Namana
Ilay fiaraha-mientana momba ny tantaram-pianakaviana
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ilay fiaraha-mientana momba ny tantaram-pianakaviana,” Namana, aogositra 2023, 30–31.

Ilay fiaraha-mientana momba ny tantaram-pianakaviana

“Afaka mitantara tantaram-pianakaviana iray hafa amiko ve ianao?” Hoy i Lorrain nanontany.

Tany Vanuatu no nitrangan’ity tantara ity.

Nitsiky i Lorrain rehefa nihira ny tonony farany tamin’ilay hira. Vao nahavita ny fotoam-pihirana tao amin’ny Kilonga izy ireo. Fotoana handehanana any amin’ny kilasy amin’izay tamin’izay.

Kanefa dia nitsangana aloha Rahavavy Taleo. “Te hiresaka aminareo momba ny fiaraha-mientana iray hataon’ny Kilonga izay hatao afaka fotoana vitsy aho”, hoy izy. “Tianay hamantatra zavatra momba ny fianakavianareo ianareo. Manontania mikasika ny tantaram-pianakaviana amin’ny ray aman-dreninareo. Dia rehefa manatrika ilay fiaraha-mientana, dia afaka mizara ny zavatra fantatrareo ianareo.”

Rehefa tonga tany an-trano avy any am-piangonana i Lorrain dia nientanentana ery izy. Nahita taratasy lehibe iray izy dia nentiny teo amin’ny latabatra. Tsy andriny ny hamantatra zavatra momba ny fianakaviany!

Nanao sarina hazon’ny tetiarana teo amin’ilay taratasy i Lorrain. Nanampy azy hanoratra tsara ny anarana rehetra i Neny sy i Dada. Dia nametaka ny sarin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany tamin’ilay taratasy hapetany amin’ny rindrina izy avy eo.

Sary
alt text

“Lorrain koa no anaran’ny renin’ny renibenao,” hoy i Neny. “Nampitondrainay ny anarany ianao.”

“Tsara kosa izany,” hoy i Lorrain.

“Olona tena be fitiavana i Nenibe Lorrain.” Nitsiky i Neny. “Rehefa tsy nanana kitay hampirehetana afo ireo olona hafa tao an-tanàna,dia nizara ny azy tamin’izy ireo i Nenibe Lorrain.”

Nahafinaritra ny namantatra zavatra momba ny fianakaviany! “Afaka mitantara tantaram-pianakaviana iray hafa amiko ve ianao?” Hoy i Lorrain nanontany.

“Afaka mitantara aminao ny fotoana voalohany nandehanany tany amin’ny tempoly i Dada,” hoy i Neny. “Vao enin-taona izy tamin’izay. Nanao dia lavitra be nankany amin’ny tempoly tany Nouvelle Zélande izy sy ireo ray aman-dreniny.

Tian’i Lorrain ny nihaino tantara momba ny tempoly. “Mba tantarao ahy ilay tantara ry Dada a!” hoy izy.

“Nitaingina fiaramanidina aloha izahay nankany Nouvelle Zélande. Dia nitaingina fiarabe fitateram-bahoaka izahay avy eo. Tena naharitra ny dianay.” Nampiseho sarina tempoly iray an’i Lorrain i Dada. “Nony farany dia niditra tao amin’ny tempoly izaho sy ny ray aman-dreniko. Nofehezina izahay mianakavy. Midika izany fa afaka ny hiaraka mandrakizay izahay!”

Nahatonga an’i Lorrain hahatsapa hafanana tao anaty izany. Faly izy fa afaka nandre tantara momba ny fianakaviany.

Tonga ihany nony farany ilay maraina hanaovana ilay fiaraha-mientan’ny Kilonga. Nanampy an’i Neny sy Rahavavy Taleo i Lorrain mba hanomana ny zavatra rehetra tao amin’ny trano fiangonana.

Avy eo dia nahare vaovao vitsivitsy nahafaly izy ireo. Hisy tempoly haorina eo amin’ny nosin’izy ireo!

Faly ery i Lorrain. Rehefa mahafeno ny taona ahafahana miditra ao amin’ny tempoly izy dia tsy hila hanao dia lavitra velively!

Tamin’io tolakandro io dia nanatrika ilay fiaraha-mientan’ny Kilonga ny naman’i Lorrain rehetra. Nifandimby nizara ny zavatra fantany momba ny fianakaviany ireo ankizy. Rehefa tonga ny anjaran’i Lorrain, dia nohazoniny ambony tamin’ny tanana ilay taratasy misy ny hazon’ny tetiarany.

“Tena tiako ny namantatra ny fianakaviako,” hoy izy. “Fantatro tamin’izany fa nampitondraina ny anaran’ny renin’ny renibeko aho. Nahafantatra mikasika ny fotoana voalohany nandehanan’ny fianakaviako tany amin’ny tempoly koa aho. Afaka manampy ny fianakaviantsika hiaraka mandrakizay ny tempoly.” Niverina nahatsapa ilay hafanana indray izy. “Tena faly aho fa hanana tempoly eto Vanuatu izahay.”

Niverina nipetraka tamin’ny endrika tena mirana i Lorrain. Feno fankasitrahana izy fa afaka nivoatra mba ho lasa tahaka an’i Jesoa kokoa. Ary velom-pankasitrahana noho ny tempoly izy! Tsy andriny ny hiditra ao amin’izany indray andro any.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Emily Davis

Hamoaka printy