2022
Torohevitra telo hisorohana ny fifandirana ao amin’ny fianakavianao
Martsa 2022


“Torohevitra telo hisorohana ny fifandirana ao amin’ny fianakavianao,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Fanampiana amin’ny fiainana

Torohevitra telo hisorohana ny fifandirana ao amin’ny fianakavianao

Mifanditra ve ny fianakavianao indraindray? Tsy irery ianao.

Sary
zatovovavy
Sary
zatovolahy

Sary nataon’i Alyssa M. Gonzalez

  • “Tsy rariny izany! Anjarako izao!”

  • “E! Tsy niteny ianao hoe hindrana an’iny!”

  • “Dada! Nitrangan’i Anita lela aho!”

Raha misy tsy vaovao aminao ireo fanamarihana ireo dia mety ao anatina fianakaviana ianao izay. Ary tsy misy fianakaviana izay tsy ahitana fifandonana. Indray mandeha ny Loholona David A . Bednar dia nizara fa nitaraina ny zanany hoe: “Neny a, manakona ny rivotra iainako izy!”1

Zava-mpitranga ao amin’ny fianakaviana ny fifandirana. Raha ny tena marina dia misy olona miasa mafy mihitsy mba hampitranga izany. Nampianatra mazava tsara ny Mpamonjy hoe: “Izay manana ny fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy” (3 Nefia 11:29).

Saingy aza matahotra! Mampianatra antsika ny filazantsara fa betsaka no azontsika atao mba hampihenana ny fifandirana ao amin’ny fianakaviantsika, ka hiaina fifaliana be dia be!

Torohevitra 1: Esory ilay solika mampirehitra

Sary
Ankizivavy mitondra fitoeran-tsolika

Mila solika mampirehitra ny afo vao mirehitra. Toy izany koa ny fifandirana. Ary tsy misy zavatra mampirehitra ny fifamaliana raha tsy ny fifamaliana hatrany. Koa inona ary izany no azonao atao raha misy olona manomboka mifanditra aminao?

Afaka mandà ny hifanditra fotsiny ianao. Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika momba izany. Nandritra ny asa fanompoany dia nankahalaina Izy, nampijaliana, nivadihana, ary nony farany dia nohomboana tamin’ny hazo fijaliana. Kanefa, na dia mafy sy mahitsy aza ny valin-teniny dia tsy mbola nanana ny fanahin’ny fifandirana mihitsy Izy. Ary tamin’ny farany dia tsy niady, na dia afaka ny “haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona” aza Izy mba hanampy Azy (Matio 26:53). Tsy izany no nataony fa nivavaka Izy ho an’ireo fahavalony, na dia izy efa nahantona teo amin’ny hazo fijaliana aza (jereo ny Lioka 23:34).

Lasa mahay mihaino kokoa ianao rehefa mandà ny hifanditra. Ary rehefa mihaino tsara isika dia afaka miresaka tsara kokoa sy ho lasa mpampihavana. Tafiditra ao amin’ny hoe mandà ny hifanditra ihany koa ny famaliana amin’ny feo malefaka sy ny manao izay azontsika atao mba hifehezana ny fihetseham-pontsika.

Rehefa tsy ampiana solika dia mihena ny ankamaroan’ireo fifamaliana sy fifandirana. Araka ny ampianarin’ny soratra masina hoe: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy” (Ohabolana 15:1).

Torohevitra 2: Manehoa fitiavana

Sary
fianakaviana

Ny fanehoana fitiavana amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao dia iray amin’ireo fomba hampanalavirana ny tokantrano amin’ny fifandonana. Afaka manakana mialoha ny fifandirana tsy hipoitra ny fanaovana izany!

Eny fa na dia tsy hitahita akory aza ny nahatafidiran’ ny fifandirana, ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy dia mbola afaka manova zavatra.

Eritrereto ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba ilay vehivavy tratra nijangajanga. Araka ny lalàn’i Mosesy dia tokony ho notoraham-bato izy. Nisy andian’olona tezitra nitaky tamin’i Jesoa mba hanameloka azy.

Saingy inona anefa no navalin’ny Mpamonjy? Voalohany indrindra dia tsy namaly avy hatrany ny fitakian’izy ireo Izy. Nandohalika Izy ary nanoritsoritra tamin’ny tany aloha vao niresaka. (Torohevitra: indraindray dia tena tsara ny tsy tonga dia mamaly avy hatrany rehefa miakatra ny fihetseham-po.)

Avy eo Izy dia naneho fitiavana sy fangorahana ho an’ilay vehivavy raha niteny tamin’ilay andian’olona hoe: “Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany” (Jaona 8:7).

Noraisin’i Jesoa tamim-pitiavana ilay vehivavy fa tsy tamim-panamelohana. Naneho ny fahavononany hamela azy Izy raha nanasa azy hoe: “mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8:11).

Lazao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao fa tianao izy ireo. Asehoy izany fitiavana izany amin’ny famelana heloka sy ny famelana azy ireo hiova, eny na dia tezitra aminao aza izy ireo. Afaka manova zavatra ny fitiavana.

Torohevitra 3: Mivavaha

Sary
Zatovovavy mivavaka

Mitondra ireo fitahian’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika ny vavaka. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Amioleka dia nampianatra hoe: “Ianareo dia tsy maintsy mamboraka ny fanahinareo ao an’efi-tranonareo sy ny toera-miafinareo ary any an-tany foanareo.

Eny, … aoka ny fonareo ho feno, mitodika Aminy lalandava ao amin’ny vavaka ho an’ny fiadananareo, ary koa ho an’ny fiadanan’ireo izay manodidina anareo” (Almà 34:26–27).

Azo antoka fa tafiditra amin’izany hoe “ireo izay manodidina anareo” izany ny fianakavianao, na dia ireo izay tsy miara-mipetraka aminao amin’izao aza. Koa mivavaha miaraka amin’ny fianakavianao. Mivavaha ho an’ny fianakavianao. Mivavaha mba hifehezana ny fihetseham-ponao raha toa ka misy olona tezitra aminao. Mivavaha mba hahaizanao ny fomba hamaliana ireo toe-draharaha mafana izay miseho ao amin’ny fianakavianao. Mivavaha mba hahazo ny fanampian’ Andriamanitra. Mivavaha mba hisian’ny fihomehezana sy fitiavana bebe kokoa ao amin’ny tokantrano misy anao. Avy eo dia ataovy izay rehetra vitanao mba hitrangan’izany.

Rehefa miezaka miaina feno kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao dia ho hitanao fa ho voatahy ihany koa ny fianakavianao. Hihena ny fifandirana ary hitombo ny hafalianareo.

Hamoaka printy