Toko 34
Nambaran’i Amioleka fa ny teny dia ao amin’i Kristy ho famonjena—Raha tsy atao ny sorompanavotana dia tsy maintsy ho fongana ny olombelona rehetra—Ny lalàn’i Mosesy iray manontolo dia manondro ny soron’ny Zanak’ Andriamanitra—Ny drafitra mandrakizain’ny fanavotana dia mifototra amin’ny finoana sy ny fibebahana—Mivavaha ho an’ny fitahiana ara-nofo sy ara-panahy—Izao fiainana izao no fotoana hiomanan’ny olona hihaona amin’ Andriamanitra—Miasà ho amin’ny famonjena anareo amin’ny fahatahorana eo anoloan’ Andriamanitra. Tokony ho 74 taona talohan’i Kristy.
1 Ary ankehitriny, ny zava-nitranga, rehefa avy nilaza izany teny izany taminy i Almà, dia nipetraka tamin’ny tany izy, ary nitsangana i Amioleka sy nanomboka nampianatra azy ireo, nanao hoe:
2 Ry rahalahiko, heveriko fa tsy azo heverina ny tsy hahalalanareo ny amin’ny zavatra izay efa voalaza momba ny fiavian’i Kristy izay ampianarinay ho ny Zanak’ Andriamanitra; eny, fantatro fa ireo zavatra ireo dia nampianarina anareo be dia be tokoa talohan’ny fiendahanareo avy teo anivonay.
3 Ary satria efa nirinareo ny hahalala avy tamin’ny rahalahiko malala ny mba hampahafantarany anareo izay tokony hataonareo, noho ny fahorianareo; ary efa somary noteneniny ihany taminareo ny mba hanomanana ny sainareo; eny, sady efa namporisihiny ho amin’ny finoana sy ny faharetana ianareo—
4 Eny, na dia ny mba hanananareo finoana ampy ihany aza ka hambolena ny teny ao am-ponareo mba hahazoanareo manao fanandramana ny amin’ny hatsarany.
5 Ary efa hitanay fa ny fanontaniana lehibe izay ao an-tsainareo dia, raha toa ka ao amin’ny Zanak’ Andriamanitra ny teny, na raha toa ka tsy hisy i Kristy.
6 Ary hitanareo koa satria efa noporofoin’ny rahalahiko taminareo, tamin’ny ohatra maro, fa ny teny dia ao amin’i Kristy ho famonjena.
7 Efa nampahatsiahivin’ny rahalahiko ny tenin’i Zenôsa, fa ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’ny Zanak’ Andriamanitra, ary koa ny tenin’i Zenôka; ary efa notanisainy koa i Mosesy mba hanaporofoana fa ireo zavatra ireo dia marina.
8 Ary ankehitriny, indro, hanambara aminareo ny tenako fa ireo zavatra ireo dia marina. Indro, lazaiko aminareo satria fantratro fa ho tonga eo anivon’ny zanak’olombelona i Kristy mba handray eo Aminy ny fandikan-dalàn’ny olony, ary hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.
9 Fa ilaina ny hanaovana ny sorompanavotana; fa araka ny drafitra lehiben’ilay Andriamanitra Mandrakizay dia tsy maintsy misy sorompanavotana atao, fa raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra; eny, mafy fo ny rehetra; eny, lavo sady very ny rehetra, ary tsy maintsy ho faty raha tsy noho ny sorompanavotana izay ilaina hatao.
10 Fa ilaina ny hisian’ny sorona lehibe sady farany; eny, tsy fanaovana sorona olona, na biby, na izay mety ho karazam-borona; fa izany dia tsy ho fanaovana sorona olona; nefa izany dia tsy maintsy ho sorona tsisy fetra sady mandrakizay.
11 Ankehitriny dia tsy mety hisy olona izay afaka manao sorona ny rany ihany ka hanonitra ny fahotan’ny hafa. Ankehitriny, raha mamono olona ny olona iray, indro, moa ny lalàntsika izay marina hanala ny ain’ny rahalahiny? Lazaiko aminareo, Tsia.
12 Nefa ny lalàna dia mitaky ny ain’izay efa namono olona; noho izany dia tsy mety hisy na inona na inona izay latsaky ny sorompanavotana tsisy fetra ka ho ampy ho an’ny fahotan’izao tontolo izao.
13 Noho izany, dia ilaina ny hisian’ny sorona lehibe sady farany, ary amin’izany dia hisy, na tsara ny hisian’ny fitsaharan’ny fandatsahan-dra; amin’izany dia ho tanteraka ny lalàn’i Mosesy; eny, ho tanteraka avokoa izany, na ny litera na ny tendron-tsoratra tsirairay, ary tsy hisy ho levona.
14 Ary indro, izany no hevitra manontolon’ny lalàna, ka ny antsipiriany tsirairay dia manondro izany sorona lehibe sady farany izany; ary izany sorona lehibe sady farany izany dia ho ny Zanak’ Andriamanitra, eny, tsisy fetra ary mandrakizay.
15 Ary dia toy izany no hitondrany famonjena ho an’ireo rehetra izay hino ny anarany; izany no anton’ity sorona farany ity, dia ny hahatanteraka ny kibon’ny famindram-po, izay mandresy ny fahamarinana ary mitondra fitaovana ho an’ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ny fibebahana.
16 Ary araka izany, ny famindram-po dia afaka manefa ny fitakian’ny fahamarinana sy mamihina azy ireo amin’ny sandrin’ny fiantohana, fa izay tsy mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana kosa dia mankahatra ny lalàna manontolon’ny fitakian’ny fahamarinana; koa amin’izay manana finoana ho amin’ny fibebahana ihany no tanterahina ny drafitry ny famonjena lehibe sy mandrakizay.
17 Noho izany dia enga anie ka hotovin’ Andriamanitra aminareo, ry rahalahiko, ny hahazoanareo manomboka mampihatra ny finoanareo ho amin’ny fibebahana mba hanombohanareo hiantso ny anarany Masina, mba hananany famindram-po aminareo;
18 Eny, mitalahoa Aminy ho famindram-po; fa mahery Izy ka mahavonjy.
19 Eny, manetre tena ianareo, ary tohizo ny fivavahana Aminy.
20 Mitalahoa Aminy rehefa eny an-tsahanareo ianareo, eny, ho an’ny biby fiompinareo rehetra.
21 Mitalahoa Aminy ao an-tranonareo, eny, ho an’ny ankohonanareo rehetra, na maraina, na antoandro ary na hariva.
22 Eny, mitalahoa Aminy hanoherana ny herin’ny fahavalonareo.
23 Eny, mitalahoa Aminy hanoherana ny devoly izay fahavalon’ny fahamarinana rehetra.
24 Mitalahoa Aminy ho an’ny vokatry ny sahanareo mba hahazoanareo fanambinana aminy.
25 Mitalahoa ho an’ny biby fiompy eny an-tsahanareo mba hahazoany mitombo.
26 Nefa tsy izay ihany; ianareo dia tsy maintsy mamboraka ny fanahinareo ao an’efi-tranonareo sy ny toera-miafinareo ary any an-tany foanareo.
27 Eny, ary rehefa tsy mitalaho amin’ny Tompo ianareo, dia aoka ny fonareo ho feno, mitodika Aminy lalandava ao amin’ny vavaka ho an’ny fiadananareo, ary koa ho an’ny fiadanan’ireo izay manodidina anareo.
28 Ary ankehitriny indro, ry rahalahiko malala, lazaiko aminareo, aza mihevitra ianareo fa izay ihany; fa rehefa avy nanao ireo zavatra rehetra ireo ianareo, raha manosi-bohon-tanana ny mahantra sy ny mitanjaka ianareo, ary tsy mamangy ny marary sy ny ory, ary tsy mizara amin’ny fanananareo nefa manana ianareo, ho an’ireo izay mila izany—lazaiko aminareo, raha tsy manao na inona na inona amin’ireo zavatra ireo ianareo, dia indro, zava-poana ny vavakareo sady tsy mahasoa anareo na amin’inona na amin’inona izany, ary ianareo dia tahaka ny mpihatsaravelatsihy izay mandà ny finoana.
29 Noho izany, raha tsy mahatsiaro ho miantra namana ianareo, dia toy ny tain-drendrika ianareo, izay arian’ny mpandrendrika (noho izy tsy misy vidiny) ary hosihosen’ny olona amin’ny tongotra.
30 Ary ankehitriny, ry rahalahiko, dia mba tiako, rehefa avy nandray vavolombelona maro tokoa ianareo ka nahita fa ny soratra masina dia manambara ny amin’ireo zavatra ireo, ny handrosoanareo sy ny hamoazanareo ny voa miendrika ny fibebahana.
31 Eny, mba tiako ny handrosoanareo sy ny tsy hanamafisanareo ny fonareo intsony; fa indro, izao no fotoana sy andron’ny famonjena anareo; ary noho izany, raha mibebaka ianareo ary tsy manamafy ny fonareo, dia eo no ho eo no hahatanteraka aminareo ny drafitra lehiben’ny famonjena.
32 Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny olona mba hanatontosany ny asany.
33 Ary ankehitriny, toy izay nolazaiko taminareo teo aloha, satria efa nanana vavolombelona maro tokoa ianareo, noho izany dia miangavy anareo aho mba tsy hanemoranareo ny andron’ny fibebahanareo hatramin’ny farany; fa aorian’izao androm-piainana izao, izay omena antsika mba hiomanana ho amin’ny mandrakizay, indro, raha tsy mampiasa tsara ny fotoantsika isika raha mbola eto amin’ity fiainana ity, dia ho avy ny alin’ny haizina izay tsy misy asa azo atao.
34 Tsy afaka milaza ianareo rehefa entina eo amin’izany sahotaka mahatsiravina izany fa, izaho dia hibebaka, fa izaho dia hiverina any amin’ Andriamanitro. Tsia, tsy afaka milaza izany ianareo; satria io fanahy io ihany izay mizaka ny tenanareo amin’ny fotoana izay andehananareo miala izao fiainana izao, io fanahy io ihany no hanan-kery hizaka ny tenanareo ao amin’izany tontolo mandrakizay izany.
35 Nefa indro, raha efa nahemotrareo ny andron’ny fibebahanareo, hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy, dia indro efa lasa fehezin’ny fanahin’ny devoly ianareo, ary feheziny ho azy ianareo; koa efa nisintona niala taminareo ny Fanahin’ny Tompo, ary tsy manana toerana ao aminareo, ary ny devoly no efa manana ny fahefana rehetra aminareo; ary dia izany no toetra faran’ny olon-dratsy.
36 Ary izany dia fantatro, satria efa nilaza ny Tompo fa tsy mitoetra ao amin’ny tempoly tsy masina Izy, fa ao am-pon’ny marina kosa Izy no mitoetra; eny, ary efa nolazainy koa fa ny marina no hipetraka ao amin’ny fanjakany ka tsy handeha hivoaka intsony; fa ny fitafiany kosa dia hofotsiana amin’ny ran’ny Zanakondry.
37 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, dia iriako ny mba hahatsiarovanareo ireo zavatra ireo sy ny hiasanareo ho amin’ny famonjena anareo amin’ny fahatahorana eo anoloan’ Andriamanitra ary ny tsy handavanareo intsony ny fiavian’i Kristy;
38 Ny tsy hifandiranareo intsony amin’ny Fanahy Masina, fa ny handraisanareo Azy kosa sy ny hitondranareo ny anaran’i Kristy; ny hanetrenareo ny tenanareo na dia hatrany amin’ny vovoka aza sy ny hitsaohanareo an’ Andriamanitra, na aiza na aiza toerana mety hisy anareo amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; ary ny hiainanareo ao amin’ny fanati-tsaotra isan’andro, noho ny famindram-po maro sy ny fitahiana izay atolony anareo.
39 Eny, ary mamporisika anareo koa aho, ry rahalahiko, ny hiambenanareo amim-bavaka lalandava, mba tsy hahazoana mitarika anareo haniasia amin’ny fakam-panahy avy amin’ny devoly, mba tsy hahazoany mandresy anareo, mba tsy hahatonga anareo ho olom-peheziny amin’ny andro farany; fa indro, tsy mamaly zava-tsoa anareo izy.
40 Ary ankehitriny ry rahalahiko malala, te hamporisika anareo aho mba hanana faharetana ka hiaretanareo ny karazam-pahoriana rehetra; ny tsy hanozonanareo ireo izay mandroaka anareo noho ny fahantranareo izaitsizy, fandrao dia hanjary mpanota toa azy ireo ianareo;
41 Fa ny mba hanananareo faharetana kosa sy ny hizakanareo ireo fahoriana ireo amin’ny fanantenana mafy orina fa hiala sasatra amin’ny fahorianareo rehetra ianareo indray andro any.