“Nasehon’i Jesoa antsika ny lalana,” Namana, aogositra 2023, 4–5.
Nasehon’i Jesoa antsika ny lalana
Zanakalahin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Tonga teto an-tany Izy mba haneho amintsika fa afaka miverina any amin’ny Ray any An-danitra isika indray andro any. Natao batisa i Jesoa. Nampianatra Izy fa tokony hatao batisa koa isika.
Nasehon’i Jesoa antsika ny fomba tokony hiainana. Tia sy nanampy ny rehetra Izy. Tiany hanara-dia Azy isika.
Nahatsapa ny fanaintainantsika rehetra i Jesoa ary nijaly noho ny fahotantsika. Dia maty ho antsika Izy avy eo. Antsoina hoe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany. Nitsangana tamin’ny maty Izy. Midika izany fa velona Izy ankehitriny! Noho i Jesoa Kristy dia ho velona indray ihany koa isika aorian’ny fahafatesantsika.
Nanao ireo zavatra rehetra ireo ho antsika i Jesoa satria tiany isika. Noho Izy dia afaka miaina any an-danitra miaraka amin’ny fianakaviantsika isika indray andro any.
Afaka manara-dia an’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa. Afaka manara-dia Azy koa isika isan’andro rehefa tia sy manampy ny hafa ary mitandrina ny didiny.