Boky sy lesona
Toko 37: Ireo Andraikitry ny Fianakaviana


Toko 37

Ireo Andraikitry ny Fianakaviana

Sary
An Asian family gathered for scripture study. They are sitting on sofas and the floor.

Ireo Andraikitry ny Ray aman-dreny

  • Inona avy ireo andraikitra hifampizaran’ny mpivady eo amin’ny fitaizana ny zanany?

Manana toerana manan-danja eo amin’ny fianakaviany ny olona tsirairay. Nazavain’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany ny fomba tokony hifampitondran’ny ray sy ny reny ary ny zanaka. Amin’ny maha-vady sy zanaka antsika dia mila mahafantatra izay antenain’ny Tompo mba hataontsika isika mba hanatanterahana ny tanjontsika amin’ny maha-fianakaviana antsika. Raha manao ny anjarantsika isika rehetra dia ho iray mandrakizay.

Ao anatin’ny andraikitra masin’ny ray aman-dreny dia, “manana andraikitra mba hifanampy ny ray sy ny reny toy ny mpiara-miasa mitovy” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign, Nôv. 1995, 102). Miara-miasa izy ireo mba hanome izay filana ara-panahy, ara-pihetsehampo sy ara-tsaina ary ara-batan’ny fianakaviana.

Misy ireo andraikitra sasany izay tsy maintsy hifampizaran’ny mpivady. Tokony hampianatra ny filazantsara ny zanany ny ray aman-dreny. Nampitandrina ny Tompo fa raha tsy mampianatra ny zanany momba ny finoana, ny fibebahana, ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ny ray aman-dreny dia ho eo amin’ny lohan’izy ireo ny fahotana. Tokony hampianatra koa ny zanany mba hivavaka sy hankatò ny didin’ny Tompo ny ray aman-dreny. (Jereo F&F 68:25, 28.)

Ny fomba iray tena tsara indrindra ahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany dia amin’ny alalan’ny ohatra. Tokony hifampiseho fitiavana sy fanajana ny mpivady ary haneho izany koa amin’ny zanany amin’ny alalan’ny asa sy ny teny. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa zanak’Andriamanitra ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Tokony hitaiza ny zanany amim-pitiavana sy amim-panajana ny ray aman-dreny, ka hentitra nefa tsara fanahy amin’izy ireo.

Tokony ho takatry ny ray aman-dreny fa hanao safidy ratsy ny zanaka indraindray, na dia efa avy nampianarina ny fahamarinana aza. Rehefa mitranga izany dia tsy tokony hilavo lefona ny ray aman-dreny. Tokony hanohy hampianatra ny zanany sy haneho fitiavana azy izy ireo, ary ho ohatra tsara ary hifady hanina sy hivavaka ho azy ireo.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara ny nanampian’ny vavaka nataon’ny ray iray an’ilay zanakalahy nikomy mba hiverina amin’ny lalan’ny Tompo. I Almà Zanany dia tsy nanaraka ny fampianaran’ilay rainy marin-toetra, Almà, ary nikatsaka ny handrava ny Fiangonana. Nivavaka ombam-pinoana ho an’ilay zanany ny rainy. Novangian’ny anjely iray i Almà Zanany ary nibebaka tamin’ny fomba ratsy niainany. Lasa mpitarika lehibe tao amin’ny Fiangonana izy. (Jereo Môsià 27:8–32.)

Afaka manorina toerana ahatsapana fanomezam-boninahitra sy fanajana ao an-tokantrano ny ray aman-dreny rehefa mampianatra sy mitarika ny zanaka amim-pitiavana. Tokony hanao izay hampisy tontolo mitondra hafaliana ho an’ny zanaka ny ray aman-dreny.

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny mpivady mifanohana eo amin’ny anjara asany? Aiza no afaka ahazoan’ny ray na reny tokan-tena fanohanana?

Ireo Andraikitry ny Ray

  • Inona ireo ohatra tsara efa hitanao avy amin’ireo ray izay mitaiza ny zanany?

