Ny soratra masina
Mosesy 1


Fantina avy amin’ny
Bokin’i Mosesy

Sombiny avy amin’ny fandikana ny Baiboly, araka izay nambara tamin’i Joseph Smith Mpaminany, jona 1830—febroary 1831.

Toko 1

(Jona 1830)

Manambara ny Tenany amin’i Mosesy Andriamanitra—Miova tarehy i Mosesy—Mifanandrina amin’i Satana izy—Hitan’i Mosesy ireo tontolo maro misy mponina—Tsy hita isa ireo tontolo noharian’ny Zanaka—Ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.

1 Ny tenin’ Andriamanitra izay noteneniny tamin’i Mosesy tamin’ny fotoana izay nampakarana an’i Mosesy ho eo an-tendrombohitra avo izaitsizy tokoa,

2 Ary nahita an’ Andriamanitra nifanatrika izy ary niresaka Taminy, ary ny voninahitr’ Andriamanitra dia mby teo amin’i Mosesy; koa nahatanty ny fanatrehana Azy i Mosesy.

3 Ary niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra, nanao hoe: Indro, Izaho no Tompo Andriamanitra Tsitoha ary Tsisy Fiafarana no anarako; fa Izaho dia tsisy fiandohan’andro na fiafaran-taona; ary moa va izany tsy tsisy fiafarana?

4 Ary indro, zanakalahiko ianao; koa jereo dia hasehoko anao ny asan’ny tanako; nefa tsy izy rehetra fa tsisy fiafarana ny asako, ary koa ny teniko, fa tsy hitsahatra na oviana na oviana ireo.

5 Koa tsy misy olona mety hahita ny asako rehetra, raha tsy mahita ny voninahitro rehetra izy; ary tsy misy olona mety hahita ny voninahitro rehetra ary rehefa izany dia hitoetra ao amin’ny nofo eto an-tany.

6 Ary manana asa ho anao Aho ry Mosesy zanakalahiko; ary ianao dia natao araka ny endriky ny Zanaka Lahitokako; ary ny Zanaka Lahitokako no Mpamonjy sy ho Mpamonjy fa feno fahasoavana sy fahamarinana Izy; fa tsy misy Andriamanitra ankoatra Ahy, ary ny zava-drehetra dia miharihary eo anoloako, fa fantatro izy rehetra.

7 Ary ankehitriny indro, izao zavatra iray izao no asehoko anao ry Mosesy zanakalahiko, fa eo amin’izao tontolo izao ianao, Ary ankehitriny dia asehoko anao izany.

8 Ary ny zava-nitranga dia nijery i Mosesy ary nahatazana izy ny tontolo izay nohariana teo aminy; ary i Mosesy dia nahatazana ny tontolo sy ny faran’izany ary ny zanak’olombelona rehetra izay voary sy izay nohariana; ny amin’izany no nahatalanjona sy nahagaga azy fatratra tokoa.

9 Ary nisintona niala an’i Mosesy Andriamanitra ka tsy amin’i Mosesy ny voninahiny ary tavela ho irery i Mosesy. Ary satria tavela ho irery izy dia lavo tamin’ny tany.

10 Ary ny zava-nitranga dia ora maro no lasa vao nahazo indray ny tanjany tsotra toy ny an’ny olona i Mosesy; ary hoy izy tamin’ny tenany: ankehitriny, noho izany antony izany, dia fantatro fa tsinontsinona ny olona, izay zavatra tsy noheveriko na oviana na oviana.

11 Fa ankehitriny dia efa nahatazana an’ Andriamanitra ny masoko; saingy tsy ny masoko ara-nofo fa ny masoko ara-panahy, fa tsy ho afaka nitazana ny masoko ara-nofo; fa ho maina sy ho faty eo anatrehany aho; saingy mby teo amiko ny voninahiny; ary nahatazana ny tavany aho, fa novàna teo anoloany ny tarehiko.

