraelita hoe: “Aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao” (Eksodosy 20:10). Nilaza tamintsika ireo mpaminanintsika fa tsy tokony hiantsena na hihaza, na hanjono, na hijery lalao ara-panatanjahantena na handray anjara amin’ny zavatra mitovitovy amin’izany isika amin’io andro io.

Nampitandrina anefa ny Filoha Spencer W. Kimball, fa raha matoritory fotsiny fa tsy manao na inona na inona isika mandritra ny Sabata, dia tsy mitana ho masina ilay andro. Ny Sabata dia fotoana natokana ho an’ny eritreritra sy asa mitondra soa. (Jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 170.)

Inona avy ireo karazan-javatra azontsika atao mandritra ny Sabata? Ny mpaminany Isaia dia nanoro hevitra fa tsy tokony hanao izay tiantsika isika fa tokony “hanao ny Sabata ho fahafinaretana, ary nohamasinin’i Jehovah hoe miendrika hohajaina” (Isaia 58:13).

Tokony hieritreritra ireo zavatra tsara azontsika atao amin’ny Sabata isika. Ohatra, afaka mitana ho masina ny Sabata isika amin’ny alalan’ny fanatrehana ny fivoriam-piangonana; famakiana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpitondra antsika ao amin’ny Fiangonana; famangiana ny marary sy ny antitra ary ireo olontiantsika; fihainoana hira mitondra hery ara-panahy sy fihirana ireo hira ao anaty fihirana; fanaovana vavaka feno fiderana sy fisaorana ny Raintsika any An-danitra; fanaovana asa fanompoana any am-piangonana; fanaovana tetiarana; fitantarana tantara mampitombo finoana sy fizarana ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy fizarana ireo zavatra niainana ara-panahy amin’izy ireo; fanoratana taratasy ho an’ny misiônera sy ireo olon-tiana; fifadian-kanina ho an’ny antony iray; ary fanokanana fotoana hiarahana amin’ny ankizy sy ny hafa any an-trano

Rehefa manapa-kevitra momba ireo zavatra hafa azontsika atao tsara amin’ny Sabata isika, dia tokony hanontany tena hoe: Moa ve hitondra fahazavan-tsaina sy fitaomam-panahy ho ahy ity? Moa ve maneho fanajana ny Tompo izany? Moa ve mampitodika ny eritreritro any Aminy izany?

Mety misy fotoana hangatahana antsika mba hiasa ny Sabata. Tokony hisoroka izany isika raha azo atao, saingy raha tena ilaina izany, dia tokony hanao izay hitazonantsika ao am-pontsika hatrany ilay toe-tsaina tokony hananana rehefa mivavaka ny Sabata isika.

  • Mieritrereta zavatra azonao atao mba hanatsarana ny ezaka ataonao hitanana ho masina ny andro Sabata. Raha toa isika ka ray aman-dreny na raibe na renibe, dia mieritrereta zavatra azonao atao mba hanampiana ny zanakao na ny zafikelinao hahatakatra ny dikan’ny Sabata.

Ireo Fitahiana avy amin’ny Fanajana ny Sabata

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa mitana ho masina ny andro Sabata isika?

Raha manaja ny andro Sabata isika, dia afaka mahazo fitahiana ara-panahy sy ara-batana lehibe. Nilaza ny Tompo fa raha mitana ho masina ny andro Sabata amim-pisaorana sy amin’ny fo miramirana isika dia ho feno fifaliana. Nampanantena Izy hoe:

“Anareo ny fahafenoan’ny tany, … na ho hanina, na ho fitafiana, na ho trano, na ho sompitra, na ho saha, na ho tanin’anana, na ho tanimboaloboka;

“Eny, ny zavatra rehetra izay avy amin’ny tany, amin’ny fotoany avy, dia natao ho tombontsoa sy hampiasain’ny olona sady hahafinaritra ny maso no hamalifaly ny fo;

“Eny, ho hanina sy ho fitafiana, ho fankafizana sy ho fanamboloana, hampahery ny vatana sy hamelombelona ny fanahy.” (F&F 59:16–19).

Soratra Masina Fanampiny