“Araka ny drafitr’Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviana amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany” (Ensign, Nôv. 1995, 102). Ny ray mendrika iray izay mpikamban’ny Fiangonana dia manana fahafahana hihazona ny fisoronana, ka mahatonga azy ho mpitarika ny fisoronana ao amin’ny fianakaviany. Tokony hitarika ny fianakaviany amim-panetren-tena sy amin-katsaram-panahy fa tsy amin’ny fampiasan-kery sy amim-pahasiahana izy. Ny soratra masina dia mampianatra fa ireo izay mihazona ny fisoronana dia tokony hitarika ny hafa amin’ny fandresen-dahatra, fahari-po, fitiavana ary hatsaram-panahy (jereo F&F 121:41–44; Efesiana 6:4).

Mizara ny fitahian’ny fisoronana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny ray. Rehefa mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny lehilahy, dia afaka mizara izany fitahiana izany izy amin’ny alalan’ny fitsofan-drano ny marary sy fanomezana tsodranon’ny fisoronana manokana. Afaka mitsodrano zazakely izy, manao batisa, mandray ho mpikambana ary manatanteraka fanendrena amin’ny fisoronana eo ambanin’ny fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay miahy. Tokony hampiseho ohatra tsara ho an’ny fianakaviany izy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy. Tokony hanao izay hiarahan’ny fianakaviana mivavaka in-droa isan’andro izy sy hanatanterahan’ny fianakaviana ny takarivan’ny mpianakavy.

Tokony hanokana fotoana hiarahana manokana amin’ny zanaka tsirairay ny ray. Tokony hampianatra fitsipika marina ny zanany izy, sy hiara-hiresaka amin’izy ireo momba ny olany sy ny ahiahiny ary hanoro hevitra amim-pitiavana azy ireo. Misy ohatra tsara sasantsasany hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo 2 Nefia 1:14–3:25; Almà 36–42).

Andraikitry ny ray koa ny manome izay zavatra ilain’ny fianakaviany ara-batana ka manao izay ananan’izy ireo sakafo, trano, fitafiana ary manao izay hianarany. Na dia tsy afaka manome ny fanampiana rehetra aza ny tenany dia tsy manajanona ny andraikiny amin’ny fikarakarana ny fianakaviany izy.

Ireo Andraikitry ny Reny

  • Inona ireo ohatra tsara efa hitanao avy amin’ny reny mitaiza ny zanany?

Ny Filoha David O. McKay dia nilaza fa antso tena ambony indrindra ny maha-reny (jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): David O. McKay [2003], 156). Antso masina izany ary fiaraha-miasa amin’Andriamanitra mba hitondrana ireo zanany izay mbola fanahy eto amin’izao tontolo izao. Anisan’ny iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra ny miteraka. Raha tsy misy ray ao an-tokantrano dia ny reny no miahy ny fianakaviana.

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nidera ireo vehivavy izay tsy manan-janaka nefa dia mikarakara ny zanaky ny hafa. Hoy izy hoe: “Rehefa miresaka momba ny reny aho, dia tsy miresaka momba ny reny manan-janaka fotsiny fa miresaka koa momba ireo reny izay nanangan-jaza naterak’olon-kafa ary koa ireo vehivavy izay tsy manan-janaka fa mitaiza ny zanaky ny hafa” (Mothers [1977], 8).

