Namana
Ny Fanekempihavanako tamin’ny Batisa
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ny Fanekempihavanako tamin’ny Batisa,” Namana, aogositra 2023, 10–11.

Ny Fanekempihavanako tamin’ny Batisa

Ny fanekempihavanana dia fampanantenana ifanaovantsika amin’ny Ray any An-danitra. Mamakia zavatra telo ampanantenaintsika hatao rehefa atao batisa isika. Avy eo dia soraty ny zavatra azonao atao mba hitandremana ny fanekempihavananao tamin’ny batisa!

Hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy

Sary
alt text

“Hahatsiaro Azy mandrakariva” (Môrônia 4:3).

Rehefa nahita ny hafa naneho haratsiam-panahy tamin’olona i Elena dia nieritreritra izay zavatra ho nataon’i Jesoa izy.

Ny fomba ahafahako mahatsiaro an’i Jesoa: __________

Mitandrina ny didiny.

Sary
alt text

“Mitandrina ny didiny” (Môrônia 4:3).

Nisafidy ny tsy hijery horonan-tsary misy teny sy sary ratsy i James.

Didy iray azoko tandremana: __________

Mitondra ny anarany eo aminao

Sary
alt text

“Hitondra [eo aminao] ny anaran[’i Jesoa Kristy]” (Môrônia 4:3).

Nilaza tamin’ny namany i Nanà fa mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy.

Ny dikan’izany hoe mitondra ny anarany eo amintsika amiko: __________

Mitandrina ny fanekempihavanako

Ireto misy fomba vitsivitsy fanampiny azonao itandremana ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa.

Manampy olona

Sary
alt text

“Hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany” (Môzià 18:8).

Nanampy ny zandriny lahy hanao ny matematika entimodiny i Akio.

Iza no azoko ampiana: __________

Mibebaka rehefa manao ny tsy mety ianao

Sary
alt text

“Mibebaka … ka ateraka indray” (Almà 5:49).

Rehefa avy nilaza zavatra tamin-karatsiam-panahy tamin’ny rahavaviny i Isa dia nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra izy. Dia nangataka ny rahavaviny izy avy eo mba hamela azy.

Ny fomba ahafahako mibebaka: __________

Mampionona ny hafa

Sary
alt text

“Hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:9).

Nitsidika ny namany izay maty dadabe i Lucas.

Ny fomba ahafahako mampionona olona: __________

Sary
alt text here

Sary nataon’i Kelly Smith

Hamoaka printy