2022
Ny herin’ny fisoronana ao anatin’ny valanaretina
Martsa 2022


“Ny herin’ny fisoronana ao anatin’ny valanaretina,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Izaho sy ilay teny filamatra

Mizara ny fomba iainan’izy ireo ny voambolana ao anatin’ny teny filamatry ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ny zatovo.

Ny Herin’ny fisoronana ao anatin’ny valanaretina

“Hitia an’ Andriamanitra … aho [ …] ary hampiasa ny fisoronany mba hanompoana ny hafa … miantomboka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviako.”

Sary
mofo sy rano

Sary avy amin’ny Getty Images

Rehefa nanomboka nanatenateraka ny fotoam-bavaka tany an-trano izahay noho ny valanaretina COVID-19 dia nanampy tamin’ny fizarana ny fanasan’ny Tompo tamin’ny fanakaviako aho. Tena nahafinaritra ny fahafahana nanao izany tao an-tranoko, ary nahatonga ahy hahatsapa fankasitrahana noho ny fanasan’ny Tompo izany. Feno fankasitrahana aho fa afaka niaina tao anatin’ity fotoana anatanterahana ny fotoam-bavaka any an-trano ity.

Nisy mpifanoloborindrina aminay iray nila olona hitondra ny fanasan’ny Tompo ho any aminy. Tsy nisy olona tao an-tranony izay afaka hanomana na hanamasina ny fanasan’ny Tompo satria efa maty ny vadiny taona vitsy lasa. Mailo ihany koa izy ny amin’ireo vahiny noho ny ilay valanaretina. Izaho sy ny dadako no rahalahy mpanompo azy, koa nanolo-tena ny hanome ny fanasan’ny Tompo ho azy izahay sady nanao aro tava sy nanao fitandremana hafa ho fiarovana azy.

Tena feno fankasitrahana izy fa afaka nankany an-tranony izahay. Nahatonga ahy ho nalahelo kely ny fanireriny, satria izy irery no tao an-tranony nandritra ilay valanareitina. Saingy feno fankasitrahana ihany koa aho fa afaka nanolotra zavatra tena sarobidy ho azy mba hahafaly azy. Nahafinaritra ny fahafahana nanompo azy. Nahafaly ahy ny nahafahanay sy ny dadako nandeha nanompo ny mpiara-monina taminay.

Feno fankasitrahana aho manana ny fisoronana satria tsy izaho irery ihany no mahazo tombontsoa aminy fa ny olona hafa ihany koa. Manampy ahy ho lasa olona tsara kokoa izany ary manampy ahy hahita ny fomba ahafahako manompo ny hafa. Nanokatra ny masoko ny fizarana ny fanasan’ny tompo ao an-tranoko sy ho an’ny mpiara-monina amiko. Mila araraotiko ny fahafahako mizara ny fanasan’ny Tompo sy manompo ny olona tsy afaka manao izany samirery. Feno fankasitrahana aho fa afaka nampiasa ny fisoronana hitahiana ny hafa sy ny fianakaviako.

Monina any Utah, Etazonia Amerika ny mpanoratra.

Hamoaka printy