12 Ary ny zava-nitranga, nony efa nilaza ireo teny ireo i Mosesy, dia indro, tonga i Satana naka fanahy azy, nanao hoe: Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy.

13 Ary ny zava-nitranga dia nijery an’i Satana i Mosesy ary nanao hoe: Iza moa ianao? Fa indro izaho dia zanak’ Andriamanitra, manahaka ny endriky ny Zanaka Lahitokany; ary aiza izay voninahitrao no tokony hidera anao aho?

14 Fa indro tsy ho afaka nijery an’ Andriamanitra aho raha tsy tonga tamiko ny voninahiny ary raha tsy novàna tarehy teo anoloany aho. Saingy izaho dia afaka mijery anao amin’ny maha-olona araka ny nofo ahy. Tsy izany marina tokoa va?

15 Hotahina anie ny anaran’ Andriamanitro fa tsy niala tamiko tanteraka ny Fanahiny, fa raha tsy izany aiza ny voninahitrao, fa izany dia haizina ho ahy? Ary izaho dia afaka manavaka anao sy Andriamanitra; fa hoy Andriamanitra tamiko: Derao Andriamanitra fa Izy irery ihany no hotompoinao.

16 Mialà eto ry Satana; aza mamitaka ahy; fa hoy Andriamanitra tamiko: Ianao dia araka ny endriky ny Lahitokako.

17 Ary nomeny ahy koa ny didy fony Izy niantso ahy avy teo amin’ny roimemy nirehitra afo, nanao hoe: Miantsoa an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Lahitokako ary miderà Ahy.

18 Ary hoy indray i Mosesy: Tsy hitsahatra ny hiantso an’ Andriamanitra aho, manana zavatra hafa hangatahina Aminy aho: fa mby teo amiko ny voninahiny, koa afaka manavaka ny Aminy sy aminao aho. Mialà eto ry Satana.

19 Ary ankehitriny, nony efa nilaza ireo teny ireo i Mosesy, dia nihiaka tamin’ny feo mafy i Satana ka nitroatroatra teo amin’ny tany sy nandidy, nanao hoe: Izaho ihany no Lahitokana, miderà ahy.

20 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka natahotra izaitsizy tokoa i Mosesy; ary raha nanomboka natahotra izy dia nahita ny fangidian’ny helo. Na dia izany aza, rehefa niantso an’ Andriamanitra izy dia nahazo tanjaka ka nandidy, nanao hoe: Mialà amiko ry Satana, fa izao Andriamanitra iray izao ihany no hoderaiko, izay Andriamanitry ny voninahitra.

21 Ary ankehitriny dia nanomboka nangovitra i Satana ary nihovitrovitra ny tany; ary nahazo tanjaka i Mosesy ka niantso an’ Andriamanitra, nanao hoe: Amin’ny anaran’ny Lahitokana, mialà eto ry Satana.

22 Ary ny zava-nitranga dia nihiaka tamin’ny feo mahery i Satana, niaraka tamin’ny fitomaniana sy ny fidradradradrana ary ny fikitroha-nify; ary niala teo izy, dia avy teo anatrehan’i Mosesy, ka tsy hitany izy.

23 Ary ankehitriny ny amin’izany zavatra izany dia vavolombelona nanambara i Mosesy; nefa noho ny faharatsiana dia tsy nahalala izany ny zanak’olombelona.

24 Ary ny zava-nitranga, rehefa niala avy teo anatrehan’i Mosesy i Satana, dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra i Mosesy, sady feno ny Fanahy Masina izay vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka;

25 Ary rehefa niantso ny anaran’ Andriamanitra izy dia nahatazana ny voninahiny indray fa mby teo aminy izany; ary nandre feo izy, nanao hoe: Hotahina ianao ry Mosesy, fa Izaho, ny Tsitoha dia efa nifidy anao, ary ianao dia hatao mahery noho ny rano maro; fa ireo dia hankatò ny didinao, mova tsy Andriamanitra ianao.

