Boky sy lesona
Toko 35: Fankatoavana


Toko 35

Fankatoavana

An angel appearing to Adam and Eve as they prepare to offer a lamb as a burnt offering.  The illustration depicts the angel explaining to Adam and Eve that the animal sacrifice was symbolic of the sacrifice to be made by Jesus Christ.

Tokony Hankatò An-tsitrapo an’Andriamanitra Isika

  • Inona no maha samy hafa ny fankatoavana an-tsitrapo sy ny fankatoavana an-katerena?

Fony i Jesoa teto an-tany dia nisy mpahay lalàna nanontany Azy hoe:

“Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?

“Dia hoy i Jesoa taminy: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.” (Matio 22:36–40).

Mianatra ny maha-zava-dehibe ny mitia ny Tompo sy ny namantsika isika avy amin’ireo soratra masina ireo. Saingy ahoana no fomba hampisehoantsika fitiavana ny Tompo?

Novalian’i Jesoa izany fanontaniana izany raha nilaza Izy hoe:“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko” (Jaona 14:21).

Tokony samy hanontany tena ny tsirairay amintsika hoe, nahoana isika no mankatò ny didin’Andriamanitra. Moa ve noho ny fahatahorantsika fanasaziana izany? Moa ve noho ny faniriantsika hahazo valisoa hanana fiainana tsara izany? Moa ve noho ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy izany sy ny faniriantsika hanompo Azy ireo?

Tsara kokoa ny mankatò ny didy satria matahotra fanasaziana isika toy izay tsy mankatò azy mihitsy. Saingy ho faly kokoa isika raha toa ka mankatò an’Andriamanitra satria tia Azy ary te hankatò Azy. Raha mankatò Azy amim-pahalalahana isika, dia hitahy antsika amim-pahalalahana Izy. Hoy Izy hoe: “Izaho Tompo, … dia finaritra ny hankalaza ireo izay manompo Ahy amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany” (F&F 76:5). Ny fankatoavana dia manampy antsika koa hivoatra sy ho lasa hitovy bebe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra. Saingy ireo izay tsy manao na inona na inona raha tsy didiana ary avy eo mankatò an-katerena dia tsy hahazo ny valisoany (jereo F&F 58:26–29).

  • Ahoana no ahafahantsika mampitombo ny faniriantsika hankatò?

Afaka Mankatò Isika na dia Tsy Mahatakatra ny Antony Aza

  • Nahoana isika no tsy mila foana mahatakatra ny tanjon’ny Tompo rehefa hankatò?

Amin’ny alalan’ny fitandremantsika ny didin’Andriamanitra dia miomana amin’ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana isika. Tsy mahafantatra ny antony mahatonga ny didy iray manokana isika. Kanefa mampiseho ny finoantsika sy ny fahatokiantsika an’Andriamanitra isika rehefa mankatò nefa tsy mahafantatra ny antony.

Nodidiana i Adama sy Eva mba hanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra. Indray andro nisy anjely niseho tamin’i Adama ary nanontany azy ny antony hanolorany fanatitra. Novalian’i Adama hoe tsy fantany ny antony. Nataony izany satria ny Tompo no nandidy Azy. (Jereo Mosesy 5:5–6 sy ny sary ao amin’ity toko ity)

Nampianaran’ilay anjely ny filazantsara i Adama ary niresaka taminy momba ny Mpamonjy izay ho avy. Nilatsaka tamin’i Adama ny Fanahy Masina ary nanimany momba ny mponina rehetra amin’ny tany hatrany amin’ny taranaka farany izy. (Jereo Mosesy 5:7–10; F&F 107:56.) Tonga teo amin’i Adama izany fahalalana sy fitahiana lehibe izany satria nankatò izy.

Hanomana Lalana ho Antsika Andriamanitra

Milaza amintsika ny Bokin’i Môrmôna fa nahazo andraikitra tena sarotra avy amin’ny Tompo i Nefia sy ireo zokiny lahy (jereo 1 Nefia 3:1–6). Nimonomonona ny rahalahin’i Nefia izay nilaza fa sarotra ny zavatra takian’ny Tompo aminy. Saingy hoy i Nefia hoe: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy” (1 Nefia 3:7). Rehefa hitantsika fa sarotra ny mankatò ny didin’ny Tompo anankiray, dia tokony hahatsiaro ny tenin’i Nefia isika.

  • Oviana ianao no nanomanan’ny Tompo lalana mba hankatoavana Azy?

Tsy Misy Didy Kely Loatra na Lehibe Loatra Mba Hankatoavina

Mety mieritreritra isika indraindray hoe misy didy iray izay tsy tena manan-danja. Ny soratra masina dia mitantara momba ny lehilahy iray antsoina hoe Namàna izay nanana eritreritra toy izany koa. Tratran’ny aretina mafy i Namàna ka nandeha niala avy eo Syria nankany Isiraely izy mba hangataka ny mpaminany Elia hanasitrana azy. Olona nanan-kaja i Namàna tany amin’ny taniny, ka tezitra izy rehefa tsy niarahaba azy manokana i Elia fa naniraka kosa ny mpanompony. Vao mainka tena tezitra i Namàna rehefa nandray ny hafatr’i Elia hoe: mandroa impito ao Jordana. “Tsy tsara noho ny ranon’ny Isiraely rehetra va [ny] Onin’i Damaskosy? tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho ka hadio?” hoy izy nanontany. Lasa nandeha tamim-pahatezerana izy. Nefa nanontany azy ny mpanompony hoe: “Na dia zavatra lehibe aza no nasain’ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa dia hadio ianao?” Mba nanam-pahendrena ihany i Namàna ka nahatakatra ny maha zava-dehibe ny mankatò ny mpaminanin’Andriamanitra na dia toa ohatra ny zavatra kely aza izany. Noho izany dia nandro tao Jordana izy ary sitrana. (Jereo 2 Mpanjaka 5:1–14.)

Mieritreritra isika indraindray fa sarotra loatra ho antsika ny mankatò didy iray. Mety hiteny toy ny rahalahin’i Nefia isika hoe: “Sarotra ny zavatra takian’Andriamanitra aminay.” Nefa afaka mahatoky toa an’i Nefia isika, fa tsy manome didy ho antsika ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho antsika mba hankatoavana azy.

“Zavatra sarotra” ilay nandidian’ny Tompo an’i Abrahama hanao sorona ny zanany malalany Isaka (jereo Genesisy 22:1–13; jereo koa ny toko 26 ao amin’ity boky ity). I Abrahama dia niandry an-taonany maro ny fahaterahan’i Isaka, ilay zanakalahy nampanantenain’Andriamanitra azy. Ahoana no fomba hamoizany ny zanakalahiny amin’ny fomba toy izany? Tsy maintsy tena faran’izay sarotra tamin’i Abrahama izany didy izany. Kanefa nisafidy ny hankatò an’Andriamanitra izy.

Isika koa dia tokony hanao an-tsitrapo izay zavatra rehetra angatahan’Andriamanitra. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Noraisiko ho toy ny fitsipika arahako izao: Rehefa manome didy ny Tompo, dia ataovy izany” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 160). Azontsika atao fitsipika arahana koa izany.

  • Oviana ianao no nahazo fitahiana vokatry ny fankatoavanao didy izay jerena toa kely?

Nankatò ny Rainy i Jesoa Kristy

  • Inona ireo ohatra tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra momba an’i Jesoa Kristy izay mankatò ny Rainy ianao?

I Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra eo amin’ny fankatoavana ny Raintsika any An-danitra. Hoy Izy hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” (Jaona 6:38). Ny fiainany dia natokany hankatoavana ny Rainy, na dia tsy mora foana aza izany. Nalaim-panahy tamin’ny fomba rehetra toa antsika olombelona Izy (jereo Hebreo 4:15). Tao amin’ny sahan’i Getsemane dia nivavaka Izy nanao hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Matio 26:39).

Satria nankatò ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny zavatra rehetra i Jesoa dia lasa manana fahafahana hahazo ny famonjena isika rehetra tamin’ny alalany.

  • Nahoana no afaka manampy antsika mba hankatò ny fahatsiarovantsika ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

Ny Vokatry ny Fankatoavana sy ny Tsy Fankatoavana

  • Inona avy no vokatry ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavana ny didin’ny Tompo?

Ny fanjakan’ny lanitra dia voafehin’ny lalàna ary rehefa mahazo fitahiana isika dia avy amin’ny fankatoavana ilay lalàna izay voatendry ho an’ilay fitahiana izany (jereo F&F 130:20–21; 132:5). Niteny tamintsika ny Tompo fa afaka mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina isika amin’ny alalan’ny fankatoavantsika sy ny fahazotoantsika (jereo F&F 130:18–19). Afaka mivoatra ara-panahy koa isika (jereo Jeremia 7:23–24). “Zovy moa Izaho, hoy ny Tompo izay efa nampanantena nefa tsy nahatanteraka? Mandidy Aho nefa tsy mankatò ny olona; manafoana Aho ka tsy raisiny ny fitahiana. Amin’izany dia hoy izy anakampo: Tsy asan’ny Tompo ity satria tsy tanteraka ny fampanantenany” (F&F 58:31–33).

Rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika dia tanterahany ilay fampanantenany nolazain’i Benjamina Mpanjaka ny olony: “Fa raha manao araka izany ianareo, dia mitahy anareo avy hatrany Izy” (Môsià 2:24).

Mahazo ny Fiainana Mandrakizay izay Mpankatò

Manoro hevitra antsika ny Tompo hoe: “Ary raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’Andriamanitra” (F&F 14:7).

Nanome famaritana ireo fitahiana hafa izay ho azon’ireo izay hankatò Azy amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany ny Tompo:

“Fa izao no lazain’ny Tompo—Izaho Tompo dia mamindra fo sy miantra ireo izay matahotra Ahy ary finaritra ny hankalaza azy ireo izay manompo Ahy amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany.

“Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny.

“Ary amin’ireo no hambarako ny mistery rehetra, eny, ny mistery miafina rehetra momba ny fanjakako hatramin’ny andro fahiny sy ho an’ny taona ho avy, hampahafantariko azy ireo ny safidin’ny sitrapoko momba ny zava-drehetra mikasika ny fanjakako.

“Eny, ireo zava-mahatalanjon’ny mandrakizay dia ho fantatr’izy ireo ary ny zavatra ho avy dia hasehoko azy ireo dia ny zavatr’ireo taranaka maro.

“Ary ho lehibe ny fahendreny ary ny fahatakarany hahatratra ny lanitra. …

“Fa amin’ny Fanahiko no hanazavako azy ireo ary amin’ny heriko no hampahafantarako azy ireo ny tsiambaratelon’ny sitrapoko—eny, dia ireo zavatra izay tsy mbola hitan’ny maso na ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona” (F&F 76:5–10).

  • Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “maharitra hatramin’ny farany”?

  • Inona no azontsika hatao mba hijanonana ho mahatoky amin’ny fitsipiky ny filazantsara na dia zavatra tsy dia tian’ny olona aza ny manao izany? Ahoana no ahafahantsika manampy ny ankizy sy ny tanora mba hijanona ho mahatoky amin’ny fitsipiky ny finoana?

Soratra Masina Fanampiny