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nampianatra hoe: “Ny reny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitaizana ny zanany” (Ensign, Nôv. 1995, 102). Mila mandany fotoana miaraka amin’ny zanany ny reny ary mampianatra azy ireo ny filazantsara. Tokony hiara-hilalao sy hiasa amin’izy ireo izy mba hahafahany hahita ny tontolo manodidina azy. Mila manampy ny fianakaviany koa izy mba hahalala ny fomba hanaovana ny tokantrano ho toerana mahafinaritra. Raha be fitiavana izy dia manampy ny zanany hahatsapa zavatra tsara momba ny tenan’izy ireo.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara ilay andian-jatovolahy 2000 izay nahavita zava-dehibe noho ny fampianarana nomen’ny reniny azy ireo (jereo Almà 53:16–23). Nandeha niady tamin’ny fahavalony izy ireo teo ambanin’ny fitarihan’ny mpaminany Helamàna. Avy amin’ny reniny no nianaran’izy ireo ho marin-toetra, sy ho mahery fo ary ho azo itokisana. Nampianarin’ny reniny koa izy ireo fa raha tsy miroanahana, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo (jereo Almà 56:47). Tsy nisy maty izy rehetra nandritra ny ady. Naneho finoana ny fampianaran’ny reniny izy ireo rehefa nilaza hoe: “Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay” (Almà 56:48). Ny rehetra izay manana fijoroana ho vavolombelona dia mitondra fiantraikany lalina eo amin’ny zanany.

Ireo Andraikitry ny Zanaka

  • Ahoana no hanampian’ny zanaka ny ray aman-dreniny mba hanorina tokantrano sambatra?

Mifampizara andraikitra amin’ny ray aman-dreniny ny zanaka mba hanorenana tokantrano sambatra. Tokony hankatò ny didy izy ireo ary hiara-hiasa amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana. Tsy faly ny Tompo rehefa miady ny zanaka (jereo Môsià 4:14).

Nodidian’ny Tompo ny zanaka mba hanaja ny ray aman-dreniny. Hoy Izy hoe: “Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ny tany” (Eksodosy 20:12). Ny atao hoe manaja ny ray aman-dreny dia midika hoe mitia sy manaja azy ireo. Midika koa hoe mankatò azy izany. Ny soratra masina dia milaza amin’ny zanaka hoe: “Anaka, maneke ny ray sy reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany” (Efesiana 6:1).

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nilaza fa ny zanaka dia tokony hianatra hiasa sy handray andraikitra ao trano sy eny amin’ny faritra ivelany. Tokony homena andraikitra izy ireo mba hahatonga ny trano hilamina sy hadio. (Jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 120.)

  • Inona no tokony hataon’ny zanaka mba hanajany ny ray aman-dreniny?

  • Inona no nataon’ny ray aman-dreninao izay nitarika anao hanaja azy?

Mitondra Fitahiana ny Fanekena Andraikitra

  • Inona no azon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana atao mba hahatonga ny tokantrano ho toerana feno fifaliana?

Tsy kisendrasendra ny fananana fianakaviana feno fitiavana sy sambatra. Tsy maintsy manao ny anjarany ny olona tsirairay. Samy nomen’ny Tompo andraikitra ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Mampianatra ny soratra masina fa tokony ho feno fitiavana sy ho miramirana ary ho feno hatsaram-panahy amin’ny hafa isika. Rehefa miara-miresaka na mivavaka na mihira na miasa isika dia afaka mahazo ilay fitahian’ny filaminana ao amin’ny fianakaviantsika. (Jereo Kolosiana 3.)

  • Inona avy ireo fomba fanao izay afaka hahatonga ny tokantrano ho toerana feno fifaliana?

Soratra Masina Fanampiny sy Loharano Hafa

  • Ohabolana 22:6 (zaro amin’ny lalana tokony halehany ny zaza)

  • Efesiana 6:1–3 (tokony hankatò ny ray aman-dreny ny zanaka)

  • F&F 68:25–28; Efesiana 6:4 (andraikitry ny ray aman-dreny)

  • “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” (hita ao amin’ny LDS.org sy any amin’ireo bokin’ny Fiangonana izay ahitana ny Ensign, Nôv. 1995, page 102; For the Strength of Youth (Ry tanora Mahereza: Manatanteraka ny adidintsika amin’Andriamanitra) [item number 36550], pejy 44; sy True to the Faith (Ancrés dans la Foi: Manule de Référence sur L’Évangile) [item number 36863], pejy 59–61)

  • Torolalana ho an’ny Fianakaviana (item number 31180)

Hamoaka printy