2022
Ahoana no fomba hahenoanareo Azy?
Martsa 2022


“Ahoana no fomba hahenoanareo Azy?,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Teny farany

Ahoana no fomba hahenoanareo Azy?

Sary
Ampahana piozila
Sary
Olona miaraka piozila misy ampahany tsy ampy

Sary nataon’i Oksana Grivina

Ankoatra ny fitarihana mitondra fiadanana azontsika avy amin’ny Fanahy Masina, dia indraindray Andriamanitra mankahery manokana antsika tsirairay amin-kery fa hoe mahafantatra antsika Izy sady tia antsika. Avy eo, rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia mampitamberina ireo zavatra niainana ireo ao an-tsaintsika ny Mpamonjy.

Diniho anie ny fiainanao manokana. Ireo zavatra niainana ireo dia mety ho tonga amin’ny fotoana miavaka eo amin’ny fiainantsika, na koa amin’ny fotoana izay noheverintsika tamin’ny voalohany fa tsy miala amin’ny mahazatra. Ireo fotoana ara-panahy manamarika antsika ireo dia tonga amin’ny fotoana samihafa sy amin’ny fomba isan-karazany, ary natao sahaza ho antsika tsirairay manokana.

Nanazava i Joseph Smith fa indraindray isika dia mandray “hevitra mitsiry tampoka” ary tsindraindray “faharanitan-tsaina madio mikoriana.”1

Ny Filoha Dallin H. Oaks, raha namaly ny lehilahy iray izay nilaza tamim-pahatsorana fa mbola tsy niaina zavatra toy izany mihitsy, dia nanome torohevitra hoe: “Angamba efa novaliana im-betsaka ny vavaka nataonao, saingy ianao dia nifantoka tamina famantarana lehibe tokoa na feo tena mafy tokoa ka dia nino ianao hoe mbola tsy nahazo valiny.”2

Vao tsy ela mihitsy isika no naheno ny Filoha Russell M. Nelson niteny hoe: “Manasa anareo aho hieritreritra lalina sy matetika an’ity fanontaniana tena manan-danja ity: Ahoana no hahenoanareo Azy? Manasa anareo ihany koa aho hanao ireo dingana ilaina hahenoana Azy tsaratsara kokoa sy matetitetika kokoa.”3

Fanamarihana

  1. Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 132.

  2. Dallin H. Oaks, Life’s Lessons Learned: Personal Reflections (2011), 116.

  3. Russell M. Nelson, “‘How Do You #HearHim?’ A Special Invitation,” Feb. 26 2020, blog.ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy