2022
Afaka manampy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra Andriamanitra
Martsa 2022


“Afaka manampy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Afaka manampy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra Andriamanitra

Hain’i Jesoa Kristy ny fomba hanavotana antsika tsirairay, na inona na inona fitsapana antsika.

Sary
Jesoa Kristy

Thes Savior Walked on Water [Ny Mpamonjy mandeha eo ambony rano], nataon’i Walter Rane

Tsaroako fony aho mbola zatovo hoe manao ahoana izany miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra izany. Nirongatra aoka izany ny ady lehibe tamin’izany. Zatovolahy maro zokiko kely kokoa no maty an’ady. Nisy adin-jiolahy teo amin’ny manodidina akaiky anay. Mbola tsy tapitra akory ilay fitotonganana ara-toekarena maneran-tany, dia olona maro no mahantra. Izaho sy ny fianakaviako no hany Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny tanàna nipetrahanay.

Fa mbola faly sy be fanantenana ihany aho. Nampianarina aho, tahaka ny efa nampianarana anareo, fa ny fitsapana antsika dia afaka ny ho fitahiana rehefa mampitodika antsika any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy mba hangataka fanampiana.

Inona no anton’ireo fitsapana?

Ny fitsapana dia manome antsika ilay fahafahana sarobidy hisafidy ny hampihatra finoana. Afaka mangataka am-bavaka amin’i Jesoa Kristy isika, Izy izay mahay ny fomba hanavotana antsika. Niaina ny fitsapana rehetra izay hatrehantsika Izy. Hainy tanteraka ny fomba hanavotana ny tsirairay avy amintsika. Ary tia antsika Izy.

Ny tanjon’ireo fanambin’ny fiainana dia ny hijerena izay hosafidiantsika. Hampihatra finoana mba hitandremana ny didy nomeny antsika ve isika na inona na inona fitsapana atrehantsika? Hanao izay tsara indrindra ho antsika foana ny Ray be fitiavana. Mety hoesoriny na ahenany ny fisapana antsika raha toa ka hanamafy orina ny finoantsika izany. Amin’ny fotoana hafa dia mety tsy hanao izany Izy.

Rehefa nandalina ny fiainan’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha ianao dia hitanao ny fomba hanampian’ny Tompo antsika tsikelikely mba hivoatra ao anatin’ny fitsapana mafy. Ohatra, ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Josefa sy i Mosesy dia nampianatra ahy ny fomba fangatahana sy fandraisana fanampiana ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Fitsapana an’i Josefa

I Josefa, ilay zanaka tena tian’i Jakoba, dia natsipin’ireo rahalahiny tao anaty lavaka ary avy eo dia namidy ho andevo. Nolazain’ireo rahalahiny ny rainy fa maty izy. Raha andevo mpanompo i Josefa dia nomen’ny Tompo hery hamantarana ny dikan’ny nofin’i Farao izy. Nasehony an’i Josefa ny fomba ahafahan’i Egypta miady amin’ny mosary izay ho avy. Nomeny toe-tsaina matanjaka i Josefa hanoherana ny fakam-panahy, sy ho afaka tao am-ponja, ary tamin’ny faha-32 taonany dia nasondrotr’i Farao ho mpiandraikitra ambony. Hoy i Farao tamin’i Josefa: “Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?”1

Ny lesona ho ahy avy tamin’ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Josefa dia ny fahafahany manampy antsika ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Rehefa tsy nitsahatra nanao safidy tsara i Josefa dia nankahery an’i Josefa ny Tompo, sy nanome azy hery ara-panahy, ary nanalefaka ny fon’ny olona nanodidina azy.

Sary
Ny Tompo miseho amin’i Mosesy

Moses Seeing Jehovah [I Mosesy mahita an’i Jehovah], nataon’i Joseph Brickey

Fitsapana an’i Mosesy

Tahaka izany koa, ny fanampian’ny Tompo an’i Mosesy tao anatin’ny fitsapana azy dia mitovy amin’ny nanampiany an’i Josefa. Nanomboka tamin’ny fahatanorany koa ny fitsapana an’i Misesy. Nosarahana tamin’ny ray aman-dreniny i Mosesy. Ny fitsapana voalohany ho azy dia ny hotezain’ny zanak’i Farao. Ho fiarovana Isiraelita iray dia namono Egyptiana iray izy ary tsy maintsy nitsoaka tany an-tany foana.

Niseho tamin’i Mosesy ny Tompo ary niantso azy hanafaka ireo zanak’i Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Egypta. Io iraka izay toa tsy ho vita io dia fitsapana izay tsapan’i Mosesy fa sarotra kokoa ka tsy ho vitany. Mety ho tonga ny fizahan-toetra sy fitsapana mafy indrindra eo amin’ny fiainanao rehefa omen’ny Tompo andraikitra izay toa mafy loatra aminao ianao ka mahatsapa fa mila ny fanampian’ Andriamanitra.

Natomboky ny Tompo tamin’ny fanomezana an’i Mosesy ny fanampiana izay hilainy. Nambarany an’i Mosesy fa Izy no hankahery azy amin’ireo fitsapana ho avy.

“IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY: … Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.”2 Niaraka tamin’izany fanomezan-toky izany dia nahazo finoana sy hery i Mosesy tamin’ireo fitsapana nifanesy nanoloana azy tamin’ny andraikitra nomena azy. Tsy vitan’ny hoe niantso azy fotsiny ny Tompo fa nandeha teo anoloan’ny tavany ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga.

Sary
Jesoa Kristy

Light of the World [Fahazavan’izao tontolo izao], nataon’ i Walter Rane

Ny fitsapana anao

Tsy hanam-paharoa ny fotoan-tsaotra izay atrehintsika sy ianao. Tsy misy fiainana anankiroa mitovy tsy misy valaka. Nataon’ny Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany Malala mifanaraka amin’ny tsirairay avy amintsika ny fitsapana. Ny fomba famalian’Izy Ireo ny vavaka fangatahana fanampiana ataontsika no ho izay tsara indrindra ho antsika. Ho an’ny sasany dia mety hampatanjahana antsika izany, ary ho an’ny sasany dia mety hanomezana antsika fifaliana eo am-pitolomantsika am-pinoana izany.

Ho antsika rehetra, ny fanampiana tena ilaintsika rehefa zahan-toetra, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ary na maharitra hafiriana, dia ny finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy. Izany finoana izany no nanome fahafahana an’i Josefa nanazava nofy tany Egypta. Finoana azo antoka an’i Jesoa Kristy no nankahery sy nanamafy an’i Mosesy tao anatin’ny andraikitra sarotra nanampiana ny Tompo hanafaka ny vahoakany.

Ao anatin’ny fahatanoranao dia efa nozahan-toetra ianao tamin’ny alalan’ ny fotoan-tsarotra, tahaka ahy. Saingy tahaka ahy, dia nampianarina ianao mba hatoky an’i Jesoa Kristy. Tsapako izao ny antony nahatsapako fahavitrihana sy fifaliana lehibe fony aho zatovo. Tsy hoe nanantena ny fotoana hihatsara na hihamora aho. Fa natoky tena aho fa raha toa ka natoky sy nanompo Azy aho dia ho tsara ihany ny zavatra rehetra.

Nangataka an-draiko hihira hiaraka aminy ny renibeko teny an-dalana hody rehefa avy nolazaina fa ho fatin’ ny homamiadana izy: “Raha ho faty an-dalana re, … Tsara re! Tsara re!”3 Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa fantatr’i Jesoa Kristy ny fomba hanavotana antsika tsirairay, na inona na inona fitsapana antsika. Mila mangataka am-pinoana Azy fotsiny isika.

Tia anao i Jesoa Kristy ary hanampy anareo, amin’ny fotoana rehetra, ary araka izay tsara indrindra ho anareo. Izany no ijoroako ho vavolombelona, miaraka amin’ny fitiavako anareo sy Azy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy