Boky sy lesona
Toko 30: Fiantrana


Toko 30

Fiantrana

The Good Samaritan holding up a wounded man's head and giving him a drink. A donkey is in the background.

Inona no Atao Hoe Fiantrana?

  • Ahoana no fomba hamaritanao ny fiantrana?

Taratry ny fitiavana madio nasehony ho an’ny olona rehetra ny fiainan’ny Mpamonjy. Nanolotra ny ainy ho antsika mihitsy aza izy. Ny fiantrana dia izany fitiavana madio nananan’i Jesoa Mpamonjy antsika izany. Nodidiany isika mba hifankatia toy ny nitiavany antsika. Milaza amintsika ny soratra masina fa avy amin’ny fo madio ny fiantrana (jereo 1 Timoty 1:5). Manana fitiavana madio isika rehefa maneho amin’ireo rahalahy sy anabavintsika fiahiana sy fangorahana marina avy amin’ny fo.

Ny Fiantrana no Lehibe Indrindra amin’ireo Hatsaran-toetra

Milaza amintsika ny mpaminany Môrmôna hoe: “Koa mifikira amin’ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona—fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy ary maharitra mandraikizay izany” (Môrônia 7:46–47; jereo koa 1 Korintiana 13; 2 Nefia 26:30; Môrônia 7:44–45, 48).

Nataon’ny Mpamonjy ho ohatra mba ho arahintsika ny Fiainany. Zanak’Andriamanitra Izy. Nanana fitiavana tonga lafatra Izy ary nasehony antsika ny fomba fanehoana fitiavana. Tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony no nampisehony antsika fa ny zavatra ara-panahy sy ara-batana ilain’ny namantsika dia manan-danja toy ny an’ny tenantsika manokana. Talohan’ny nanolorany ny ainy ho antsika, dia hoy Izy hoe:

“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:12–13).

Raha niresaka tamin’ny Tompo i Môrônia dia hoy izy:

“Ary tsaroako koa, satria efa nolazainao fa efa tia izao tontolo izao Ianao, ka nahafoy ny ainao mihitsy ho an’izao tontolo izao. …

“Ary ankehitriny dia fantatro fa izany fitiavana izay efa nanananao ho an’ny zanak’olombelona izany dia ny fiantrana; koa raha tsy manana fiantrana ny olona dia tsy afaka mandova izany fitoerana izay efa nomaninao any amin’ny fonenan-dRainao izany” (Etera 12:33–34).

Mety tsy ilaina ny manolotra ny aintsika toy ny nataon’ny Mpamonjy. Saingy afaka manana fiantrana isika raha toa ka ataontsika ho ivon’ny fiainantsika Izy ary raha manaraka ny ohatra nasehony sy ny fampianarany isika. Isika koa, toy ny Mpamonjy, dia afaka mitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny rahalahintsika sy anabavintsika eto amin’ity tany ity.

  • Nahoana ny fiantrana no lehibe indrindra amin’ny hatsaran-toetra rehetra?

Ny Fiantrana dia ahitana ny fanampiana ny Marary sy ny Malahelo ary ny Mahantra

Nanome fampianarana maro miendrika tantara na fanoharana ny Mpamonjy. Ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy dia mampianatra antsika fa tokony hanome an’izay sahirana isika na namantsika izy ireo na tsia (jereo Lioka 10:30–37; jereo koa James E. Talmage, Jesus the Christ (Jésus Le Christ), boky navoaka faha-3 [1916], 430–32). Ao anatin’izany fanoharana izany, dia nolazain’ny Mpamonjy hoe nisy lehilahy iray izay nanao dia hankany amin’ny tanàna anankiray. Notafihan’ny jiolahy izy teny an-dalana. Nangalariny ny akanjony sy ny volany ary nokapohiny izy, dia nilaozany rehefa saika maty. Nisy mpisorona anankiray tonga avy any, nahita azy, ary nandalo azy. Avy eo dia nisy mpiasan’ny Tempoly iray tonga teo, ary nijery azy dia lasa nanohy ny diany. Fa nisy Samaritana iray kosa izay nankahalain’ny Jiosy, tonga teo, ary rehefa nahita ilay lehilahy izy dia nangoraka azy (jereo ny sary ao amin’ity toko ity). Nandohalika teo akaikiny izy ary nofehezin’ilay Samaritana ny feriny dia nampitaingeniny tamin’ny ampondrany, ka nentiny tany amin’ny tranom-bahiny. Nomeny vola ny tompon’ny tranom-bahiny mba hikarakarana ilay lehilahy mandrapahasitrany.

