Namana
Ilay andro lehibe ho an’i Giorgia
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ilay andro lehibe ho an’i Giorgia,” Namana, aogositra 2023, 8–9.

Ilay andro lehibe ho an’i Giorgia

“Hatao batisa tsy ho ela aho,” hoy i Giorgia. “Tahaka ny nanaovana batisa an’i Jesoa mihitsy!”

Tany Australie no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nihazakazaka niakatra tany amin’ny efitranony niaraka tamin’i Matilda tao aoriany i Giorgia. Nahafinaritra foana ny andro rehefa tonga nilalao taminy ny namany.

“Afaka milalao ny robot anao ve isika?” Hoy i Matilda nanontany.

“Eny!” Hoy i Giorgia. Isan’ireo zavatra tena tiany indrindra izany.

Teo am-pamoahan’i Giorgia ilay robot dia nijery ireo sary teo amin’ny rindrin’i Giorgia i Matilda. Notondroiny ilay sary teo afovoany.

“Inona ity iray ity?” hoy izy nanontany.

“I Jesoa Kristy natao batisa io,” hoy i Giorgia. “Ary hatao batisa tsy ho ela aho. Tahaka ny nanaovana batisa Azy mihitsy!”

“Fa nahoana ianao no hatao batisa?” Hoy i Matilda nanontany.

“Satria te hanara-dia an’i Jesoa aho,” hoy i Giorgia. “Rehefa atao batisa aho dia izany no hampanantenaiko fa hataoko!”

Dia nahita hevitra i Giorgia avy eo. “Tianao ve ny hanatrika ny batisako?”

“Hanontany an’i neniko aho raha afaka mandeha,” hoy i Matilda.

Nihananakaiky hatrany ny andro hanaovana batisa an’i Giorgia. Namaky teny tao amin’ny bokiny mirakitra tantara ao amin’ny soratra masiny izy ary nanatrika tao amin’ny Kilonga isaky ny herinandro. Rehefa avy nanao ny vavaka talohan’ny hatoriany izy dia nijery an’ilay sarin’i Jesoa. Tiany ny naka sary an-tsaina hoe manao ahoana izany hatao batisa izany.

Ny alahady talohan’ny batisany dia nanao ny tafa sy dinika momba ny batisany i Giorgia. Niresaka tamin’ny eveka tao amin’ny biraony izy sy ireo ray aman-dreniny. Nametrahany fanontaniana vitsivitsy izy mba hakana antoka fa vonona ny hatao batisa.

Sary
alt text

“Mino ve ianao fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra?” hoy izy nanontany.

Nino izy! “Eny,” hoy izy.

Nitsiky taminy ny eveka. “Safidy tena manan-danja ny batisa. Te hatao batisa ve ianao?”

Nieritreritra ny halehiben’ny fitiavany an’i Jesoa i Giorgia ary naniry ny hanara-dia Azy. “Eny,” hoy izy.

Tonga ihany ilay andro lehibean’i Giorgia nony farany. Rehefa niroboka tao anatin’ny rano izy dia nahita ireo namany sy ny fianakaviany nijery azy. Tao koa i Matilda!

Rehefa nanonona ilay vavaka atao amin’ny batisa ny dadany, dia nahatonga an’i Giorgia hahatsapa ho tony sy faly tao anatiny izany. Avy eo dia nalentiny tateraka tamim-pitandremana tsara tao anaty rano izy ary navoakany indray avy eo. Rehefa tafavoaka tao izy dia nahatsapa ho faly sy nadio.

Namihina azy mafy i dada. Niandry azy teo an-tampon’ny tohatra i neny niaraka tamin’ny lamba famaohana sy tsikitsiky.

Nahatsapa hafanana tao anatiny i Giorgia. Andro niavaka izany. Nisafidy ny hanara-dia an’i Jesoa izy. Ary naniry ny hanohy hanara-dia Azy isan’andro izy!

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Shana Keegan

Hamoaka printy