Boky sy lesona
Toko 20: Batisa


Toko 20

Batisa

Sary
A Hispanic missionary baptizing a Hispanic man in a large font or pool.

Ilay Didy mba Hanaovana Batisa

  • Nahoana no tsy maintsy hatao batisa isika?

Ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Jesoa, dia misy karazana fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara izay tsy maintsy ankatoavintsika. Ny fitsipiky ny filazantsara dia fampianarana na finoana marina. Ny ôrdônansy dia fombafomba. Ny fitsipika roa voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fibebahana. Ny batisa no ôrdônansy voalohan’ny filazantsara. Ny iray amin’ireo didy nomen’ny Tompo ny Apôstôly dia ny hoe: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo” (Matio 28:19–20).

Tsy Maintsy Atao Batisa Isika ho Famelana ny Fahotantsika

Rehefa mametraka ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy isika, sy mibebaka ary atao batisa, dia voavela ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Isika dia mianatra avy ao amin’ny soratra masina fa i Jaona Mpanao Batisa dia “nanao batisa tany an’efitra ka nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka” (Marka 1:4). Ny Apôstôly Petera dia nampianatra hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo” (Asan’ny Apôstôly 2:38). Taorian’ny fiovam-pon’i Paoly, dia nilaza taminy i Ananiasy hoe: “Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao” (Asan’ny Apôstôly 22:16).

Tsy Maintsy Atao Batisa Isika mba Hahatongavana ho Mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

“Ireo rehetra izay manetry ny tenany eo anoloan’Andriamanitra ary maniry ny hatao batisa … ary … efa nibebaka marina tokoa tamin’ny fahotany rehetra … dia horaisina ao amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny batisa” (F&F 20:37).

Tsy Maintsy Atao Batisa Isika alohan’ny hahafahantsika Mandray ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Hoy ny Tompo hoe: “Raha mitodika Amiko ianao ary … mibebaka amin’ny fandikanao lalàna [fahotana] rehetra sy atao batisa amin’ny rano, amin’ny anaran’ny Zanaka Lahitokako, … dia handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao” (Mosesy 6:52).

Tsy Maintsy Atao Batisa Isika mba Hanehoana ny Fankatoavana

Tsy nanota i Jesoa Kristy, nefa natao batisa ihany. Nilaza Izy fa nilaina ny nanaovana batisa azy mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Nanazava ny mpaminany Nefia fa nolazain’ny Tompo izy hoe: “Manaraha Ahy ary ataovy ny zavatra izay efa hitanareo fa ataoko … amin’ny finiavan’ny fo manontolo, tsy manao fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’Andriamanitra fa omban’ny fikasana marina, mibebaka amin’ny fahotanareo, mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona ny hitondra ny anaran’i Kristy amin’ny batisa” (2 Nefia 31:12–13).

Tsy Maintsy Vita Batisa Isika mba Hidirana any amin’ny Fanjakana Selestialy

Hoy i Jesoa hoe: “Ary na zovy na zovy no mino Ahy sy atao batisa dia … izy no handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary na zovy na zovy no tsy mino Ahy sy tsy atao batisa dia hohelohina” (3 Nefia 11:33–34). Ny batisa no vavahady izay idirantsika ho any amin’ny lalan’ny fanjakana selestialy (jereo 2 Nefia 31:17–18).

Ny Fomba Marina Fanaovana ny Batisa

  • Ahoana no fomba tokony hanaovana batisa antsika?

Iray ihany ny fomba marina fanaovana batisa. Nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith i Jesoa fa ny olona iray manana ny fahefan’ny fisoronana marina hanaovana batisa dia “hidina ao anaty rano miaraka amin’ilay olona, na lahy izy na vavy, izay efa nanolo-tena ho amin’ny batisa. … avy eo dia hanitrika ilay lehilahy na vehivavy ao anaty rano izy, sy hamoaka indray avy ao anaty rano” (F&F 20:73–74). Ilaina ny fanitrihina. Nampianatra ny Apôstôly Paoly fa ny fanitrihana ao anaty rano sy ny fivoahana ao indray dia mariky ny fahafatesana sy ny fandevenana ary ny fitsanganana amin’ny maty. Manomboka fiainana vaovao isika aorian’ny batisa. Hoy i Paoly hoe:

“Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Jesoa Kristy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?

“Koa niara-nalevina Taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.

“Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany” (Romana 6:3–5).

Ny batisa asitrika notanterahan’ny olona iray manana ny fahefana marina ihany no fomba fanaovana batisa ankatoavina.

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahefana hanatanterahana ny batisa?

  • Nahoana ny batisa asitrika no toy ny fandevenana sy ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty?