26 Ary indro, Izaho momba anao, dia hatrany amin’ny fiafaran’ny andronao; fa ianao dia hanafaka ny vahoakako amin’ny fanandevozana, dia i Isiraely voafidiko.

27 Ary ny zava-nitranga, raha mbola niteny ilay feo, dia nanopy ny masony i Mosesy ka nahatazana ny tany, eny, ny tany manontolo; ary tsy nisy sombiny taminy izay tsy tazany, fa navahany tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra izany.

28 Ary tazany koa ny mponina teo aminy, ary tsy nisy olona iray ka tsy tazany; ary navahany tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra ireny; ary lehibe ny isany, tsy hita isa toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza.

29 Ary tazany ireo tontolo maro; ary ny tontolo tsirairay dia natao hoe tany, ary nisy mponina teo amboniny.

30 Ary ny zava-nitranga dia niantso an’ Andriamanitra i Mosesy, nanao hoe: Lazao ahy, iangaviako ianao, nahoana no toy izao ireo zavatra ireo ary tamin’ny inona no nanaovanao azy?

31 Ary indro, mby teo amin’i Mosesy ny voninahitry ny Tompo hany ka nijoro teo anatrehan’ Andriamanitra izy ary niresaka nifanatrika Taminy. Ary hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’i Mosesy: Ho an’ny tanjoko no efa nanaovako ireo zavatra ireo. Izao no fahendrena ary mitoetra ato Amiko izany.

32 Ary tamin’ny tenin’ny heriko no efa nahariako azy ireo, izay ny Zanaka Lahitokako, izay feno fahasoavana sy fahamarinana.

33 Ary tontolo tsy hita isa no efa nohariako; ary nohariako koa ho an’ny tanjoko ireny; ary tamin’ny alalan’ny Zanaka no nahariako ireny, izay ny Lahitokako.

34 Ary ny olona voalohany tamin’ny olona rehetra dia efa nantsoiko hoe Adama, izany hoe maro.

35 Saingy ny tantaran’ity tany ity ihany sy ny mponiny no omeko anao. Fa indro, misy tontolo maro izay efa lasana tamin’ny tenin’ny heriko. Ary misy maro izay mijoro ankehitriny ary tsy tambo isaina ireny ho an’ny olona; fa ny zava-drehetra dia voaisa ho Ahy, fa Ahy ireny ary fantatro ireny.

36 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamin’ny Tompo i Mosesy, nanao hoe: Mamindrà fo amin’ny mpanomponao Andriamanitra ô, ary lazao ahy ny momba ity tany ity sy ny mponiny, ary koa ireo lanitra, ary rehefa izany dia ho afa-po ny mpanomponao.

37 Ary niteny tamin’i Mosesy ny Tompo Andriamanitra, nanao hoe: Ireo lanitra dia misy maro, ary tsy mety ho voaisa ireo ho an’ny olona; fa voaisa ireo ho Ahy, fa Ahy ireo.

38 Ary toy ny hahalasanan’ny tany iray sy ny lanitra eo aminy dia toy izany koa no hiavian’ny iray hafa; ary tsy manam-pahataperana ny asako, na koa ny teniko.

39 Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.

40 Ary ankehitriny, ry Mosesy zanakalahiko, dia horesahiko anao ny momba ity tany izay ijoroanao ity; ary hosoratanao ireo zavatra izay horesahiko.

41 Ary amin’ny andro izay hiheveran’ny zanak’olombelona ny teniko ho tsinontsinona ary hanesorany ny maro aminy hiala amin’ny boky izay hosoratanao dia indro, hanangana olona iray hafa toa anao Aho; ary ireo teniko dia ho eo anivon’ny zanak’olombelona indray—any anivon’izay rehetra mino.

42 (Ireo teny ireo no notenenina tamin’i Mosesy teo amin’ilay tendrombohitra izay tsy hampahafantarina eo anivon’ny zanak’olombelona ny anarany. Ary ankehitriny dia tenenina aminareo ireo. Aza aseho na iza na iza ireo afa-tsy ireo izay mino. Izany tokoa. Amena.)