Toko 31
Fahamarinan-toetra
Fitsipiky ny Famonjena ny Fahamarinan-toetra
-
Mba hanao ahoana ny fiaraha-monina raha toa ka tena marin-toetra ny olona rehetra?
Ny fanekem-pinoana faha-13 dia milaza hoe: “Mino isika fa tokony ho marina.” Ny Bokin’i Môrmôna dia milaza amintsika momba ny vahoaka iray izay “niavaka tamin’ny zotom-pony tamin’Andriamanitra ary koa tamin’ny olona; fa mahitsy sy marin-toetra tanteraka tokoa izy tamin’ny zava-drehetra; ary niorina tamin’ny finoana an’i Kristy hatramin’ny farany izy” (Almà 27:27). Noho ny fahamarinan-toetrany dia fantatr’Andriamanitra sy ny namany izy ireo. Zava-dehibe ny mianatra ny dikan’ny fahamarinan-toetra sy ny fomba mahatonga antsika ho tratran’ny fakam-panahy hamitapitaka, ary ny fomba ahafahantsika mandresy izany fakam-panahy izany.
Ilaina ho an’ny famonjena antsika ny fahamarinan-toetra tanteraka. Hoy ny Filoha Brigham Young hoe: “Raha toa isika ka manaiky ny fepetra ahazoana ny famonjena izay nomena antsika, dia tsy maintsy marina isika eo amin’ny eritreritsika rehetra, eo amin’ny zavatra saintsainintsika, eo amin’ny fandinihan-tenantsika, any amin’ny fifandraisantsika manokana, any amin’ny fifampiraharahana ara-barotra, any amin’ny fanambarana ataontsika ary amin’ny zavatra rehetra ataontsika eo amin’ny fiainana” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Brigham Young [1997], 293).
Andriamanitra dia marin-toetra sy manaja ny rariny amin’ny zava-drehetra (jereo Almà 7:20). Isika ihany koa dia tsy maintsy marin-toetra amin’ny zava-drehetra mba hahatonga antsika ho tahaka azy. Nijoro ho vavolombelona ny rahalahin’i Jareda hoe: “Eny, ry Tompo, fantatro fa milaza ny marina Ianao, fa Ianao … dia Andriamanitry ny fahamarinana, ary tsy afaka mandainga” (Etera 3:12). Ny devoly kosa anefa dia mpandainga. Raha ny marina dia rain’ny lainga izy (jereo 2 Nefia 9:9). “Ireo izay misafidy ny hametsifetsy, handainga sy hamitaka ary hanova hevitra dia lasa andevony” (Mark E. Petersen, ao amin’ny tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 1971, 65; na Ensign, Des. 1971, 73).
Tia ny fahamarinana sy ny rariny ny olona marin-toetra. Marina izy ireo eo amin’ny teniny sy ny asany. Tsy mandainga na mangalatra na mametsifetsy izy ireo.
Tsy Fahamarinan-toetra ny Mandainga
Ny mandainga dia famitahana amim-panahy iniana ny hafa. Ny fijoroana ho vavolombelona tsy marina dia endrika irain’ny fandaingana. Nomen’ny Tompo ny zanak’i Isiraely ity didy ity: “Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao” (Eksodosy 20:16). Nampianatra izany koa i Jesoa fony Izy teto an-tany (jereo Matio 19:18). Misy maro ireo endrika hafan’ny fandaigana. Rehefa milaza zavatra tsy marina isika, dia meloka noho ny fandaingana. Afaka mamitaka amim-panahy iniana ny hafa koa isika amin’ny alalan’ny fihetsika, na fijery na amin’ny alalan’ny fahanginana na ny filazana ny ampahan’ilay fahamarinana fotsiny. Isaky ny mitarika ny olona hino zavatra izay tsy marina isika na inona na inona fomba hanaovana izany, dia tsy marin-toetra isika amin’izany.
Tsy faly amin’ny tsy fahamarinan-toetra toy izany ny Tompo, ary tsy maintsy ho adinina amin’ny lainga ataontsika isika. Hataon’i Satana izay inoantsika fa tsy maninona ny mandainga. Hoy izy hoe: “Eny, mandaingà kely; … fa tsy misy faharatsiana amin’izany” (2 Nefia 28:8). Mamporisika antsika i Satana mba hitady antony avy amintsika hanamarinana ny laingantsika. Ny olona marin-toetra dia hahafantatra ny fakam-panahin’i Satana ary hilaza ny marina rehetra, na dia mety hisy fiantraikany eo aminy aza izany.
