“Mivoatra tahaka an’i Jesoa miaraka amin’ny Fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo,” Namana, aogositra 2023, 41.
Mivoatra tahaka an’i Jesoa miaraka amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo
Afaka manampy anao ho lasa tahaka an’i Jesoa kokoa ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo amin’ny alalan’ny famonjena ireo fiaraha-mientan’ny Kilonga, ny fametrahana tanjona, ary ny fianarana ny filazantsara. Afaka manampy anao hanandrana zava-baovao sy hahazo fahafinaretana ihany koa izany! Ny Boky torolalana ho an’ny ankizy izay nomena anao dia afaka manampy anao hanomboka. Raha tsy manana ianao dia mangataha tahadika iray amin’ny mpampianatra anao ao amin’ny Kilonga.
Afaka mivoatra ara-tsaina ianao amin’ny fianarana zavatra vaovao.
Afaka mivoatra ara-batana ianao amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahan-tena na ny fampiasana fahaiza-manao.
Afaka mivoatra ara-panahy ianao amin’ny fianarana bebe kokoa momba ny filazantsara.
Afaka mivoatra ara-tsôsialy ianao amin’ny fanorenana finamanana amin’ny hafa.