2022
Ny fomba fiatrehana karazana fitsapana telo
Martsa 2022


“Ny fomba fiatrehana karazana fitsapana telo,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Genesisy 37–50

Ny fomba fiatrehana karazana fitsapana telo

Maro isan-karazany ireo fanamby eo amin’ny fiainana, fa ny mitodika any amin’ Andriamanitra foana no vahaolana.

I Josefa amindin’ireo rahalahiny ho andevo

Sary nataon’ i Simini Blocker

Noho ny fialonana dia namidin’ireo rahalahiny ho andevo i Josefa ary avy eo dia nolazain’izy ireo tamin-drainy fa matin’ny biby izy.

Mety ho nametraka fanontaniana betsaka i Josefa momba ny fizotry ny fiainany. Hianatra momba ny fiainany ianao mandritra ity volana ity, saingy ity misy famintinana fohy momba ny zavatra nitranga taminy.

  • Namidin’ireo rahalahiny ho andevo izy.

  • Nandritra ny naha-andevo azy dia voapanga tsy ara-drariny izy ho nikasa naka ny vadin’ny tompony.

  • Lasa gadra nandritra ny roa taona be izao izy avy eo.

Eritrereto ny mety ho fahatsapanao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Josefa. Farafaharatsiny ianao dia mety ho nalaim-panahy hanontany hoe: “Nahoana izao no mitranga amiko?” “Inona no nataoko ka mendrika an’izao?”

I Josefa ao am-ponja tany Egypta

Na dia tsy nanao heloka aza izy dia nalefa tany am-ponja nandritra ny roa taona be izao.

Karazana fitsapana telo

Indray mandeha ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny karazana fitsapana anankitelo mety hatrehintsika amin’ity fiainana ity.

  • Karazany 1: Fitsapana avy amin’ny fahotana na fahadisoana nataontsika ihany.

  • Karazany 2: Fitsapana izay mitranga satria tontolo lavo ity, feno faharatsina sy aretina ary olona tsy tonga lafatra.

  • Karazany 3: Fitsapana izay inian’ Andriamanitra hiainantsika satria tiany hitombo isika.

Rehefa ao anatin’ny fitsapana isika dia mety ho alaim-panahy hanontany hoe: “Nahoana izao no mitranga amiko?” Saingy tsy dia ilaina araka ny antenaintsika azy io fanontaniana io. Nanoratra ny Loholona Maxwell fa na inona na inona antony mahatonga antsika miatrika fitsapana dia “mazava ho azy fa mitovy ihany ny vokany, maniry antsika handresy izany fanamby izany Andriamanitra. Nampanantena antsika anefa Izy fa ampy ho antsika ny fahasoavany.”1 Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy hamela antsika handalo amin’ireo fitsapana Andriamanitra raha tsy manolotra antsika ny fanampiana ilaintsika amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny ohatra nasehon’i Josefa

Andeha hojerentsika kely indray ny fitsapana lehibe voalohany nihatra tamin’ i Josefa: Namidin’ireo rahalahiny ho andevo izy.

Fitsapana “Karazana 1” ve izany? I Josefa ve no nahatonga izany hitranga taminy? Toa, tsia no valiny. Nizara ny sasantsasany tamin’ireo nofiny ara-paminaniana momba ireo zokilahiny tokoa izy, tamin’ny fomba tsy manan-tsiny. Ireo nofy ireo dia nanambara fa ho lasa mpitarika azy ireo izy indray andro any. Mazava ho azy fa tsy tian’ireo zokiny ny naheno izany. Raha ny marina dia “izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy” (Genesisy 37:8).

Raha teo amin’ny toeran’i Josefa ianao dia mety ho naka sary an-tsaina ny tenanao hieritreritra hoe: “Tahaka izay tsy nolazaiko azy ireo ny nofiko!”

Sa ve fitsapana “Karazany 2” kosa izy io? Moa ve ny fitsapana an’i Josefa nitranga satria miaina ao anaty tontolo lavo izy, izay ahitana olona mampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba ratsy? Angamba. Averiko indray fa mety ho mora tamin’i Josefa ny nanifikifika ny lohany ary hieritreritra hoe noho ny fahadisoan’ireo rahalahiny avokoa ny olany rehetra. Na nieritreritra ny amin’ny nandaingan’ny vadin’i Potifara. Na koa nieritreritra mihitsy momba ny nanadinoan’ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka niresaka momba an’i Josefa tamin’ny Farao nandritra roa taona na dia efa nampanantena azy aza fa hanao izany (jereo ny Genesisy 40:23).

Sa ve fitsapana “Karazany 3” avokoa izany raha ny marina? Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: moa ve ireo zavatra ireo navelan’ Andriamanitra hiainan’i Josefa mba hanampiana azy hitombo? Raha ny amin’io fanontaniana io dia i Josefa mihitsy no nahatsapa fa farafahakeliny dia marina amin’ny ampahany izany. Rehefa nihaona tamin’ireo rahalahiny indray izy nony farany dia nilaza hoe: “Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo aty (Genesisy 45:5, nampiana fanamafisana).

Izao dia tsarovy fa namidy ho andevo i Josefa tamin’izy 17 taona. Telopolo (30) taona izy raha nijoro teo anatrehan’i Farao mba hanazava ny nofiny izay hanafaka azy. Izany hoe 13 taona na efa ho ny antsasaky ny fotoana nahavelomany tamin’io fotoana io no tsy naha-olona afaka an’i Josefa nefa tsy nanan-tsiny avy. Sady nanam-pinoana izy fa hanavotra aina no “nampandehanan’ Andriamanitra [azy]” tany. Na avy tamin’ inona na avy tamin’inona ilay fitsapana dia fantatr’i Josefa tamin’ny farany fa nanana tanjona Andriamanitra.

Izay dia ampy ho azy. Tokony ho ampy ho antsika izany.

I Josefa miaraka amin’ireo rahalahiny any Egypta

Namela ny rahalahiny i Josefa ary nanavotra ny ain’izy ireo tamin’ny mosary mihitsy aza. Fantatr’i Josefa fa nitarika sy niaro ny fiainany i Andriamanitra.

Ny fitsapana anao

Afaka mandany hery be dia be hiasana saina amin’ny lasa isika. Mety hieritreritra isika hoe: “Nahoana aho no nanao izany?” na hoe “Raha tsy namitaka ahy mantsy izao i ranona.”

Fa ny fiasana loha amin’ny hoe maninona raha izao na hoe tahaka izay izao dia tsy manao na inona na inona ankoatra ny manaintaina amin’ny hoe fa nahoana na hoe tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ ny fitsapana iray teo amin’ny fiainako. Amin’ny farany dia hahita fiadanana sy hery rehefa manatona an’i Kristy sy matoky Azy, tahaka ny nataon’i Josefa tany Egypta. Rehefa ataontsika izany, dia ho lasa ilay karazana fitsapana izay manampy antsika hivoatra ka hanakaiky an’ Andriamanitra sy ho lasa tahaka Azy kokoa ny fitsapana rehetra mahazo antsika.

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana voalohany hoe: “Ary ho rariny ianao raha hanontany tena hoe nahoana ny Andriamanitra be fitiavana sy mahefan’ny zava-drehetra no mamela ny fisedrana antsika ety an-tany ho tena mafy tokoa. Izany no izy satria fantany fa tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahadiovana sy tanjaka ara-panahy isika vao afaka miaina eo anatrehany ao anaty fianakaviana mandrakizay.”2

Valisoa mandrakizay

Raha toa ka nanota isika, dia tsy maintsy mibebaka. Raha toa ka vitantsika ny mivoatra ao anatin’ny fitsapana na miatrika toe-javatra iray mifandray amina fitsapana iray dia azontsika atao sy tokony hataontsika izany. Saingy maro amin’ireo fahasarotana atrehantsika amin’ny fiainana an-tany no toa maharitra ela mihoatra ny nanantenaintsika azy, mandritra ny fiainana iray manontolo mihitsy aza indraindray. Eto dia mbola ny fitodihana amin’ Andriamanitra ihany no vahaolana.

Ny fiainana dia natao hitsapana sy hanomezana fahafahana hitombo antsika. Ary homba antsika Andriamanitra raha toa ka mikatsaka Azy isika! Nampianatra ny Loholoa Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Hitondra valisoa mihoatra noho izay azonao eritreretina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hatokana ho tombontsoanao izay zavatra tsy rariny rehetra, indrindra fa ireo zavatra tsy rariny mahasendoatra.”3

“Rariny” ve ny zavatra nolalovan’i Josefa? Tsia. Saingy noho ny nandalovany tamin’izany no nahafahana nanavotra ny ain’ireo firenena, tafiditra tamin’izany ny fianakaviany.

Mety ho eo anivon’ny fitsapana anao mitovy amin’ny an’i Josefa ianao. Mety tsy ho takatrao ny antony. Na ny ho fiafarany.

Tsarovy fotsiny fa ampy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Mitodiha Aminy, dia hanao zavatra mahatalanjona amin’ny fiainanao Izy.