Toko 29
Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Fahasalamana
Tempolin’Andriamanitra ny Vatantsika
Ny anankiray amin’ireo fitahiana izay azontsika rehefa tonga teto an-tany isika dia ny vatana nofo sy taolana. Mila vatana nofo sy taolana isika mba hitoviantsika amin’ ny Raintsika any An-danitra. Tena manan-danja ny vatantsika ka nantsoin’ny Tompo hoe tempolin’Andriamanitra izany (jereo 1 Korintiana 3:16–17; 6:19–20). Masina ny vatantsika.
Satria manan-danja ny vatantsika dia tian’ny Raintsika any An-danitra isika mba hikarakara tsara izany. Fantany fa afaka ny ho sambatra kokoa sy ho olona tsara kokoa isika rehefa salama. Afaka miaraka amintsika ny Fanahy Masina raha madio ny vatantsika sy ny saintsika. Fantatry ny Raintsika fa mifanehatra amin’ny fakam-panahy mba tsy hanaja araka ny tokony ho izy ny vatantsika isika na mba hampiditra zavatra manimba ao anatiny. Noho izany antony izany dia nolazainy tamintsika izay zavatra tsara ho an’ny fahasalamantsika ary izay zavatra ratsy. Ny ankamaroan’ny fampahalalana nomen’Andriamanitra antsika momba ny fahasalamana tsara dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89. Antsoina hoe ny Tenin’ny Fahendrena izany fanambarana izany.
Tokony hanaja ny Tenin’ny Fahendrena isika mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly. Raha toa ka tsy manaja ny Tenin’ny Fahendrena isika, dia hiala amintsika ny Fanahin’ny Tompo. Raha manimba ny “tempolin’Andriamanitra,” izay ny vatantsika isika, dia manimba ny tenantsika ara-batana sy ara-panahy.
Nodidiana Isika mba Tsy handray Zavatra Sasantsasany izay Manimba ny Vatantsika
-
Inona avy ireo zavatra izay nodidian’ny Tompo tsy hampidirintsika ao amin’ny vatantsika?
Nodidian’ny Tompo isika mba tsy hisotro divay na zava-pitsotro mahery, izay midika hoe zava-pisotro misy alikaola. Nampianatra ny Fiadidiana Voalohany fa ny zava-pisotro mahery matetika dia mitondra fahasiahana, fahantrana, aretina sy loza ao an-tokantrano. Antony iray mahatonga ny tsy fahamarinan-toetra, ny fahaverezan’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahaverezan’ny fahaizana mandanjalanja tsara izany matetika. Ozona ho an’izay misotro azy izany. (Jereo “Message of the First Presidency,” Improvement Era, Nôv. 1942, 686.) Ny fisotroan’ny reny bevohoka zava-pisotro misy alikaola dia mety hiteraka fahasimbana ara-batana sy ara-panahy eo amin’ny zanany. Lozam-pifamoivoizana maro no ateraky ny olona izay misotro toaka isan-taona.
Niteny tamintsika koa ny Tompo fa “ny paraky sy ny sigara dia tsy natao ho an’ny vatana” (F&F 89:8). Manimba ny vatantsika sy ny fanahintsika izany. Tsy tokony hifoka sigara na hihinam-paraky isika. Ny manam-pahaizana dia nampiseho fa miteraka aretina maro sy mety hanimba ny zaza ao am-bohoka ny sigara.
Nilaza tamintsika koa ny Tompo mba tsy hisotro “zava-pisotro mahamay” (F&F 89:9). Nilaza ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa ny kafe sy ny dite no dikan’izany, izay ahitana zava-manimba. Tokony tsy handray izay zava-pisotro rehetra ahitana zava-manimba isika.
Tsy tokony hampiasa zava-mahadomelina isika afa-tsy rehefa tena ilaina atao fanafody izany. Ny zava-mahadomelina sasany dia tena manimba kokoa aza noho ny toaka sy ny sigara (izay zava-mahadomelina ihany koa). Ireo izay mampiasa zava-mahadomelina tsy araka ny tokony ho izy, dia mila mitady fanampiana, sy mivavaka mba hahazo hery ary mangataka torohevitra amin’ny evekany mba hahafahany mibebaka tanteraka sy ho madio.
Tokony tsy handray izay zavatra fantatsika fa manimba ny vatantsika isika. Tsy tokony handray zavatra izay mampiteraka fahazaran-dratsy eo amintsika isika. Tokony hisoroka ny hatendan-kanina koa isika. Ny Tenin’ny Fahendrena dia tsy milaza amintsika ny zavatra rehetra tsy tokony horaisintsika na hohanintsika, saingy manome torolalana ho antsika izany. Lalàna ara-batana tena sarobidy izany. Ary lalàna ara-panahy lehibe koa. Lasa matanjaka ara-panahy kokoa isika rehefa mankatò ny Tenin’ny Fahendrena. Manadio ny vatantsika isika mba hahafahan’ny Fanahin’ny Tompo hitoetra ao amintsika.
-
Inona ireo zavatra sasany tsy voalaza manokana ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena izay tsy tokony horaisintsika?
Nolazaina Isika fa Misy Zavatra Sasany izay Tsara ho an’ny Vatantsika
-
Araka ny Tenin’ny Fahendrena, dia inona avy ireo zavatra sasany izay nolazain’ny Tompo fa tsara ho antsika?
Tsara ho antsika ny voankazo sy ny anana ary ireo raokandro mahasalama. Tokony hampiasa azy ireo amim-pahendrena sy amim-pisaorana an’Andriamanitra isika.
Nomena mba hataontsika safako koa ny nofon’ny vorona sy ny biby. Kanefa tokony hihinana hena amim-pahalalana onony isika (jereo F&F 49:18; 89:12). Tsara hohanintsika koa ny trondro.
Tsara ho antsika ny serealy. Ny varimbavazaha dia tena tsara ho antsika.
-
Inona no fitahiana azonao avy amin’ny fampiasana ireo zavatra ireo?
Zava-dehibe ny Miasa sy Miala sasatra ary Manao Fanatanjahantena
-
Inona no ifandraisan’ny lalàn’ny fahasalamana amin’ny asa sy ny fialan-tsasatra ary ny fanatanjahantena?
Ankoatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89, dia misy soratra masina hafa izay milaza amintsika ny fomba hatao mba hahasalama. Milaza amintsika izy ireo hoe: “atsaharo ny fidonana-poana; atsaharo ny tsy fahadiovana; … atsaharo ny fatoriana mihoatra noho izay ilaina; vonjeo aloha ny fandrianareo mba tsy hahatonga anareo ho reraka; mifohaza aloha mba hahatonga ny vatanareo sy ny sainareo ho mavitrika” (F&F 88:124). Nolazaina koa isika hoe: “Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra” (Eksodosy 20:9). Manoro hevitra antsika ny Tompo mba tsy hiasa be loatra mihoatra noho ny tanjaka ananantsika (jereo F&F 10:4).
Nilaza tamintsika ny mpaminanin’ny andro farany iray fa tokony hanao izay hahasalama ny vatantsika foana isika. Nanoro hevitra izy hoe: “Ny sakafo mahasalama, ny fanatanjahantena tsy tapaka ary ny torimaso ampy dia ilaina mba hananana vatana tomady, izay toy ny hanatanjahan’ny fandalinana ny soratra sy ny vavaka tsy tapaka ny saina sy ny fanahy” (Thomas S. Monson, ao amin’ny Tatitry ny fihaonambe, Ôkt. 1990, 60; na Ensign, Nôv. 1990, 46).
Ireo Fitahiana Nampanantenaina amin’ny Fiainana ny Lalàn’ny Tompo momba ny Fahasalamana
-
Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa mankatò ny Tenin’ny Fahendrena isika?
Nomen’ny Raintsika any An-danitra lalàn’ny fahasalamana isika mba hampianatra antsika ny fomba hikarakarana ny vatantsika. Milaza amintsika momba ny lalàn’Andriamanitra ny soratra masina: “Tsy ara-nofo ny didy nomeko azy … , satria ny didiko dia ara-panahy” (F&F 29:35). Izany dia midika fa ny didiny mahakasika ny toe-batantsika dia mba hahasoa ny ara-panahintsika.
Rehefa mitandrina ny lalàn’ny Tompo momba ny fahasalamana isika ary mankatò ireo didiny hafa, dia mampanantena Izy fa hitahy antsika ara-batana sy ara-panahy.
Raha eo amin’ny lafin’ny ara-batana dia nampanantenaina fahasalamana tsara isika. Ny vokatr’izany fahasalamana tsara izany dia “hihazakazaka [isika] fa tsy ho sasatra ary handeha fa tsy ho reraka” (F&F 89:20). Fitahiana lehibe izany, saingy ny fitahiana ara-panahy izay nampanantenainy antsika dia mbola lehibe kokoa aza noho ilay fitahiana ara-batana.
Nampanantena antsika ny Tompo fa “hahita fahendrena sy rakitsoa lehiben’ny fahalalana [isika], dia rakitsoa miafina” (F&F 89:19). Hampianarin’ny Fanahy Masina fahamarinana manan-danja isika amin’ny alalan’ny fanambarana. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ny vatantsika no fitaovan’ny fanahintsika. Ao anatin’izany fanambarana mahagaga momba ny Tenin’ny Fahendrena izany, dia lazaina amintsika ny fomba hiarovantsika ny tenantsika amin’ireo fahalotoana izay mety hanarona na hanimba mihitsy ireo retsipamantarana ara-batana ireo izay misy ifandraisany amin’ny fifandraisana amin’ny ara-panahy. Ny Tenin’ny Fahendrena no fanalahidin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana” (ao amin’ny Tatitry ny fihaonambe, Ôkt. 1989, 16; na Ensign, Nôv. 1989, 14).
Ny Tompo koa dia nampanantena fa handalo antsika ny anjely mpandringana. Hoy ny Filoha Heber J. Grant hoe: “Raha toa izaho sy ianao maniry hahazo ny fitahiana avy amin’ny fiainana, sy hahazo fahasalamana ary fahatanjahan’ny vatana sy ny saina; ary raha toa isika ka maniry ny handalovan’ny anjely mpandringana antsika; tahaka ny tamin’ny zanak’i Isiraely, dia tsy maintsy mankatò ny Tenin’ny Fahendrena isika; dia ho voafatotra Andriamanitra ary ho tonga eo amintsika ny fitahiana” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Heber J. Grant [2002], 192).
-
Ahoana no ahafahantsika manampy ny ankizy sy ny tanora hahatakatra ny lanja mandrakizain’ny Tenin’ny Fahendrena?
-
Inona no azontsika hatao mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny namana izay manana olana eo amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena?
Soratra Masina Fanampiny
-
Mpitsara 13:13–14; Ohabolana 20:1; Isaia 5:11–12; Daniela 1 (aza mandray zava-pisotro mahery)
-
F&F 59:16–20 (ny zavatra avy amin’ny tany dia natao ho tombontsoan’ny olona)
-
Ohabolana 23:20–21 (Fampitandremana amin’ny fimamoana, sy ny famosibosehan-kanina ary ny hakamoana)
-
F&F 136:24 (atsaharo ny fimamoana)