2022
Any Cagayan, Philippines
Martsa 2022


“Any Cagayan, Philippines,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.

Ny fomba fitsaohanay

Any Cagayan, Philippines

Sary
Tilikambo fanilon-tsambo eo amoron-dranomasina

Sary avy amin’ny Getty Images

Magandang araw! Kamusta?
(Ny dikan’izany dia hoe: “Salama e! Manao ahoana ianao?” amin’ny fiteny Tagalôgy.)

Sary
zatovovavy

Agravaine L. no anarako.

Sary
fianakaviana

Avy any amina tanàna kely iray ao Cagayan Philippines aho. Miara-mipetraka amin’ny raibeko sy renibem-dreniko, ny renibeko, sy ny reniko ary ireo rahavaviko roa aho. Eny, tena maro be izahay ao amin’ny fianakavianay! Mahazatra izany aty Philippines. Ny Filipiana dia fantatra amin’ny fifandraisana matanjaka ao amin’ny fianakaviana. Izany no tena tiako amin’ny mipetraka aty. Tombony fotsiny ny toetr’andro aty amin’ny tany mafana.

Sary
sarintany

Ny fialam-boly tiako indrindra dia ny mamaky gazetiboky ary mihaino podcast sy mozika manentana ny fanahy. Tia manoratra taratasy alefa amin’ny tenako amin’ny hoavy sy izay ho vadiko sy zanako ihany koa aho!

Mandalina sy mizara

Ny tena tiako amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy dia ny fahalalana fa izaho dia ao anatin’ny Fiangonana marin’i Kristy. Tiako ny mitsidika ny tempoly, sy ny mizara ny filazantsara, ary ny fandehanana any amin’ ny seminera miaraka amin’ireo namako. Nianatra zavatra betsaka aho avy tamin’ireo zavatra iainana ireo.

Sary
Zatovovavy iray eo amin’ny tempoly

Somary sahirana aho indraindray amin’ilay hoe maharitra hatramin’ny farany. Saingy manao izay tsara indrindra vitako aho mandalina ny soratra masina isan’alina. Ny Avia, hanaraka Ahy dia manampy betsaka amin’ny fandalinako manokana! Tiako ihany koa ny mamaky tantara avy amin’ireo zatovo hafa ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mampiasa ny application Bibliothèque de l’Evangile aho mba hahafahako manana hafatra manentana ny fanahy ao anaty paosiko, na aiza na aiza misy ahy.

Mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ireo namako any an-tsekoly. Noheveriko foana izany fa nidika hoe tsy nanana fahafahana nizara ny filazantsara aho. Saingy nianatra aho fa tsy voatery amin’ny olona avy amin’ny finoana hafa ny fizarana ny filazantsara. Tiako ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ilay namako be any an-tsekoly, ary mpikambana ihany koa izy!

Ny Sabata

Lavitry ny trano Fiangonana ny tranonay, dia tsy maintsy miomana mialoha izaho sy ny rahavaviko mba hahatongavana any amin’ireo fivorianay ara-potoana (na aloha kokoa; enga anie)!

Mifoha amin’ny 4 maraina izahay ary mandeha an-tongotra any amin’ny tranon’ny nenitoanay, izay eny amin’ny lalanay mankany am-piangonana. Manolo ny akanjonay fanao rehefa mandehandeha izahay ary manao ny akanjo fanao any am-piangonana. Avy eo dia mandeha an-tongotra indray mandritra ny 30 minitra vao tonga any amin’ny tranom-piangonana (na 25 minitra indraindray raha tena mandeha mafy izahay). Satria miomana mialoha ho amin’ny alahady izahay dia tsy mba tara mihitsy! Eny e, saika tsy tara mihitsy. Tena feno fotaka ny lalana rehefa avy ny orana. Indray andro dia avy be ny orana ka raikitra tao anaty fotaka aho ary tsy afa-nihetsika!

Sary
Fianakaviana ao am-piangonana

Fa tsy maninona avokoa izany rehetra izany rehefa tonga any am-piangonana izahay. Mahatsapa fiadanana sy fifaliana aho miresaka momba ny filazantsara sy mampiely ny vaovao mahafalin’ny Mpamonjy antsika. Tiako ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako isaky ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona! Toerana tena tsara hizarana ny eritreritro momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hianarana zavatra avy amin’ny hafa ihany koa ny kilasin’ny sekoly alahady misy ahy.

Hamoaka printy