Ny Halatra dia Tsy Fahamarinan-toetra
I Jesoa dia nampianatra hoe: “Aza mangalatra” (Matio 19:18). Ny fangalarana dia ny fakana zavatra izay tsy antsika. Mangalatra isika rehefa maka zavatra tsy nahazoana lalana izay an’olona na an’ny trano fivarotana iray na an’ny fiaraha-monina. Ny fakana ny entan’ny mpampiasa iray dia halatra. Ny fandikana hira na sarimihetsika na sary na asa soratra tsy nahazoana lalana avy tamin’ny tena tompon’ny asa dia tsy fahamarinan-toetra ary miendrika fangalarana. Ny fanekena famerim-bola na entana mihoatra ny tokony ho izy dia tsy fahamarinan-toetra. Ny fakana mihoatra noho izay anjarantsika amin’ny zavatra iray dia fangalarana.
Tsy Fahamarinan-toetra ny Fametsifetsena
Mametsifetsy isika rehefa manome latsak’izay azontsika na rehefa mahazo zavatra izay tsy mendrika ho antsika. Mametsifetsy ny mpampiasa azy ny mpiasa sasany noho ny tsy fiasany mandritra ny fotoana feno, nefa manaiky ny handray karama feno izy ireo. Misy manao ny tsy rariny amin’ny mpiasany ny mpampiasa sasany satria karama kely raha oharina amin’ny tokony haloany no omeny azy ireo. Hoy i Satana hoe: “Mahaiza manararaotra ny hafa noho ny teniny, fandriho amin’ny longoa ny namanao” (2 Nefia 28:8). Ny fakana tombontsoa tsy ara-drariny dia endriky ny tsy fahamarinan-toetra. Ny fanaovana asa na fanomezana entana tsy mahafa-po dia fametsifetsena.
Tsy Tokony Hitady Fomba Hanamarinana ny Tsy Fahamarinan-toetrantsika isika
-
Inona no mitranga amintsika ara-panahy rehefa mitady fomba hanamarinana ny tsy fahamarinan-toetrantsika isika?
Mampiasa fomba maro hanamarinana ny tsy fahamarinan-toetrany ny olona. Mandainga ny olona mba hiarovana ny tenany ary mba hieritreretan’ny olona zavatra tsara momba azy ireo. Ny sasany dia mahita fomba hanamarinan-tena noho ny antony nangalarany ary mieritreritra fa mendrika ny hahazo izay nalainy izy ireo na mieritreritra ny hamerina izany na mieritreritra fa mila izany mihoatra noho ny tompony. Misy ny sasany mampiasa hafetsena mba hahazoana isa tsara kokoa any an-tsekoly na satria “manao izany daholo ny rehetra” na mba hanaovana valifaty koa.
Ireo fanamarinan-tena ireo sy ireo maro hafa no lazaina ho anton’ny tsy fahamarinan-toetra. Tsy misy antony azo ekena amin’ireo antony ireo ho an’ny Tompo. Rehefa manamarin-tena isika dia mamitaka ny tenantsika ary ny Fanahin’Andriamanitra dia mitsahatra tsy miaraka amintsika intsony. Lasa miharatsy toetra isika.
Afaka ny Ho Marin-toetra Tanteraka Isika
-
Inona no dikan’ny hoe marin-toetra tanteraka?
Mba hahatonga antsika ho marin-toetra tanteraka dia tsy maintsy mandinika tsara ny fiainantsika isika. Raha toa ka nisy fotoana izay naha tsy marin-toetra antsika na dia faran’izay kely fotsiny aza, dia tokony hibebaka avy hatrany momba izany isika.
Rehefa marin-toetra tanteraka isika, dia tsy afaka ny ho lasa ratsy toetra. Manaja ny fanomezan-toky, ny andraikitra, ny fifanekena na ny fanekempihavanana rehetra isika na dia hamoizantsika vola na namana na ny aintsika aza izany. Dia afaka ny hifanatrika amin’ny Tompo sy amin’ny tenantsika ary amin’ny hafa tsy amim-pahamenarana isika. Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanoro hevitra hoe: “Aoka ny fiainan’ny olona rehetra mba ho fiainana izay hahafahany mahazaka ny fizahana farany izay akaiky, ary izay ho azo raisina ho toy ny boky mivelatra, ka tsy hanana zavatra izay hampisitrika na hahamenatra azy izy” (Gospel Doctrine, boky nivoaka faha-5 [1939], 252).
-
Ahoana no fiantraikan’ny fahamarinan-toetra na ny tsy fahamarinan-toetra ananantsika eo amin’ny zavatra tsapantsika momba ny tenantsika?
Soratra Masina Fanampiny
-
F&F 50:17 (Aza mitory afa-tsy amin’ny alalan’ny fanahin’ny fahamarinana ihany)
-
F&F 76:103–6 (ny toerana hiafaran’ny mpandainga)
-
F&F 42:27 (didy izay milaza fa tsy tokony hiteny ratsy ny namana)
-
Eksodosy 20:15–16 (didy izay milaza fa tsy tokony hangalatra na hanao vavolombelona mandainga)
-
F&F 42:20, 84–85; 59:6 (fandrarana tsy hangalatra)
-
F&F 3:2 (marin-toetra Andriamanitra)
-
F&F 10:25–28 (mamitaka i Satana)