Ny Batisa atao amin’ny Taona Maha-tompon’andraikitra

  • Iza no tokony hatao batisa?

Ny olona rehetra izay feno valo taona ary tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony no tokony hatao batisa. Misy fiangonana sasany izay mampianatra fa tokony hatao batisa ny zazakely. Tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy izany. Raha niresaka momba ny zazakely i Jesoa, dia hoy Izy hoe: “An’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 19:14).

Nilaza ny mpaminany Môrmôna fa fanarabiana eo anoloan’Andriamanitra ny fanaovana batisa ny zazakely, satria tsy mahavita manao fahotana izy ireo. Tsy ilaina atao batisa toy izany koa ny olona izay manana kilema ara-tsaina izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy (jereo Môrônia 8:9–22).

Tokony hatao batisa ny olona hafa rehetra. Tokony handray ny ôrdônansin’ny batisa isika ary mijanona ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ataontsika amin’izany fotoana izany.

  • Inona no mety holazainao amin’ny namana iray izay mino fa ilaina atao batisa ny zazakely?

Manao Fanekempihavanana Isika rehefa Atao Batisa

Maro ny soratra masina mampianatra momba ny batisa. Ao anatin’ny iray amin’ireo soratra masina ireo, dia mampianatra ny mpaminany Almà fa ny finoana sy ny fibebahana dia dingana izay manomana antsika amin’ny batisa. Nampianatra Izy fa rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana amin’ny Tompo. Mampanantena isika fa hisy zavatra sasantsasany hataontsika, ary mampanantena Andriamanitra fa hitahy antsika avy eo.

Nazavain’i Almà fa tokony haniry ny ho antsoina hoe vahoakan’Andriamanitra isika. Tokony ho vonona ny hifanampy sy hifankahery isika. Tsy maintsy mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra isika. Rehefa manao ireo zavatra ireo isika ary atao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny fahotantsika. Hoy i Almà tamin’ireo olona izay nino ny fampianarana momba ny filazantsara hoe:

“Indro, inty no ranon’i Môrmôna. … Ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany, … inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona eo anoloany fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo, fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo?” (Môsià 18:8, 10). Niteha-tanana noho ny fifaliana ny vahoaka ary nilaza fa ny hatao batisa no faniriany. Nataon’i Almà batisa tao amin’ny Ranon’i Môrmôna izy ireo. (Jereo Môsià 18:7–17.)

Nampianatra i Almà fa rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana amin’ny Tompo mba:

  1. Ho tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra.

  2. Hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay.

  3. Hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.

  4. Hanompo an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny.

Rehefa atao batisa isika ary mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa, dia mampanantena ny Tompo fa:

  1. Hamela ny fahotantsika (jereo Asan’ny Apôstôly 2:38; F&F 49:13).

  2. Hampidina bebe kokoa ny Fanahiny amintsika (jereo Môsià 18:10).

  3. Hanome fitarihana isan’andro sy fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina (jereo Asan’ny Apôstôly 2:38; F&F 20:77).

  4. Hanome fahafahana antsika hitsangana amin’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany (jereo Môsià 18:9).

  5. Hanome antsika ny fiainana mandrakizay (jereo Môsià 18:9).

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay? hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra?

Manome Ainga Vaovao ho Antsika ny Batisa

Manomboka fomba fiainana vaovao isika miaraka amin’ny batisa. Izany no antony iantsoantsika azy hoe fahaterahana indray. Nolazain’i Jesoa fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika, dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra (jereo Jaona 3:3–5). Nazavaina tsara tamin’i Adama izany fitsipika izany:

“Toy ny efa nahaterahanao teo amin’izao tontolo izao tamin’ny rano sy ny ra ary ny fanahy, izay nataoko, ka tonga fanahy velona avy amin’ny vovo-tany, dia toy izany koa no tsy maintsy ahaterahanareo indray ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, amin’ny rano sy ny amin’ny Fanahy ary hanadiovana anareo amin’ny ra, dia ny ran’ny Lahitokako” (Mosesy 6:59).

Nilaza ny Apôstôly Paoly fa aorian’ny batisantsika dia tokony hanomboka fiainam-baovao isika: “Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa isika; … [na izany aza dia tokony handeha amin’ny fiainam-baovao isika]” (Romana 6:4). Ny iray amin’ireo fitahiana lehibe avy amin’ny batisa dia ny fanomezany antsika fanombohana vaovao eo amin’ilay lalana mitondra antsika any amin’ny tanjontsika mandrakizay.

  • Ahoana no nahatonga ny batisanao ho toy ny fiaingana vaovao?

Soratra Masina Fanampiny

Hamoaka printy