2022
Mampifandray
Martsa 2022


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery! mar. 2022.

Mampifandray

Adam L.

15 taona, Jamaika

Sary
zatovolahy

Sary nalain’i Christina Smith

Mampiseho ahy ny fomba hahatongavana tahaka an’i Kristy ireo ray aman-dreniko. Manampy olona foana izy ireo! Ary rehefa manompo ny hafa izy ireo dia tsy mitaraina. Mitandrina ny andro Sabata ho masina izy ireo. Mivavaka isa-maraina sy hariva ihany koa izy ireo.

Mianatra zavatra hafa avy amin’ireo ray aman-dreniko aho. Mpahay hoso-doko ikoizana ny raiko. Ny manao aloka amin’ny pensilihazo no tena manavanana azy. Nametraka tanjona aho ny hanatsara ny fahaizako hoso-doko, koa dia mijery azy tsara aho.

Tanjona iray hafa napetrako ihany koa ny hahazo naoty tsara any an-tsekoly. Matahotra aho indraindray mandritra ireo fitsapam-pahaizana. Nisy fotoana iray tena natahotra mafy aho ka dia nivavaka. Taorian’ilay vavaka dia nahatsapa hazavana sy fifaliana tato anatiko aho. Afaka nanao ilay fitsapam-pahaizana tsy nisy olana aho. Fantatro fa nanampy ahy tsy hahatsapa tahotra intsony ny Fanahy Masina.

Indray mandeha aho nandray anjara tamina tetikasa fanompoana handoko ny rindrin’ny sekoly iray teo akaiky. Tamin’ny voalohany aho tsy te hankany, fa avy eo aho dia nanomboka nahazo aina amin’izay. Ankehitriny aho isaky mandalo amin’izany sekoly izany dia mahatsapa tena ho miavaka. Fantatro fa nanampy ireo ankizy tao aho.

Hamoaka printy