“Afaka manara-dia an’i Jesoa Kristy aho,” Namana, aogositra 2023, 40–41.
Afaka manara-dia an’i Jesoa Kristy aho
Nanompo ny hafa i Jesoa (jereo ny Jaona 13:5, 13–17). Afaka mahita ny zavatra ilain’ny olona aho ary manao izay tsara indrindra vitako mba hanampiana.
Nandray tsara ny hafa i Jesoa (jereo ny Marka 10:14). Afaka mandray tsara ny hafa aho ary manao naman’ireo izay mahatsapa ho tsy noraharahiana.
Nivavaka ho an’ny hafa i Jesoa (jereo ny 3 Nefia 17:15–18). Afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka aho. Afaka mangataka Azy hitahy ny hafa koa aho.
Namela ny hafa i Jesoa (jereo ny Jaona 8:11). Afaka mamela ny hafa koa aho. Ary rehefa manao safidy ratsy aho dia afaka miteny hoe: “mifona aho.”
Nampianatra ny filazantsara i Jesoa (jereo ny Matio 5:1–9). Afaka mizara ny filazantsara amin’ny hafa aho. Afaka mampianatra ny olona momba an’i Jesoa aho.
Ohatra tonga lafatra i Jesoa (jereo ny Jaona 13:15). Afaka manao izay tsara indrindra vitako aho hanarahan-dia an’i Jesoa. Afaka ny ho ohatra ho an’ny hafa koa aho.