2022
Nahoana no novain’ Andriamanitra ho Isiraely ny anaran’i Jakoba?
Martsa 2022


“Nahoana no novain’ Andriamanitra ho Isiraely ny anaran’i Jakoba?” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Valiny fohy symivantana

Nahoana no novain’ Andriamanitra ho Isiraely ny anaran’i Jakoba?

Sary
zatovovavy

Sary hosodoko nataon’i Keith Larson

I Jakoba dia zanak’i Isaka ary zafikelin’i Abrahama. Tahaka azy ireo, i Jakoba dia nanana faniriana marina ary nikatsaka ny fitahian’ny Tompo.

Tamin’ny fotoana iray nanan-danja teo amin’ny fiainany “dia nitolona tamina fanamby lehibe iray i Jakoba. Nozahan-toetra ny fahafahany misafidy. Tamin’ny alalan’io tolona io no nanaporofoan’i Jakoba ny zavatra tena manan-danja indrindra taminy. Nasehony fa vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany izy. Ho valin’izany dia novan’ Andriamanitra ho Isiraely ny anaran’i Jakoba, izay midika hoe –aoka Andriamanitra no hanjaka.– Dia nampanantena an’i Isiraely Andriamanitra avy eo fa ny fitahiana rehetra izay notononina teo ambony lohan’i Abrahama dia ho azy ihany koa” (Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” fihaonamben’ny Fiangonana ôkt. 2020 [Liahona, nôv. 2020, 92]). Ny fitondrana io anarana vaovao io dia mariky ny fandraisana ny fanekempihavanana izay noraisin’ny rainy sy ny raibeny.

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana. Maneho ihany koa isika fa vonona ny hitondra anarana vaovao, dia ny anaran’i Jesoa Kristy. Ankoatra izany dia lasa isan’ny mpianakavin’i Isiraely isika, ireo izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra sy nampanantena ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany. Mampanntena antsika fitahiana mitovy amin’izay nampanantenainy an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba avy eo Andriamanitra.

Hamoaka printy