Namana
Tongava amin’ny batisako!
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Tongava amin’ny batisako!” Namana, aogositra 2023, 14.

Tongava amin’ny batisako!

Sary
alt text here

Hosodoko nataon’i Anna Oldroyd

Manaova karatra milokoloko hanasana olona hanatrika ny batisanao! Iza no tianao hasaina? Afaka mivavaka sy mihaino ny Fanahy Masina ianao mba hahita hevitra vitsivitsy.

  1. Aforeto roa ny taratasy tsirairay. Asio soratra manasa ny olona hanatrika ny batisanao eo anoloana na ao anatin’ilay karatra.

  2. Soraty ao ny daty, ny ora, ary ny adiresy hanaovana ny batisanao.

  3. Atsobohy ao amin’ilay lokorano ny rantsan-tananao dia asio haingony ny karatra! Jereo ireo hevitra ato amin’ity pejy ity.

  4. Omeo ny namanao sy ny fianakavianao ireo karatra!

Tiako hozaraina tamin’ireo olon-tiako ny batisako. Ka noho izany, rehefa nampian’i neny, dia nanasa ireo namanay sy ireo mpiara-mianatra aminay hanatrika ny batisako izaho sy ny rahavaviko. Tamin’ny andron’ny batisako dia nandeha tsara ny zavatra rehetra. Be dia be ny olona tonga tao. Faly tokoa aho fa vita batisa!

Eve O., 8 taona, Fort-de-France, Martinique

Hamoaka printy