Nampianatra i Jesoa fa tokony hanome sakafo ny noana isika, sy hanome fialofana an’izay tsy manana ary hampitafy ny mahantra. Rehefa mamangy ny marary na ireo izay any am-ponja isika dia toy ireny manao izany zavatra izany Aminy ireny isika. Mampanantena Izy fa rehefa manao ireo zavatra ireo isika dia handova ny fanjakany. (Jereo Matio 25:34–46.)

Tsy tokony hanandrana ny hierireritra isika hoe mendrika ny fanampiana omentsika marina ve sa tsia ny olona iray (jereo Môsià 4:16–24). Raha efa nokarakaraintsika aloha izay zavatra nilain’ny fianakaviantsika, dia tokony hanampy izay rehetra mila fanampiana isika avy eo. Amin’izay dia ho tahaka ny Raintsika any An-danitra isika, izay mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina (jereo Matio 5:44–45).

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Thomas S. Monson fa misy ireo izay mila zavatra mihoatra noho ny lafiny ara-nofo:

“Aoka isika hametraka ity fanontaniana ity amin’ny tenantsika: ‘Moa ve aho nanao zavatra tsara teto an-tany androany? Nanampy olona sahirana ve aho?’ [Fihirana amin’ny teny Anglisy, faha- 223]. Tena fomba tsara hahazoana fifaliana izany! Tena torohevitra tsara mba hahazoana fahafahampo sy fiadanana anaty izany hoe—manana fankasitrahana tena tsara amin’ny olombelona iray hafa.

“Tena tsy manam-petra ny fahafahantsika manolo-tena saingy mety mora simba koa izany. Misy fo tokony hampifalifaliana any. Misy teny feno hatsaram-panahy tokony holazaina any. Misy fanomezana tokony homena any. Misy adidy tokony hatao any. Misy fanahy tokony hovonjena any” (tao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 2001, 72; na Ensign, Nôv. 2001, 60).

  • Manao ahoana ny fahitanao ny toetran’ireo izay nandalo ilay lehilahy naratra ao amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy? Manao ahoana ny fahitanao ny toetran’ilay Samaritana? Ahoana no fomba ahafahantsika mampihatra ilay hafatra ao amin’io fanoharana io eo amin’ny fiainantsika?

Avy amin’ny Fo ny Fiantrana

  • Ahoana no ahafahantsika mitia ny olona na dia eo aza ny fahotany sy ny fahadisoany?

Na dia manampy ny sahirana aza isika, dia toy ny tsy manam-piantrana ihany raha toa ka tsy mahatsapa fangorahana ho azy ireo (jereo 1 Jaona 3:16–17). Ny Apôstôly Paoly dia nampianatra fa rehefa manam-piantrana isika dia feno fahatsapana zavatra tsara ho an’ny olona rehetra. Manana faharetana sy tsara fanahy isika. Tsy mieboebo na mirehareha na tia tena na tsy mahalala fomba isika. Rehefa manam-piantrana isika dia tsy mahatsiaro izay zavatra ratsy nataon’ny hafa na mifaly amin’izany. Tsy tokony hanao zavatra tsara velively mba ho tombontsoantsika fotsiny isika. Fa miara-mifaly koa amin’ireo izay miaina ny fahamarinana. Rehefa manam-piantrana isika dia mahatoky, ary mino fa manao izay tsara avy aminy ny hafa ary tsara fanahy amin’izy ireo isika. Ny soratra masina dia mampianatra antsika hoe “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.” (Jereo 1 Korintiana 13:4–8.)

Ny Mpamonjy no ohatra ho antsika eo amin’ny zavatra tokony ho tsapa momba ny hafa sy eo amin’ny fomba tokony ifandraisana amin’ny hafa. Nankahala ny faharatsiana Izy, saingy tia ireo mpanota na teo aza ny fahotany. Nanana fangorahana ny zaza, sy ny zokiolona sy ny mahantra ary ny sahirana izy. Tena nanana fitiavana lehibe tokoa Izy ka afaka nitalaho tamin’ny Raintsika any an-danitra mba hamela ireo miaramila izay namantsika ny tanany sy ny tongony (jereo Lioka 23:34). Nampianatra Izy fa raha tsy mamela ny hafa isika, dia tsy hamela antsika ny Raintsika any An-danitra (jereo Matio 18:33–35). Hoy Izy hoe: “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. … Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo?” (Matio 5:44, 46). Tokony hianatra hanana fihetseham-po amin’ny hafa toy ny nataon’i Jesoa isika.

Mampivelatra ny Hasin’ny Fiantrana

  • Ahoana no ahafahantsika ho feno fiantrana bebe kokoa?

Ny fomba iray ahafahantsika ho feno fiantrana dia amin’ny alalan’ny fandalinana ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fitandremana ny didiny. Afaka mandalina izay zavatra nataony tao anatin’ny toe-javatra sasany isika ary manao izany koa rehefa tafiditra ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany.

Faharoa, raha manana fahatsapana ho toy ny tsy manam-piantrana isika, dia afaka mivavaka mba hanam-piantrana bebe kokoa. Namporisika antsika i Môrmôna hoe: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana [fiantrana] izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy zanany” (Môrônia 7:48).

Fahatelo, afaka mianatra ny mitia ny tenantsika isika, izany hoe takatsika ny tena lanjantsika marina amin’ny maha zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika. Nampianatra ny Mpamonjy fa tokony hitia ny hafa isika tahaka ny hitiavantsika ny tenantsika (jereo Matio 22:39). Mba hitiavantsika ny tenantsika dia tsy maintsy manaja sy mahatoky ny tenantsika isika. Midika izany fa tsy maintsy mankatò ny fitsipiky ny filazantsara isika. Tsy maintsy mibebaka amin’izay zavatra ratsy nataontsika isika. Tsy maintsy mamela ny tenantsika isika rehefa avy nibebaka. Ho lasa tia bebe kokoa ny tenantsika isika rehefa afaka mahatsapa ilay fahatokiana lalina sy mitondra fankaherezana fa hoe tia antsika marina ny Mpamonjy.

Fahaefatra, azontsika atao ny misoroka ny fieritreretana hoe tsara kokoa noho ny hafa isika. Afaka manana faharetana isika eo anatrehan’ny fahadisoany. Hoy i Joseph Smith hoe: “Arakaraka ny hanakaikezantsika kokoa ny Raintsika any An-danitra no hahafahantsika manana fangorahana bebe kokoa an’ireo mpanota. Mahatsapa ho te hilanja azy ireo eny an-tsorontsika isika ary hanary ny fahotany any an-damosintsika any” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph Smith [2007], 428–29).

Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Enôsa, zatovolahy iray izay te hahafantatra raha voavela ny fahotany. Hoy izy amintsika hoe:

“Dia mosarena ny fanahiko; ary nandohalika teo anoloan’ny Mpanao ahy aho ary nitalaho taminy sady nahery nivavaka no nitaraina ho an’ny fanahiko ihany; ary nandritra ny manontolo andro no nitalahoako taminy; eny, ary rehefa tonga ny alina dia mbola nanandratra avo ny feoko aho ka nahatakatra ny lanitra izany.

“Ary nisy feo tonga tamiko nanao hoe: Ry Enôsa, voavela ny fahotanao ary hotahiana ianao” (Enôsa 1:4–5).

Nazavain’ny Tompo tamin’i Enôsa fa noho ny finoany an’i Kristy dia voavela ny fahotany. Rehefa henon’i Enôsa izany teny izany dia tsy niahiahy momba ny tenany intsony izy. Fantany fa tian’ny Tompo izy ary hotahiany. Ary nanomboka kosa niahiahy momba izay hiafaran’ny namany sy ny fianakaviany Nefita izy. Namboraka ny tao am-pony manontolo tamin’Andriamanitra izy ho azy ireo. Namaly ny Tompo ary nilaza fa izy ireo dia ho voatahy araka ny fahatokiany eo amin’ny fitandremana ny didy efa nomena azy ireo. Mbola nihalehibe ihany ny fitiavan’i Enôsa taorian’ireo teny ireo, ary nitolona am-bavaka naharitra ho an’ny Lamanita izy, izay fahavalon’ny Nefita. Nomen’ny Tompo azy ny zavatra niriany ary nandany ny androm-piainany sisa tamin’ny fiezahana hamonjy ny fanahin’ny Nefita sy Lamanita izy. (Jereo Enôsa 1:6–26.)

Tena feno fankasitrahana tamin’ny fitiavan’ny Tompo sy ny famelan-kelony i Enôsa hany ka nanokana tamim-pahavononana ny androm-piainany sisa tamin’ny fanampiana ny hafa hahazo izany fanomezana izany koa izy. Lasa tena feno fiantrana marina i Enôsa. Isika koa dia afaka manao izany. Raha ny marina dia tsy maintsy manao izany isika mba handovana ilay toerana izay efa nomanina ho antsika any amin’ny fanjakan’ny Raintsika.

Soratra Masina Fanampiny