Namana
Ry ankizy namana malalanay
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ry ankizy namana malalanay,” Namana, aogositra 2023, 1.

Ry ankizy namana malalanay,

Sary
alt text

Manantena izahay fa hankafizinao ity laharana manokana amin’ny Namana ity. Mikasika ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ho mpikambana daholo izany.

Raha vao vita batisa ianao dia miarahaba anao izahay lasa mpikambana vaovao ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany!

Rehefa atao batisa ianao dia manaraka ny ohatry ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy. Mampanantena ny hahatsiaro ny Mpamonjy sy hitandrina ny didiny ianao. Antsoina hoe fanekempihavanana ireo fampanantenana ireo. Rehefa raisina ho mpikambana ianao dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia afaka mampionona, mitarika, ary mitaona anao mandritra ny fiainanao.

Raha efa natao batisa ianao dia mamporisika anao izahay hahatsiaro ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa ary hiezaka ny hanara-dia an’i Jesoa isan’andro.

Raha tsy mbola vita batisa ianao dia manantena izahay fa hiomana ianao amin’ny alalan’ny fianarana bebe kokoa momba io dingana manan-danja io.

Tena reharehanay tokoa ianareo tsirairay avy. Fantatray fa miahy anareo ny Ray any An-danitra. Tena tiany ianareo ary izahay koa tena tia anareo.

Ny Fiadidiana Voalohany

Sary
alt text
Sary
alt text here

Hamoaka printy